Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TANTARAM-PIAINANA

Sambatra Izahay Niantehitra Tamin’i Jehovah

Sambatra Izahay Niantehitra Tamin’i Jehovah

Miovaova ny fiainana ary tsy fantatra izay havoaky ny ampitso. Mety ho tena sarotra aza ny miatrika an’izay mitranga. Tahin’i Jehovah anefa ny olona miantehitra aminy fa tsy miantehitra amin’ny fahaizany. Izany no tsapanay mivady teo amin’ny fiainanay, ary sambatra foana izahay. Araho ange ny sombintsombin’ny tantaranay e!

NIHAONA tany amin’ny fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena tao Cedar Point, Etazonia, i Dada sy Neny, tamin’ny 1919. Nivady izy ireo tamin’io taona io. Teraka aho tamin’ny 1922, ary tamin’ny 1924 no teraka i Paul zandriko. Teraka tamin’ny 1930 i Grace vadiko. Mpianatra ny Baiboly i Roy sy Ruth Howell ray aman-dreniny, ary ny dadabe sy bebeny, izay naman’ny Rahalahy Russell.

Nihaona tamin’i Grace aho tamin’ny 1947, ary nivady izahay ny 16 Jolay 1949. Efa nifampiresaka tsara momba izay hataonay izahay talohan’izay. Nifidy ny tsy hiteraka izahay fa hanompo manontolo andro. Lasa mpisava lalana izahay ny 1 Oktobra 1950, ary nasaina hanao ny asan’ny faritra tamin’ny 1952.

NITETY FARITANY SY NIOFANA TANY GILEADA

Tsapanay fa nila fanampiana be izahay mba hanaovana ny asan’ny faritra, ka niezaka naka traikefa tamin’ny rahalahy za-draharaha aho. Nitady fanampiana ho an’i Grace koa aho, ka nanatona an’i Marvin Holien. Naman’ny fianakaviako efa ela izy, sady efa mpiandraikitra mpitety faritany. Hoy aho taminy: “Mbola tanora sy tsy ampy traikefa i Grace. Mahita olona afaka mampiofana azy ve ianao?” Hoy izy: “Ie. Tena afaka manampy azy i Edna Winkle, izay mpisava lalana za-draharaha.” Hoy i Grace, tatỳ aoriana, momba an’i Edna: “Tena nanampy ahy izy! Nataony izay tsy hampahatahotra ahy rehefa nitory. Hainy tsara koa ny namaly fanoherana, ary nampianariny hihaino tsara aho mba hahaizako mamaly ny olona.”

Ankavia miankavanana: Nathan Knorr, Malcolm Allen, Fred Rusk, Lyle Reusch, Andrew Wagner

Nitsidika faritra roa tany Iowa izahay, ary nisy fiangonana tany Minnesota sy Dakota Atsimo tao anatin’ireo faritra ireo. Nafindra tao amin’ny Faritra Voalohany tao New York izahay tatỳ aoriana, ka nitsidika ny tanànan’i Brooklyn sy Queens. Tena mbola zazavao izahay tamin’izany! Anisan’ny notsidihinay ny Fiangonana Brooklyn Heights, izay nivory tao amin’ny Efitrano  Fanjakana tao amin’ny Betela. Maro ny mpianakavin’ny Betela nivory tao, ary efa ampy traikefa ry zareo. Nanatona ahy ny Rahalahy Nathan Knorr, taorian’ny lahateniko voalohany tao. Hoy izy: “Tena nety ny torohevitra nomenao. Tsarovy fa tsy tena hitondra soa ho an’ny fandaminana ianao, raha tsy manome torohevitra hanampiana anay. Tohizo ny asa tsara efa ataonao.” Noresahiko tamin’i Grace izany, taorian’ny fivoriana. Niakatra tao amin’ilay efitrano nilasianay tao amin’ny Betela izahay avy eo, ary nitomany satria reraky ny tebiteby.

“Tsarovy fa tsy tena hitondra soa ho an’ny fandaminana ianao, raha tsy manome torohevitra hanampiana anay. Tohizo ny asa tsara efa ataonao”

Nasaina hanatrika ny kilasy faha-24 amin’ny Sekolin’i Gileada izahay, volana vitsivitsy taorian’izay. Nilazana izahay fa tsy voatery ho lasa misionera, fa hampiofanina mba ho havanana kokoa amin’ny asa fitetezam-paritany. Tena nahafinaritra ilay sekoly sady nahatonga anay hanetry tena. Nahazo diplaoma izahay tamin’ny Febroary 1955.

