‘Handrava ny asan’ny Devoly ny Zanak’Andriamanitra.’—1 Jaona 3:8.
INONA NO VOKATR’IZANY EO AMINAO?
Mazava aminao ny antony isian’ny olana eran-tany.—Apokalypsy 12:12.
Matoky ianao hoe hihatsara ny fiainana.—1 Jaona 2:17.
TENA AZO INOANA VE IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?
Eny! Ireto misy antony telo:
Tsy maintsy ho rava ny fitondran’i Satana. Nanapa-kevitra i Jehovah hoe tsy havelany hitondra ny olombelona intsony i Satana. Mampanantena izy fa ‘hanafoana ny Devoly’, ary hanala tanteraka ny zava-dratsy rehetra nataon’i Satana.—Hebreo 2:14.
Nifidy an’i Jesosy Kristy mba hitondra ny tany Andriamanitra. Tsy mifaditrovana ilay mpitondra ny tany ankehitriny sady tia tena. Tsy toy izany mihitsy anefa i Jesosy. Hoy Andriamanitra momba ny fitondran’i Jesosy: “Hangoraka ny olona ambany sy ny mahantra izy. ... Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”—Salamo 72:13, 14.