Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lesona avy Amin’ny Vavaky ny Levita

Lesona avy Amin’ny Vavaky ny Levita

“Aoka izy ireo hisaotra ny anaranao be voninahitra.”—NEH. 9:5.

1. Inona ilay fivoriambe fahiny hodinihintsika amin’ity lahatsoratra ity? Inona avy ny fanontaniana tokony hosaintsainintsika?

“MITSANGÀNA ianareo, ka misaora an’i Jehovah ilay Andriamanitrareo hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay!” Nilaza an’ireo teny manohina ny fo ireo ny Levita, mba hanasana ny vahoakan’Andriamanitra hivory sy hivavaka amin’i Jehovah. Anisan’ny vavaka lava indrindra ao amin’ny Baiboly izy io. (Neh. 9:4, 5) Tany Jerosalema no natao ilay fivoriambe, tamin’ny 24 Tisry (volana jiosy fahafito), taona 455 T.K. Handinika ny zava-nitranga talohan’io andro manokana io isika, ka saintsaino hoe: ‘Inona no fahazarana tsara nananan’ny Levita ka nahatonga an’ilay fotoan-dehibe hahafinaritra? Inona no lesona hafa raisiko avy amin’ilay vavaka voaomana tsara nataon’izy ireo?’—Sal. 141:2.

VOLANA MANOKANA

2. Inona no ohatra tsara navelan’ny Israelita ho antsika?

2 Nahavita nanorina indray ny mandan’i Jerosalema ny Jiosy, iray volana talohan’ilay fivoriambe voaresaka tetsy aloha. (Neh. 6:15) Tao anatin’ny 52 andro monja no nanaovan’izy ireo izany. Niezaka nanatsara ny fifandraisany tamin’Andriamanitra izy ireo, taorian’izay. Nivory teo amin’ny tany malalaka àry izy ireo ny voalohan’ny volana Tisry, mba hihaino an’i Ezra sy ny Levita hafa namaky sy nanazava ny Lalàn’Andriamanitra.  Teo daholo ny fianakaviana rehetra, dia izay “rehetra afaka mihaino ka mahazo ny hevitr’izay reny.” Nijoro sy nihaino izy ireo, “nanomboka vao maraina be ka hatramin’ny mitataovovonana.” Ahoana ny amintsika izay manana Efitrano Fanjakana mampahazo aina? Miriorio ve ny saintsika indraindray rehefa mivory ka mieritreritra zavatra tsy dia lehibe? Tadidio ny ohatra tsara navelan’ny Israelita, raha izany no mitranga. Sady nihaino izy ireo no nandray am-po ny zavatra reny, ka nitomany mihitsy rehefa takany fa tsy nankatò ny Lalàn’i Jehovah ny fireneny.—Neh. 8:1-9.

3. Inona no toromarika nankatoavin’ny Israelita?

 3 Tsy fotoana fieken-keloka ampahibemaso anefa tamin’izay. Andro fety ilay izy ka tian’i Jehovah hifalifaly ny vahoaka.  (Nom. 29:1) Nampirisika ny olona àry i Nehemia hoe: “Mandehana ka hano ny matavy ary sotroy ny mamy, dia anatero anjara izay tsy manana sakafo hokarakaraina. Fa masina amin’ny Tompontsika ity andro anio ity, koa aza malahelo fa ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.” Mendri-piderana ny vahoaka fa nankatò. “Nifaly be” àry ny rehetra tamin’izay.—Neh. 8:10-12.

4. Inona no nataon’ireo lohan’ny fianakaviambe, ary inona no natao isan’andro nandritra an’ilay Fetin’ny Trano Rantsankazo?

