Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MANATÒNA AN’ANDRIAMANITRA

‘Andriamanitry ny Velona i Jehovah’​

‘Andriamanitry ny Velona i Jehovah’​

Iza no mahery? Andriamanitra sa ny fahafatesana? Mazava ho azy fa Andriamanitra. Izy mantsy no “Andriamanitra Mahery Indrindra”, ka tsy misy “fahavalo” maharesy azy. (Eksodosy 6:3; 1 Korintianina 15:26) Vitany ny manafoana ny fahafatesana sy manangana ny maty. Mampanantena ny hanao izany izy ao amin’ny tontolo vaovao. * Tsy maintsy ho tanteraka izany, satria i Jesosy Zanak’Andriamanitra mihitsy no manome antoka antsika ny amin’izany.—Vakio ny Matio 22:31, 32.

Niresaka tamin’ny Sadoseo i Jesosy, indray mandeha. Tsy nino ny fitsanganan’ny maty izy ireo, ka hoy izy: “Tsy novakinareo ve izay nolazain’Andriamanitra taminareo hoe: ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’? Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona.” Naverin’i Jesosy teo ny tenin’Andriamanitra tamin’i Mosesy teo amin’ilay voaroy nirehitra, tamin’ny 1514 Talohan’i Kristy (T.K.) tany ho any. (Eksodosy 3:1-6) Io tenin’i Jehovah io no nentin’i Jesosy nanaporofoana fa tsy maintsy ho tanteraka ilay fampanantenana hoe hitsangana ny maty. Nahoana isika no milaza izany?

Efa ela be mihitsy no maty i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, tamin’i Jehovah niresaka tamin’i Mosesy. I Abrahama efa maty 329 taona talohan’izay, Isaka 224 taona talohan’izay, ary Jakoba 197 taona talohan’izay. Tsy filazam-potoana lasa anefa fa ankehitriny no nampiasain’i Jehovah, tamin’izy nilaza an’ilay hoe “Izaho no Andriamanitry ny razanao.” Toy ny hoe mbola velona ireo olona efa maty ireo taminy. Nahoana?

Nanazava i Jesosy fa “tsy mba Andriamanitry ny maty” i Jehovah, fa “an’ny velona.” Midika izany fa raha tsy hatsangana ny maty, dia ho faty mandrakizay i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ary ho Andriamanitry ny maty i Jehovah. Raha izany anefa, dia ny fahafatesana indray no mahery noho i Jehovah. Hoatran’ny hoe tsy ampy hery izy ka tsy mahavita manafaka ny mpanompony amin’ny fahafatesana.

Hoy i Jesosy momba an’i Abrahama, Isaka, Jakoba, ary ny mpanompon’i Jehovah rehetra efa maty: ‘Amin’Andriamanitra, dia velona daholo izy rehetra ireo.’ (Lioka 20:38) Tsy maintsy ho tanteraka àry ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hatsangany ny mpanompony efa maty, matoa izy mihevitra azy ireo ho toy ny mbola velona. (Romanina 4:16, 17) Tsy hohadinoin’i Jehovah mihitsy izy ireny mandra-pahatongan’ny fotoana hananganany azy.

Faran’izay mahery i Jehovah ka tsy sarotra aminy ny hanangana ny maty

Azo antoka fa tianao ny hihaona indray amin’ny havanao sy namanao efa maty. Raha izany, dia tadidio fa faran’izay mahery i Jehovah ka tsy sarotra aminy ny hanangana ny maty. Tsy misy afaka manakana azy tsy hanatanteraka an’izany. Nahoana àry raha miezaka mahafantatra bebe kokoa momba ny fananganana ny maty sy ilay Andriamanitra hanao azy io? Hifandray kokoa amin’i Jehovah, ilay ‘Andriamanitry ny velona’, ianao amin’izay.

Famakiana Baiboly Amin’ny Febroary

Matio 22-28Marka 1-8

^ feh. 3 Manazava bebe kokoa momba ny fitsanganan’ny maty ao amin’ny tontolo vaovao ny toko 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.