Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahatsiaro An’i Jesosy Kristy

Mahatsiaro An’i Jesosy Kristy

“Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.”—LIOKA 22:19.

Nahoana ny olona no manao Krismasy?

Misy milaza fa i Jesosy no mahatonga azy hanao Krismasy. Mahatsiaro ny andro nahaterahany, hono, izy amin’izany.

Inona no olana?

Tsy dia misy ifandraisany amin’i Jesosy Kristy ny hira sy ny fombafomba fanao rehefa Krismasy. Olona an-tapitrisany amin’ireo mankalaza Krismasy koa no tsy mino an’i Jesosy. Misy aza tsy mino akory hoe nisy izy. Natao hanaovana dokam-barotra ny Krismasy ho an’ny maro, fa tsy natao hahatsiarovana an’i Jesosy.

Inona no toro lalan’ny Baiboly?

‘Tonga mba hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro ny Zanak’olona.’ (Marka 10:45) Ny alina talohan’ny nahafatesany, fa tsy tamin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahany, i Jesosy no nandidy hoe: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” Nanao fankalazana tsotsotra izy tamin’izay mba hampisehoana ny fomba hahatsiarovana ny nahafatesany. Ny nahafatesany àry fa tsy ny nahaterahany no nasainy notsarovan’ny mpianany. Ny sorona nataony mantsy no ahafahan’ny olona mankatò hahazo fiainana mandrakizay. Hoy ny Romanina 6:23: “Fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.” Mahatsiaro an’i Jesosy Kristy àry ny mpanara-dia azy isan-taona, rehefa mitsingerina ny andro nahafatesany. “Mpamonjy an’izao tontolo izao” anefa no hahatsiarovan’izy ireo azy, fa tsy zazakely tsy mahavita na inona na inona.—Jaona 4:42.

Na i Kristy aza nijaly ho anareo, ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany.” (1 Petera 2:21) Lavorary sy nahira-tsaina i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany. Tokony handinika ny modely nomeny ianao raha te hanome voninahitra sy hahatsiaro azy. Nahay nangoraka sy nanam-paharetana ary sahy nanao ny tsara izy. Saintsaino ny fomba nampisehoany an’ireo toetra ireo, ary mitadiava fomba hanahafana azy.

“Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny, ary Izy hanjaka mandrakizay mandrakizay.” (Apokalypsy 11:15) Eritrereto izay ataon’i Jesosy Kristy amin’izao rehefa mahatsiaro azy ianao. Efa Mpanjaka any an-danitra izy izao. Hoy ny Baiboly momba azy: “Araka ny rariny no hitsarany ny mahantra, ary araka ny hitsiny no hananarany ny olona ho tombontsoan’ny mpandefitra eto an-tany.” (Isaia 11:4) Tsy maintsy hoe Mpitondra mahery vao hahavita izany, fa tsy zazakely vao teraka.