4 Nivory ny lohan’ny fianakaviambe ny andro manaraka, ka nandinika hoe ahoana no hahafahan’ilay firenena mankatò kokoa ny Lalàn’Andriamanitra.  Hitan’izy ireo rehefa nandinika ny Soratra Masina izy fa tokony hisy Fetin’ny Trano Rantsankazo ny 15 ka hatramin’ny 21 Tisry, ary hofaranana amin’ny fivoriambe manetriketrika izany ny 22 Tisry. Nanomboka nanomana an’izany àry izy ireo.  Io no Fetin’ny Trano Rantsankazo nahafinaritra indrindra, hatramin’ny andron’i Josoa. “Nisy fifaliam-be” mihitsy tamin’ilay izy! Tena niavaka io fety io, satria novakina teo anatrehan’ny vahoaka ny Lalàn’Andriamanitra isan’andro, “nanomboka tamin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany.”—Neh. 8:13-18.

ANDRO FIEKEN-KELOKA

5. Inona no nataon’ny vahoakan’i Jehovah talohan’ny nivavahan’ny Levita?

5 Fotoana nety tsara mba hieken-keloka ampahibemaso, roa andro taorian’izay. Niaiky ny Israelita fa tsy nankatò ny Lalàn’Andriamanitra. Tsy andro natao hisakafoanana sy hifalifaliana tamin’izay. Nifady hanina kosa ny vahoaka sady niakanjo gony, mba hampisehoana ny alahelony. Novakina teo anatrehan’izy ireo nandritra ny adiny telo indray ny Lalàna ny maraina. “Niaiky heloka sy niankohoka teo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny” izy ireo ny tolakandro.  Nisolo tena ny vahoaka ny Levita avy eo, ka nanao vavaka efa nomaniny tsara. —Neh. 9:1-4.

6. Inona no nanampy ny Levita hanao vavaka misy heviny, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

6 Azo inoana fa namaky tsy tapaka ny Lalàn’Andriamanitra ny Levita, ka izany no nanampy azy ireo hanomana an’ilay vavaka, izay tena nisy heviny. Ny asan’i Jehovah sy ny toetrany no tena voaresaka ao amin’ny andininy folo voalohany amin’ilay vavaka. Asongadina imbetsaka ao amin’ny tapany farany amin’ilay izy fa “be famindram-po” tamin’ny Israelita i Jehovah, na dia tsy mendrika an’izany aza izy ireo. (Neh. 9:19, 27, 28, 31) Mila misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra isan’andro koa isika, toy ny nataon’ny Levita, ka mamela an’i Jehovah hiresaka amintsika. Hahita holazaina kokoa isika amin’izay rehefa mivavaka, ary  hisy heviny kokoa ny vavaka ataontsika.—Sal. 1:1, 2.

7. Inona no nangatahin’ny Levita tamin’Andriamanitra, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

7 Fangatahana tsotra iray monja no tao amin’ilay vavaka. Eo amin’ny faran’ny andininy faha-32 no misy azy io. Hoy ilay andininy: “Ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ry Andriamanitra lehibe sy mahery ary mendrika hatahorana, izay manaja fifanekena sy maneho hatsaram-panahy feno fitiavana! Aza atao tsinontsinona re ny fahoriana rehetra nanjo anay sy ny mpanjakanay sy ny andriananay sy ny mpisoronay sy ny mpaminaninay sy ny razanay ary ny olonao rehetra, hatramin’ny andron’ireo mpanjakan’i Asyria ka mandraka androany.” Tsara tokoa raha manahaka ny Levita isika rehefa mivavaka, ka midera sy misaotra an’i Jehovah aloha, izay vao mangataka an’izay tadiavintsika.

DERAO NY ANARANY BE VONINAHITRA

8, 9. a) Inona no nolazain’ny Levita teo am-piandohan’ilay vavaka, ka mampiseho fa manetry tena izy ireo? b) Inona ireo tafika roa tian’ny Levita horesahina tamin’ilay hoe tafiky ny lanitra?

8 Marina fa voaomana tsara ny vavaka nataon’ny Levita. Nanetry tena anefa izy ireo, ka nahatsapa fa tsy ampy hiderana an’i Jehovah ny teny nolazainy. Nilaza toy izao momba ny vahoakan’i Jehovah àry izy ireo, teo am-piandohan’ilay vavaka: “Aoka izy ireo hisaotra ny anaranao be voninahitra, izay mendrika ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.”—Neh. 9:5.