Fern sy George Couch, miaraka aminay sy Grace, tamin’izahay tany Gileada tamin’ny 1954

Voatendry ho mpiandraikitra ny vondrom-paritra aho taorian’izay. Anisan’ny notsidihinay i Indiana sy Michigan ary Ohio. Nahazo taratasy tsy nampoizina avy tany amin’ny Rahalahy Knorr izahay, tamin’ny Desambra 1955. Hoy izy: ‘Aza misalasala milaza ny hevitrao amiko, ary tsory ny marina. Tianao ve raha mankatỳ amin’ny Betela ianao ary mijanona atỳ? Sa tianao ny hanompo vetivety atỳ, ary avy eo hanompo any an-tany hafa? Sa aleonao ihany manao ny asan’ny faritra sy vondrom-paritra?’ Namaly aho fa tianay daholo izay anendrena anay. Tsy ela izahay dia nasaina nankany amin’ny Betela.

NAHAFINARITRA NY TAO AMIN’NY BETELA

Nahafinaritra ny taona nanompoanay tao amin’ny Betela. Notendrena hanao lahateny tany amin’ny fiangonana sy teny amin’ny fivoriambe nanerana an’i Etazonia aho. Anisan’ny nampiofana sy nanampy rahalahy tanora maro aho, ka lasa nahazo andraikitra bebe kokoa teo anivon’ny fandaminana izy ireny. Lasa mpitan-tsoratry ny Rahalahy Knorr aho tatỳ aoriana, tao amin’ilay birao nandaminana ny fitoriana eran-tany.

Niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana, tamin’ny 1956

Nahafinaritra ahy koa ny niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana. Mpiandraikitra tao nandritra ny taona maro i T. Sullivan, ary niara-niasa taminy aho. Nandray lesona avy tamin’ny olon-kafa koa anefa aho. Anisan’izany i Fred Rusk, izay nampiofana ahy. Mbola tadidiko ilay izaho nanontany azy hoe: “Nahoana no asianao fanitsiana be dia be ny taratasy sasany soratako?”  Nihomehy izy ary niteny hoe: “Ianao ange mbola afaka manazava rehefa miresaka e. Tsy maintsy manome fanazavana amin’ny an-tsipiriany sy marina tsara kosa ianao rehefa manoratra, indrindra raha avy atỳ amin’ny foibe.” Nampieritreritra ahy izany. Hoy izy avy eo: “Mahereza fa mety ny ataonao. Ho hainao tsara io any aoriana any.”

Niovaova asa i Grace tao amin’ny Betela. Efa nanadio trano izy ary nahafinaritra azy izany. Mbola mahatsiaro ny asany ny rahalahy sasany tao amin’ny Betela, izay mbola tanora tamin’izany. Mitsikitsiky erỳ izy ireo rehefa mihaona aminay, sady miteny amin’i Grace hoe: “Hainao mihitsy ny nampianatra ahy hanamboatra fandriana. Faly erỳ mamanay tamin’izany!” Tian’i Grace koa ny niasa tao amin’ny sampan-draharahan’ny Gazety, Famaliana Taratasy, ary Famoahana Kasety. Tsapany tamin’ireny asa samihafa ireny fa na inona na inona ataontsika, ary na aiza na aiza anompoantsika eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah, dia tombontsoa sy fitahiana izany. Mbola izany ihany no tsapany hatramin’izao.

FOMBA NIATREHANAY FIOVANA

Nila nokarakaraina kokoa ny ray aman-dreninay zokiolona, tamin’ny 1975, ka tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra izahay. Sarotra ilay izy satria tianay ny Betela sy ny mpiara-manompo aminay tao ka tsy te hiala izahay. Tsapako anefa fa andraikitro ny mikarakara ny ray aman-dreninay. Niala tao amin’ny Betela ihany àry izahay, nefa nanantena fa mbola ho tafaverina.

Niasa tamin’ny trano fiantohana aho, mba hivelomanay. Mbola tadidiko ny tenin’ny tompon’andraikitra iray, tamin’izaho niofana. Hoy izy: “Ny mitsidika ny olona amin’ny hariva no tena mampandeha an’ity asa ity. Amin’izay ny olona no ao an-tranony. Tokony ho vonona hitsidika ny olona ianao isan-kariva. Tsy misy zava-dehibe noho izany.” Namaly aho hoe: “Efa manana traikefa ianao matoa miteny an’izany, ary ekeko ny teninao. Misy zavatra tsy maintsy ataoko koa anefa mifandray amin’ny fivavahako. Mbola tsy nataoko an-tsirambina izany, ary tsy hataoko an-tsirambina mihitsy. Hitsidika olona aho amin’ny takariva sasany, nefa misy fivoriana tena lehibe tsy maintsy atrehiko ny talata sy alakamisy.” Tsy natakaloko asa ny fivoriana ka tena notahin’i Jehovah aho.

