Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Diso fiteny ve i Jesosy rehefa nilaza fa mety hatsatso ny sira?

Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy, tamin’izy nitory teo an-tendrombohitra: “Ianareo no siran’ny tany. Raha tonga matsatso anefa ny sira, ahoana no hamerenana ny tsirony? Tsy azo ampiasaina na amin’inona na amin’inona intsony izy, fa hatsipy any ivelany hohitsakitsahin’ny olona.” (Matio 5:13) Miaro ny sakafo tsy ho simba ny sira. Te hilaza àry i Jesosy fa afaka miaro ny olona tsy ho ratsy fitondran-tena sy hifandray tsara amin’Andriamanitra foana ny mpianany, sady tokony hanao izany.

Sira eny amin’ny Ranomasina Maty

Hoy ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (anglisy), momba an’io fanoharan’i Jesosy io: “Nifangaro tamin’ny zavatra hafa matetika ny sira teny amin’ny Ranomasina Maty. Mety ho levona ilay sira noho izany, ka zavatra tsy misy tsirony sisa no tavela.” Marina àry ny tenin’i Jesosy hoe “tsy azo ampiasaina na amin’inona na amin’inona intsony” izay sisa tavela amin’ilay sira, fa “hatsipy any ivelany.” Hoy ihany ilay rakipahalalana: “Marina fa maloto ny sira avy ao amin’ny Ranomasina Maty ka tsy tsara noho ny sira any amin’ny ranomasina hafa. Mora alaina (mora tsimponina eny amoron-dranomasina) anefa izy io, ka io no sira fampiasan’ny olona any Palestina.”

Hoatran’ny ahoana izany hoe very vola drakma iray izany tamin’ny andron’i Jesosy?

Vola Drakma iray

Niresaka momba ny vehivavy iray nanana vola madinika drakma folo i Jesosy, tamin’ny fanoharana iray. Very ny drakma iray ka nandrehitra jiro sy namafa ny tranony ilay vehivavy, mandra-pahitany an’ilay izy. (Lioka 15:8-10) Efa ho karama iray andro ny drakma iray tamin’izany, ka tena vola be ilay vola very. Misy antony hafa koa anefa nahatonga ny drakma ho sarobidy, raha jerena ny zavatra niainan’ny olona tamin’izany.

Misy boky milaza fa nataon’ny vehivavy firavaka matetika ny vola madinika. Mety ho tamin’ny firavaka nifandimbiasan’ny fianakaviana hatramin’izay àry ilay vola noresahin’i Jesosy, na tamin’ny firavaka azo tamin’ny fanambadiana. Na inona anefa ilay izy na inona, dia ara-dalàna raha kivy be ilay vehivavy rehefa very ilay izy.

Natao tsy azon’ny hazavana sy hafanana koa ny tranon’ny ankamaroan’ny olona tamin’ny andron’i Jesosy. Zara raha nasiana varavarankely ny trano na tsy nasiana mihitsy. Mololo na tahon-javamaniry maina isan-karazany koa matetika ny gorodona. Raha nisy vola madinika sendra latsaka àry, dia ho sarotra ny hitady azy. Hoy ny mpanazava Baiboly iray: “Raha nisy zavatra kely latsaka, ohatra hoe vola madinika, dia ny nandrehitra jiro sy namafa trano no fomba mety indrindra nitadiavana an’ilay izy.”