Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Misy Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Krismasy

Misy Zavatra Tsara Kokoa Noho ny Krismasy

KRISTIANINA an-tapitrisany no tsy mankalaza Krismasy. Mahatsiaro ho matiantoka ve anefa izy ireo? Mahatsiaro ho voa mafy ve ny zanak’izy ireo? Andeha isika handinika izay lazain’ny Vavolombelon’i Jehovah avy any an-tany samy hafa.

Eve

Mahatsiaro an’i Jesosy Kristy: “Rehefa Krismasy na Paka ihany aho vao nandeha niangona, tamin’ny mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah. Na niangona aza anefa aho, dia tsy nahatsiaro an’i Jesosy Kristy akory. Tsy manao Krismasy intsony aho izao, fa mivory any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah indroa isan-kerinandro. Mampianatra momba an’i Jesosy mihitsy aza aho.”—EVE, AOSTRALIA.

Reuben

Manolotra fanomezana: “Faly be aho rehefa omen’olona fanomezana amin’ilay fotoana tsy ampoiziko iny. Tia zavatra tampotampoka mantsy aho! Tiako koa ny manao karta sy sary hoso-doko ho an’olona. Faly erỳ ry zareo amin’izay, moa izaho koa mba faly.”—REUBEN, IRLANDY AVARATRA.

Emily

Manampy ny sahirana: “Tianay ny mahandro sakafo ho an’ny marary. Hitondranay voninkazo na mofomamy na fanomezana kely koa izy ireo indraindray, amin’izay mba falifaly. Aleonay izany satria afaka mitsidika azy ireo foana izahay na rahoviana na rahoviana.”—EMILY, AOSTRALIA.

Wendy

Miaraka amin’ny fianakaviana: “Milamina tsara ny fotoana hihaonanay amin’ny havanay. Lasa fantatry ny zanakay tsara ny dadatoany sy ny nenitoany sy ny zanak’izy ireo ary ny dadabeny sy bebeny. Tsy mahatsiaro ho voateritery izahay satria tsy misy daty voafaritra tsy maintsy hiarahanay. Fantatry ny havanay koa fa tianay izy ireo matoa izahay mitsidika azy.”—WENDY, NOSY CAÏMANS.

Sandra

Miadana: “Toa be loatra ny zavatra atao rehefa Krismasy ka zara raha misy mieritreritra ny hisian’ny fiadanana. Mahatsiaro ho maivamaivana anefa aho izao satria mahalala izay ampanantenain’ny Baiboly. Fantatro izao fa ho sambatra ny zanako amin’ny hoavy.”—SANDRA, ESPAINA.