9 Izao no tohin’ilay vavaka: “Ianao irery ihany no Jehovah. Ianao no nanao ny lanitra, eny, ny lanitry ny lanitra sy ny tafiny rehetra, mbamin’ny tany sy izay rehetra eo amboniny, ary ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny. Ianao no miantoka ny fahaveloman’ireny rehetra ireny. Miankohoka eo anatrehanao koa ny tafiky ny lanitra.” (Neh. 9:6) I Jehovah Andriamanitra tokoa no namorona an’izao rehetra izao, anisan’izany ny vahindanitra tsy tambo isaina izay misy kintana maro be. Izy koa no namorona ny zava-drehetra eto amin’ity tany kanto misy antsika ity, ary nataony izay hahafahan’izy ireny ho velona foana sy hitombo isa hatrany. Antsoina koa hoe “tafiky ny lanitra” ny anjely, izay nahita ny namoronana an’ireo rehetra ireo. (1 Mpanj. 22:19; Joba 38:4, 7) Manao ny sitrapon’Andriamanitra ny anjely sady manetry tena, ka mikarakara an’ireo olona tsy lavorary izay “handova famonjena.” (Heb. 1:14) Miara-manompo an’i Jehovah toy ny tafika iray tsara ofana koa isika ankehitriny, ka tokony hanetry tena toy ny anjely.—1 Kor. 14:33, 40.

10. Inona no ianarantsika avy amin’ny fifandraisan’i Jehovah tamin’i Abrahama?

10 Niresaka ny fifandraisan’i Jehovah tamin’i Abrama ny Levita avy eo, tao amin’ilay vavaka. Momba i Saray vadiny, ka mbola tsy niteraka izy ireo tamin’i Abrama 99 taona. Tamin’izay ny anaran’i Abrama no novan’Andriamanitra ho “Abrahama”, izany hoe ‘rain’ny maro.’ (Gen. 17:1-6, 15, 16) Nampanantena an’i Abrahama koa  i Jehovah fa handova ny tany Kanana ny taranany. Manadino ny zavatra ampanantenainy ny olona matetika, fa tsy toy izany i Jehovah. Izany no nasongadin’ilay vavaky ny Levita, manao hoe: “Ianao no Jehovah Andriamanitra, izay nifidy an’i Abrama sy nitondra azy niala tao Oran’ny Kaldeanina, ka nanova ny anarany ho Abrahama. Hitanao fa nifikitra taminao ny fony, ka nanao fifanekena taminy ianao mba hanome azy sy ny taranany ny tanin’ny Kananita. ... Koa notanterahinao ny teninao satria manao ny rariny ianao.” (Neh. 9:7, 8) Enga anie isika hanahaka an’ilay Andriamanitsika, ka hiezaka hitana ny tenintsika foana.—Mat. 5:37.

IREO ZAVATRA MAHATALANJONA NATAON’I JEHOVAH

11, 12. Inona no dikan’ny hoe Jehovah, ary inona no manaporofo fa mendrika an’io anarana io Andriamanitra?

11 Ilay anarana hoe Jehovah dia midika hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Midika izany fa manao zavatra tsikelikely i Jehovah mba hanatanterahana ny fampanantenany. Mampiseho tsara an’izany ny zavatra nataony ho an’ny taranak’i Abrahama. Nampanantena azy ireo izy fa hafahany tsy ho andevon’ny Ejipsianina izy ireo, ary hipetraka any amin’ny Tany Nampanantenaina. Toa tsy nampino izany! Nanao zavatra tsikelikely anefa Andriamanitra mandra-pahatanterak’ilay fampanantenany. Voaporofo àry fa mendrika an’ilay anarana miavaka sy be voninahitra hoe Jehovah izy.

