Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hianatra Momba An’Andriamanitra ve ny Ankizy?

Tokony Hianatra Momba An’Andriamanitra ve ny Ankizy?

Tokony Hianatra Momba An’Andriamanitra ve ny Ankizy?

‘Mahatonga antsika hifankahala fa tsy hifankatia ny fivavahana.’ —JONATHAN SWIFT, MPANORATRA ANGLISY.

TAMIN’NY taonjato faha-18 i Swift no nilaza an’izany, nefa olona maro ankehitriny no miombon-kevitra aminy. Misy mieritreritra fa tsy tokony hampianatra ny zanany momba an’Andriamanitra ny ray aman-dreny. Voa mafy, hono, ny ankizy notezaina teo anivon’ny fianakaviana mpivavaka.

Ary ahoana ny hevitrao? Iza amin’ireto fomba fihevitra ireto no tsara indrindra?

● Tsy tokony havela hampianatra ny zanany momba an’Andriamanitra ny ray aman-dreny.

● Tokony hiandry ny zanany ho lehibebe ny ray aman-dreny vao hiresaka fivavahana aminy.

● Tokony hampianarin’ny ray aman-dreny izay inoan’izy ireo momba an’Andriamanitra ny zanany mbola kely. Rehefa lehibe anefa izy, dia tokony hampirisihiny hoe izy mihitsy no handinika tsara momba izany.

● Tsy maintsy mino izay inoan’ny ray aman-dreniny momba an’Andriamanitra ny ankizy, na marina izany na diso.

Manimba ny ankizy ve ny fivavahana?

Tsy misy mihitsy ray aman-dreny be fitiavana haniry loza ho an-janany. Marina ve anefa ny tenin’ireo milaza hoe tsy tokony hianatra momba an’Andriamanitra ny ankizy? Efa am-polony taona maro izao ny mpikaroka no nandinika tsara ny vokatry ny zavatra inoan’ny ray aman-dreny eo amin’ny zanany.

Hitan’izy ireo fa tsy manimba ny ankizy akory ny fivavahana. Mety hisy vokany tsara aminy kosa aza izy io rehefa mihalehibe izy. Hoy ny tatitra iray tao amin’ny gazety Fikarohana Momba ny Fiaraha-monina (anglisy), * tamin’ny 2008: “Hita fa nanatsara ny fifandraisan’ny ankizy tamin’ny dadany sy ny mamany ny fivavahana. ... Toa zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny ankizy maro ny fivavahana sy ny fifandraisana amin’Andriamanitra sady tena ilaina mba hampifandray tsara ny fianakaviana.” Tena mifanaraka amin’ity tenin’i Jesosy Kristy ity mihitsy izany: “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.

Ary ahoana indray ilay hoe rehefa lehibe ny ankizy vao tokony hampianarina? Tsy fantatry ny olona mino an’izany fa toy ny siô tsy misy na inona na inona miandry hofenoina ny sain’ny ankizy. Ny ray aman-dreny no mifidy na izy no hameno azy io na olon-kafa. Hampianariny ny toro lalana momba ny fitondran-tena sy ny zavatra inoany ve ny zanany sa ny olon-kafa no avelany hameno ny sainy amin’ny hevi-dratsy isan-karazany?

Inona no hanampy ny ray aman-dreny?

Asehon’ny tantara fa mety hahatonga ny olona hanavakavaka sy hankahala ny hafa ny fivavahana. Inona àry no azon’ny ray aman-dreny atao mba tsy ho tanteraka ny tenin’i Jonathan Swift? Inona no hanampy azy ireo hampianatra ny zanany ho tia ny hafa?

Hanampy azy ireo ny valin’ireto: 1) Inona no tokony ho fantatry ny ankizy? 2) Iza no tokony hampianatra azy ireo? 3) Inona no fomba fampianatra mandaitra indrindra?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Ankizy 21 000 mahery sy ny ray aman-drenin’izy ireo ary ny mpampianatra azy ireo, any Etazonia, no nohadihadina.