Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Nahoana isika no tokony hahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy?

Hanao ahoana ny fiainantsika noho i Jesosy maty ho antsika?—Isaia 25:8; 33:24

Ny nahafatesan’i Jesosy no zava-nitranga niavaka indrindra teo amin’ny tantara. Maty izy mba hamerenana ny fiainan’ny olombelona amin’ny laoniny. Tsy natao ho mora manao ratsy na harary na ho faty ny olona rehefa noforonina. (Genesisy 1:31) Lasa mpanota anefa ny olona noho ny nataon’i Adama, ilay lehilahy voalohany. Nanao sorona ny ainy i Jesosy mba hanavotana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana.—Vakio ny Matio 20:28; Romanina 6:23.

Tena tia antsika Andriamanitra ka nandefa ny Zanany ho etỳ an-tany mba ho faty ho antsika. (1 Jaona 4:9, 10) Nasain’i Jesosy hanao fankalazana tsotra hahatsiarovana ny nahafatesany ny mpanara-dia azy, ka mofo sy divay no hampiasaina. Hankalaza azy io isan-taona isika raha mankasitraka ny fitiavan’Andriamanitra sy Jesosy antsika.—Vakio ny Lioka 22:19, 20.

Iza no tokony hihinana sy hisotro amin’ilay mofo sy divay?

Niresaka momba ny fifanekena iray i Jesosy tamin’izy nandidy ny mpianany mba hahatsiaro ny nahafatesany. (Matio 26:26-28) Afaka ny ho lasa mpanjaka sy mpisorona any an-danitra izy ireo sy ny olon-kafa vitsivitsy noho io fifanekena io. Ireo olona ireo ihany no mihinana sy misotro amin’ilay mofo sy divay, na dia an-tapitrisany aza no mankalaza ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy.—Vakio ny Apokalypsy 5:10.

Efa ho 2 000 taona izao i Jehovah no nifidy an’izay ho lasa mpanjaka any an-danitra. (Lioka 12:32) Vitsy izy ireo raha oharina amin’ny olona hiaina mandrakizay eto an-tany.—Vakio ny Apokalypsy 7:4, 9, 17.