12 Nilaza toy izao momba an’i Jehovah ny Levita avy eo: “Hitanao ny fahorian’ny razanay tany Ejipta, ary renao ny fitarainany teo amoron’ny Ranomasina Mena. Dia nanao famantarana sy fahagagana ianao hamelezana an’i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny olon-drehetra tao amin’ny taniny. Fantatrao mantsy fa nataony tsinontsinona ny razanay. Koa nampahalaza ny anaranao ianao, toy ny amin’izao anio izao. Nosarahinao teo anatrehany ny ranomasina, ka nandia tany maina teo afovoany izy ireo. Fa ny mpanenjika azy kosa natsipinao mafy tao amin’ny lalina, toy ny vato natsipy tao anaty rano mahery.” Nitanisa zavatra hafa nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany ny Levita avy eo. Hoy izy ireo: “Nataonao resy teo anatrehan’izy ireo ny Kananita nonina tao. ... Namabo tanàna voaro mafy izy ireo ary nahazo tany lonaka sy trano feno zava-tsoa isan-karazany, sy lavaka fanangonan-drano efa nohadina, sy tanimboaloboka, sy sahan’oliva, ary hazo fihinam-boa be dia be. Dia nihinana izy ireo ka voky ary nihanatavy sady finaritra tamin’ny fiainana, noho ianao tena tsara toetra.”—Neh. 9:9-11, 24, 25.

13. Inona no nataon’i Jehovah ho an’ny Israelita raha vao niala kelikely tany Ejipta izy ireo? Inona anefa no nataon’izy ireo tatỳ aoriana?

13 Mbola nisy zavatra maro nataon’i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany. Nikarakara an’izay nilain’ny Israelita teo amin’ny lafiny ara-panahy, ohatra, izy raha vao niala kelikely tany Ejipta izy ireo. Izao no tsaroan’ny Levita ka nolazainy tamin’i Jehovah: “Nidina nankeo amin’ny Tendrombohitra Sinay ianao, ary niteny tamin’izy ireo avy tany an-danitra sady nanome azy didim-pitsarana ara-drariny, sy lalàna marina, ary fitsipika sy didy mahasoa.” (Neh. 9:13) Nampianatra ny vahoakany i Jehovah, mba ho mendrika hitondra ny anarany masina izy ireo rehefa handova ny Tany Nampanantenaina. Tsy nankatò ny didiny anefa izy ireo tatỳ aoriana.—Vakio ny Nehemia 9:16-18.

NILA FAMAIZANA IZY IREO

14, 15. a) Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa namindra fo tamin’ny Israelita izy? b) Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’Andriamanitra tamin’ny vahoakany?

14 Niresaka momba ny fahotana roa nataon’ny Israelita ny Levita tao amin’ilay vavaka. Nanao an’ireo fahotana ireo ny Israelita, na dia vao avy nivoady ny hankatò ny Lalàn’i Jehovah aza, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. Mendrika ny ho faty izy ireo noho izany, nefa namindra fo  i Jehovah. Nidera an’i Jehovah àry ny Levita, ka nilaza hoe: “Tsy nahafoy azy tany an-tany efitra ianao satria be famindram-po. ... Efapolo taona ianao no namatsy sakafo azy ireo ... Tsy nisy nahory azy. Tsy tonta ny fitafiany ary tsy nivonto ny tongony.” (Neh. 9:19, 21) Omen’i Jehovah an’izay rehetra ilaina koa isika ankehitriny, mba hanampiana antsika tsy hivadika sy hanompo azy foana. Enga anie isika ka tsy hanahaka an’ireo Israelita an’arivony, izay tsy nankatò sy tsy ampy finoana ka maty tany an-tany efitra. “Nosoratana ho fampitandremana ho antsika” ireny zava-nitranga ireny.—1 Kor. 10:1-11.

