Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Mpamaky

Nahoana ny Olona Sasany no Tsy Manao Krismasy?

Nahoana ny Olona Sasany no Tsy Manao Krismasy?

Efa ho 2 000 tapitrisa, eran-tany, ny olona mankalaza ny nahaterahan’i Jesosy Kristy ny 25 Desambra, ary 200 tapitrisa fara fahakeliny no manao izany ny 7 Janoary. An-tapitrisany koa anefa no tsy mankalaza izany mihitsy. Nahoana?

Tsy mpivavaka ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina angamba ny sasany fa Hindoa na Shintoista, na anisan’ny Fivavahana Jiosy. Angano fotsiny kosa ny Krismasy amin’ny olon-kafa, ohatra hoe ny olona tsy mino an’Andriamanitra.

Mahagaga anefa fa be dia be ny olona mino an’i Jesosy nefa tsy mety manao Krismasy. Nahoana? Ireto misy antony efatra:

Voalohany, tsy mino izy ireo hoe teraka tamin’ny Desambra na Janoary i Jesosy. Tsy milaza ny daty nahaterahany mantsy ny Baiboly fa milaza fotsiny hoe: ‘Nisy mpiandry ondry tany amin’io faritra io. Nitoetra tany an-tsaha izy ireo tamin’ny alina, niambina ny andian’ondriny. Tampoka teo, dia nisy anjelin’i Jehovah nitsangana teo anilan’izy ireo. Hoy ilay anjely: “Mpamonjy no teraka ho anareo androany, dia i Kristy Tompo.”’—Lioka 2:8-11.

Tamin’ny voalohandohan’ny Oktobra i Jesosy no teraka, raha jerena ny porofo. Mbola afaka natory tany an-tsaha tamin’ny alina mantsy ny mpiandry ondry sy ny ondriny tamin’izay. Faran’izay mangatsiaka kosa any Betlehema rehefa Desambra sy Janoary. Tsy maintsy nampidirina tao amin’ny tranony àry ny ondry mba tsy ho fatin’ny hatsiaka any ivelany amin’ny alina.

Faharoa, ny nahafatesany ihany no nasain’i Jesosy notsarovan’ny mpanara-dia azy fa tsy ny nahaterahany. (Lioka 22:19, 20) Mariho koa fa tsy miresaka ny nahaterahan’i Jesosy mihitsy ny Filazantsaran’i Marka sy Jaona.

Ny nahafatesany ihany no nasain’i Jesosy notsarovan’ny mpanara-dia azy fa tsy ny nahaterahany

Fahatelo, tsy misy porofo hoe nankalaza ny nahaterahan’i Kristy ny Kristianina fahiny. Ny nahafatesany kosa no notsarovan’izy ireo. (1 Korintianina 11:23-26) Efa 300 taona mahery taorian’ny nahaterahan’i Jesosy vao nankalaza Krismasy ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina isaky ny 25 Desambra. Namoaka didy nandrara ny fankalazana Krismasy koa ny antenimieram-pirenena tany Angletera, tamin’ny taona 1600 tany ho any. Nanao toy izany koa ny antenimiera tany Massachusetts any Etazonia. Nahoana? Hoy ny boky hoe Ady Hanafoanana ny Krismasy (anglisy): “Tsy misy antony ara-baiboly na ara-tantara hilazana fa tamin’ny 25 Desambra i Jesosy no teraka.” “Fetin’ny mpanompo sampy namboamboarina mba ho lasa fety kristianina” koa ny Krismasy, araka ny hevitr’ireo mpivavaka nafana fo avy tany Angletera.

Fahefatra, ratsy ny niandohan’ny Krismasy. Avy amin’ny fetin’ny mpanompo sampy tany Roma izy io, dia ny fety fankalazana an’i Satiorna, andriamanitry ny fambolena sy fiompiana, sy Mithra na Sol Invictus, andriamanitra masoandro. Izao no nosoratan’i Christian Rätsch sy Claudia Müller-Ebeling, manam-pahaizana, tao amin’ny bokiny hoe Krismasin’ny Mpanompo Sampy (alemà): “Toy ny ankamaroan’ny fombafomba sy foto-pinoana talohan’ny nisian’ny Kristianina, dia novana ho fankalazana ny nahaterahan’i Kristy ilay fety taloha nankalazana ny fiverenan’ny masoandro isan-taona.”

Azonao amin’izay àry ve hoe nahoana ny tena Kristianina no tsy manao Krismasy?