Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: AHOANA NO ANAHAFANTSIKA AN’I MOSESY?

Iza moa i Mosesy?

Iza moa i Mosesy?

Iza amin’ireto no ahalalanao an’i Mosesy?

  • Ilay zazakely nafenin’ny reniny tao anaty harona, tany amin’ny Reniranon’i Neily
  • Ilay ankizilahikely notezain’ny zanakavavin’i Farao tany Ejipta, nefa tsy nanadino hoe Israelita izy na dia niadana be aza
  • Ilay mpiandry ondry tany Midianina, nandritra ny 40 taona
  • Ilay lehilahy niresaka tamin’i Jehovah * teo akaikin’ilay voaroy nirehitra
  • Ilay lehilahy sahy niresaka nivantana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta, mba hanafaka ny Israelita tsy ho andevo
  • Ilay lehilahy nasain’Andriamanitra nanambara ny Loza Folo hanjo an’i Ejipta, rehefa tsy niraharaha an’Andriamanitra ny mpanjaka tao
  • Ilay lehilahy nitarika ny Israelita niala tany Ejipta
  • Ilay lehilahy nampiasaina hanasaraka ny Ranomasina Mena
  • Ilay lehilahy nanome ny Didy Folo avy amin’Andriamanitra ho an’ny Israelita

MAMPIAVAKA an’i Mosesy daholo ireo, ary mbola misy zavatra hafa koa aza. Tsy mahagaga raha tena manaja an’i Mosesy daholo, na ny Kristianina na ny Jiosy na ny Silamo.

Azo antoka fa nahavita zavatra maro mahatalanjona i Mosesy mpaminany. (Deoteronomia 34:10-12) Nanaiky izy rehefa nasain’Andriamanitra hanao fahagagana. Olombelona hoatr’antsika ihany anefa izy. “Nanana fihetseham-po toa antsika” izy, sahala amin’ny mpaminany hafa. (Jakoba 5:17) Mitovy amin’ny olana mahazo antsika ihany ny olana nahazo an’i Mosesy. Vitany tsara foana anefa ny niatrika azy ireny.

Tianao ho fantatra ve izay nataony? Inona no toetra nanampy azy? Handinika telo amin’izany isika ary hijery ny fomba azo anahafana azy.

^ feh. 7 Jehovah no anaran’Andriamanitra araka ny Baiboly.