Teo anilan’i Neny izahay, tamin’izy maty tany amin’ny trano fitaizana ny be antitra, tamin’ny Jolay 1987. Hoy ny lehiben’ny mpitsabo mpanampy tamin’i Grace: “Modia amin’izay, dia mba makà aina. Fantatry ny rehetra fa teto foana ianao nikarakara ny rafozanao. Aza manahy intsony fa efa nanao izay azo atao ianao.”

Tena tianay ny Betela, ka nangataka hanompo tany indray izahay tamin’ny Desambra 1987. Hita  anefa hoe voan’ny kanseran’ny tsinaibe i Grace, andro vitsivitsy taorian’izay. Nodidiana izy ary sitrana soa aman-tsara, sady afaka ilay kansera. Nahazo taratasy avy tany amin’ny Betela izahay nampirisika anay hanohy ny fanompoana niaraka tamin’ny fiangonana. Tapa-kevitra ny hanohy foana ny fanompoanay àry izahay.

Nahita asa tatỳ Texas aho, tatỳ aoriana. Nieritreritra izahay fa hety aminay atỳ satria mafana kokoa. Ary dia nety tokoa! Efa 25 taona teo ho eo izao izahay no tatỳ. Tena tsara fanahy ny rahalahy sy anabavy atỳ ary lasa mpinamana be izahay.

LESONA NORAISINAY

Samy efa nahazo an’i Grace na ny kanseran’ny tsinaibe, na ny kanseran’ny tiroida, na ny kanseran’ny nono. Tsy nitaraina mihitsy anefa izy, ary nanohana ahy sy nanaiky ny fahefako foana. Matetika ny olona no manontany azy hoe: “Fa inona no mahatonga anareo roa ho sambatra am-panambadiana sy ho falifaly foana?” Nilaza antony efatra i Grace: “Mpinamana be izahay. Mifampiresaka foana izahay isan’andro. Tena tianay koa ny miara-manao zavatra isan’andro. Ary tsy matory mihitsy izahay raha mbola misy iray tezitra.” Mazava ho azy fa tsy mifanaraka ihany izahay indraindray. Hitanay anefa hoe tena mandamina olana ny mifamela sy manadino an’ilay zava-nitranga.

“Miantehera amin’i Jehovah foana ary ekeo izay zavatra avelany hitranga”

Ireto ny zavatra nianaranay avy tamin’ny fitsapana rehetra nahazo anay:

  1.  Miantehera amin’i Jehovah foana ary ekeo izay zavatra avelany hitranga. Aza miantehitra amin’ny fahaizanao mihitsy.—Ohab. 3:5, 6; Jer. 17:7.

  2.  Mitadiava tari-dalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, na inona na inona olana mahazo anao. Tena ilaina ny mankatò an’i Jehovah sy ny lalàny. Tsy misy ny eo anelanelany, fa na ianao mankatò na ianao tsy mankatò.—Rom. 6:16; Heb. 4:12.

  3.  Ny ho tsara laza eo anatrehan’i Jehovah no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Ny sitrapony no ataovy loha laharana, fa tsy ny fitadiavana harena.—Ohab. 28:20; Mpito. 7:1; Mat. 6:33, 34.

  4.  Mivavaha mba hazoto tsara sy hahavita be amin’ny fanompoana an’i Jehovah, araka izay azonao atao. Mifantoha amin’izay azonao atao, fa tsy amin’izay tsy ho vitanao.—Mat. 22:37; 2 Tim. 4:2.

  5.  Fantaro fa tsy misy fandaminana hafa tahin’i Jehovah sy ankasitrahany, ankoatra ny fandaminana misy antsika.—Jaona 6:68.

Samy nanompo an’i Jehovah nandritra ny 75 taona mahery izahay sy Grace, ary ny 65 taona tamin’izany no niarahanay. Nahafinaritra tokoa ireny fotoana ireny! Manantena izahay fa ho tsapan’ny rahalahy sy anabavy rehetra koa fa tena mahasambatra ny miantehitra amin’i Jehovah.