15 Mampalahelo fa nivadika ny Israelita rehefa tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Nivavaka tamin’ny andriamanitry ny Kananita izy ireo, nefa nisy fitondran-tena maloto sy famonoan’olona izany fivavahana izany. Navelan’i Jehovah hampijaly ny vahoakany àry ny firenena manodidina. Rehefa nibebaka izy ireo, dia namindra fo tamin’izy ireo i Jehovah ary namonjy azy ireo tamin’ny fahavalony. “Imbetsaka” izany no nitranga. (Vakio ny Nehemia 9:26-28, 31.) Niaiky tamin’i Jehovah ny Levita hoe: ‘Nandefitra taminy an-taonany maro ianao, ary nampitandrina azy foana tamin’ny alalan’ny fanahinao izay nomenao ho an’ny mpaminaninao, kanefa tsy nihaino izy ireo. Koa natolotrao teo an-tanan’ny mponina manodidina izy, tamin’ny farany.’—Neh. 9:30.

16, 17. a) Inona no tsy nampitovy ny Israelita avy babo sy ireo razambeny vao tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina? b) Inona no neken’ny Israelita tao amin’ilay vavaka, ary inona no voady nataon’izy ireo?

16 Mbola tsy nankatò ny Israelita rehefa avy babo tany Babylona. Inona anefa no tsy nampitovy azy ireo tamin’ny razambeny vao tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina? Hoy ny Levita: “Andevo izahay ankehitriny, eny, andevo eto amin’ity tany ity, izay nomenao ny razanay mba hihinanany ny vokatra sy ny zava-tsoa eo aminy. Be ny vokatry ny tany, nefa noho ny fahotanay dia lasan’ireo mpanjaka notendrenao hifehy anay izany, ... ka ory dia ory izahay.”—Neh. 9:36, 37.

17 Te hilaza ve ny Levita fa tsy rariny ny namelan’Andriamanitra azy ireo hijaly? Tsia! Niaiky izy ireo hoe: “Rariny ny anao matoa manjo anay izao rehetra izao. Hita tamin’izay nataonao fa tsy mivadika ianao, fa izahay kosa no nanao ratsy.” (Neh. 9:33) Voady no mamarana an’ilay vavaka, ary voalaza ao amin’ilay izy fa hankatò ny Lalàn’Andriamanitra foana ilay firenena nanomboka teo. (Vakio ny Nehemia 9:38; 10:29) Nosoratana tamin’ny taratasy ilay voady, ary nanisy tombo-kase an’izany ny olona ambony 84 teo amin’ny Jiosy.—Neh. 10:1-27.

18, 19. a) Inona no tokony hataontsika raha te hiaina ao amin’ny tontolo vaovao isika? b) Inona no tsy tokony hohadinointsika rehefa mivavaka, ary nahoana?

18 Mila fananarana avy amin’i Jehovah koa isika, raha te hiaina ao amin’ny tontolo vaovao anjakan’ny fahamarinana. Milaza ny Baiboly fa tsy misy zanaka tsy anarin’ny rainy. (Ohab. 13:24; ampitahao amin’ny Hebreo 12:7.) Hita hoe manaiky ny fananaran’Andriamanitra isika, raha miaritra sy manompo azy foana ary mamela ny fanahiny hanitsy ny toetrantsika. Raha manao fahotana lehibe koa isika, dia afaka matoky fa hamela ny helotsika i Jehovah, raha tena mibebaka isika ary manetry tena ka manaiky anariny.

19 Tsy ho ela i Jehovah dia hanao zavatra mahatalanjona kokoa noho izay nataony tamin’izy nanafaka ny Israelita tany Ejipta. Ho fantatry ny rehetra amin’izay fa Andriamanitra miavaka tokoa izy. (Ezek. 38:23) Tsy isalasalana fa hiaina ao amin’ny tontolo vaovao ny Kristianina rehetra tsy mivadika, toy ny nandovan’ny Israelita ny Tany Nampanantenaina. (2 Pet. 3:13) Zavatra faran’izay tsara tokoa no miandry antsika, ka enga anie isika hivavaka foana mba hohamasinina ny anaran’Andriamanitra. Misy vavaka iray hafa hanampy antsika hanao izay hahazoana ny fitahian’Andriamanitra, dieny izao sy ho mandrakizay. Handinika izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.