Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manatòna An’Andriamanitra

Ao Anaty “Boky Fahatsiarovana” ve ny Anaranao?

Ao Anaty “Boky Fahatsiarovana” ve ny Anaranao?

HITAN’I Jehovah ve ny mpanompony rehefa miezaka mampifaly azy? Eny! Tsy ny zavatra tsara ataon’izy ireo sy ny teny mahafinaritra lazainy ihany anefa no hitany. Fantany koa na dia ny zavatra tsara eritreretin’izy ireo momba azy aza. Tsy ho hadinon’i Jehovah mihitsy ny vahoakany sy ny zavatra ataon’izy ireo. Manaporofo izany ny tenin’i Malakia mpaminany.—Vakio ny Malakia 3:16.

Tamin’ny taonjato fahadimy Talohan’i Kristy (T.K.) i Malakia no naminany. Ratsy fitondran-tena sy tsy nankatò ny lalàn’i Jehovah ny mponina tany Israely tamin’izany. Nanao an-tsirambina ny andraikiny ny mpisorona, ary nanala baraka an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona. Nilalao ody, ohatra, izy ireo, nanitsakitsa-bady, ary nanambaka olona. (Malakia 2:8; 3:5) Nisy Israelita vitsivitsy nanao ny tsara ihany anefa tamin’izany. Inona no nataon’izy ireo?

Hoy i Malakia: “Nifampiresaka tamin’ny namany avy ireo matahotra an’i Jehovah.” Toetra tsara ny hoe matahotra an’Andriamanitra. Ny Israelita tena nankatò an’Andriamanitra sy natahotra ny hampalahelo azy no tian’i Malakia horesahina. Nilaza izy fa “nifampiresaka tamin’ny namany avy” izy ireo. Niara-niresaka zavatra tsara momba an’i Jehovah izy ireo ary nifampahery. Mety ho lasa ratsy fitondran-tena koa mantsy izy ireo na ho kivy raha tsy nanao izany.

Nisy zavatra niavaka be koa nataon’ny Israelita mba hampisehoany ny fankatoavany an’i Jehovah. ‘Nisaintsaina ny anarany’ izy ireo. “Manaja ny anarany” no ilazan’ny Baiboly sasany an’izany. Nanome voninahitra an’i Jehovah izy ireo na tamin’izay noeritreretiny aza. Nieritreritra an’i Jehovah sy ny anarany masina izy ireo. Fantatr’i Jehovah ve izany?

Hoy i Malakia: “Nihaino tsara i Jehovah ka nandre izany.” Nanongilan-tsofina avy tany an-danitra i Jehovah rehefa nifampahery ny mpanompony, ka henony daholo izay teny mahafinaritra nolazain’izy ireo. Nahafantatra izay rehetra noeritreretin’izy ireo koa izy. (Salamo 94:11) Tsy izay ihany anefa!

Nilaza i Malakia fa “nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany.” Voasoratra ao ny anaran’izay mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. Tsy ho hadinon’i Jehovah mihitsy izy ireo matoa nantsoina hoe “boky fahatsiarovana” io boky io. * Tsy ho hadinony koa izay zavatra tsara nataon’izy ireo na nolazainy na noeritreretiny. Misy zavatra tian’Andriamanitra hatao anefa matoa izy mahatsiaro azy ireo. Mampanantena izy fa homeny fiainana mandrakizay izay voasoratra ao amin’ny boky fahatsiarovany. *Salamo 37:29.

Tena ankasitrahan’i Jehovah izay rehetra ataonao mba hanompoana azy araka izay tiany. Mampahery tokoa izany! Tokony handrisika anao hisaintsaina ny fifandraisanao amin’i Jehovah ny Malakia 3:16. Tokony hieritreritra ianao hoe: ‘Ao anaty “boky fahatsiarovana” ve ny anarako?’ Ho ao ny anaranao raha miezaka mafy ianao mba ho zavatra tsara foana no ataonao sy lazainao ary eritreretinao, ka ho tsaroan’i Jehovah ianao.

Famakiana Baiboly Amin’ny Desambra:

Nahoma 1-3Malakia 1-4

^ feh. 8 Ny teny hebreo nadika hoe ‘mahatsiaro’, dia tsy midika fotsiny hoe mahatadidy. Mety hidika koa izy io hoe manao zavatra ho an’ilay olona na zavatra tadidy.

^ feh. 8 Manazava momba ny fiainana mandrakizay ampanantenain’Andriamanitra ny toko 3 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.