Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Tokony ho Fantatry ny Ankizy?

Inona no Tokony ho Fantatry ny Ankizy?

Inona no Tokony ho Fantatry ny Ankizy?

“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana.”—2 TIMOTY 3:16.

MILA ampianarina ny ankizy ny marina momba an’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, ilay boky be mpanaja indrindra.

Toy ny taratasy avy amin’Andriamanitra izy io. Hita ao ny toetrany sy ny toro lalany momba ny fitondran-tena, izay nataony ho an’ny zanany rehetra, na antitra na tanora. Ireto ny sasany amin’izany, ary na ny ankizikely aza afaka mandray lesona.

Inona no tian’Andriamanitra ho fantatsika momba azy?

Ny hevitry ny Baiboly: “Ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!” —Salamo 83:18.

Lesona: Tsy hery fotsiny Andriamanitra, fa tena misy ary manana anarana mampiavaka azy.

Ny hevitry ny Baiboly: “Mandinika ny fo rehetra i Jehovah, ary hitany avokoa ny eritreritra sy ny faniriana. Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy.”—1 Tantara 28:9.

Lesona: Miahy antsika rehetra i Jehovah Andriamanitra, anisan’izany ny ankizikely. (Salamo 10:14; 146:9) Tiany hianatra momba azy isika.

Ny hevitry ny Baiboly: “Aza mampahory ... ny kamboty ray. Raha mampahory azy ianao ka mitaraina amiko izy, dia tena hohenoiko ny fitarainany.”—Eksodosy 22:22-24.

Lesona: Henoin’i Jehovah na dia ny vavaky ny ankizikely aza. Afaka miresaka aminy foana isika, ary milaza izay ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika.

Ny hevitry ny Baiboly: “Imbetsaka izy ireo no nitsapa toetra an’Andriamanitra, ka nanao izay nampahory an’Ilay Masin’ny Israely.”—Salamo 78:41.

Lesona: Tokony hieritreritra tsara isika alohan’ny hitenenana sy hanaovan-javatra, satria misy vokany amin’i Jehovah izany.

Ahoana no tokony hifandraisantsika amin’ny olona tsy mitovy amintsika?

Ny hevitry ny Baiboly: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Lesona: Tia ny olona avy amin’ny fiaviana rehetra Andriamanitra. Tsy tokony hanavakavaka olona àry isika satria hoe hafa ny volon-kodiny na ny endriny.

Ny hevitry ny Baiboly: “Aoka ho vonona foana ianareo hilaza ny fiarovan-tenanareo eo anatrehan’izay manontany ny anton’ny fanantenana ao anatinareo. Ataovy amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina anefa izany.”—1 Petera 3:15.

Lesona: Tokony ho tsara fanahy isika rehefa miresaka momba ny fivavahana, sady tokony ho hita fa tena atokisantsika ny zavatra lazaintsika. Tokony hanaja an’izay tsy mitovy zavatra inoana amintsika koa isika.

Ahoana no tokony hifandraisantsika amin’ny mpianakavintsika?

Ny hevitry ny Baiboly: “Ianareo zanaka, ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny ray aman-dreninareo, fa ankasitrahana eo anatrehan’ny Tompo izany.”—Kolosianina 3:20.

Lesona: Tia ny ray aman-dreniny sady te hampifaly an’Andriamanitra ny ankizy mankatò.

Ny hevitry ny Baiboly: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa.”—Kolosianina 3:13.

Lesona: Mety handiso fanantenana antsika indraindray ny hafa, anisan’izany ny mpianakavintsika. Tsy maintsy mamela azy ireny anefa isika raha tiantsika hamela antsika Andriamanitra.—Matio 6:14, 15.

Nahoana isika no tokony hilaza ny marina sy ho tsara fanahy?

Ny hevitry ny Baiboly: ‘Ario ny lainga, dia milazà ny marina amin’ny namanareo avy ianareo tsirairay.’—Efesianina 4:25.

Lesona: Manahaka an’Andriamanitra isika sady mampifaly azy rehefa milaza ny marina. Raha zatra mandainga kosa isika, dia hitovy amin’ny Devoly, ilay fahavalon’Andriamanitra sady “rain’ny lainga.”—Jaona 8:44; Titosy 1:2.

Ny hevitry ny Baiboly: ‘Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa.’—Matio 7:12.

Lesona: Tokony ho zava-dehibe amintsika ny fihetseham-po sy ny fomba fihevitra ary ny zavatra ilain’ny mpianakavintsika sy ny olon-kafa. Ho tsara fanahy amintsika izy ireo raha ‘miara-ory’ aminy isika.—1 Petera 3:8; Lioka 6:38.

Hitantsika araka izany fa ho lasa olon-dehibe manaja sy mangoraka ny ankizy raha ampianarina Baiboly. Iza anefa no tokony hampianatra azy ireo?