Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’​ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’​ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Ahoana no nampisy ny Devoly?

Tsy namorona Devoly Andriamanitra. Anjely tsara kosa no noforoniny, fa nivadika ho Devoly na Satana izy io tatỳ aoriana. Hita tamin’ny tenin’i Jesosy fa nanao ny marina sy tsy nisy tsiny ny Devoly taloha. Anjely tsara anisan’ny zanak’Andriamanitra àry ny Devoly tamin’ny voalohany.—Vakio ny Jaona 8:44.

Nahoana ny anjely tsara iray no lasa Devoly?

Nifidy ny hanohitra an’Andriamanitra ilay anjely lasa Devoly, ary notaominy hanaraka azy ny olombelona roa voalohany. Izy ihany àry no nahatonga azy ho lasa Satana na “Mpanohitra.”—Vakio ny Genesisy 3:1-5; Apokalypsy 12:9.

Afaka nifidy ny hanao ny tsara na hanao ny ratsy io anjely lasa Devoly io, toy ny zavaboary manan-tsaina hafa rehetra ihany. Lasa naniry ny hivavahana anefa izy. Aleony kokoa mahazo voninahitra toy izay hampifaly an’Andriamanitra.—Vakio ny Matio 4:8, 9; Jakoba 1:13, 14.