HIRA 120

Miezaha Halemy Fanahy toa An’i Kristy

Miezaha Halemy Fanahy toa An’i Kristy

(Matio 11:28-30)

  1. 1. Kristy Tompontsika tsy nirehareha

    Na dia nanana anjara asa lehibe;

    Na niavaka indrindra ary be fahendrena,

    Dia tia nankatò sady nanetry tena.

  2. 2. Ary ianao ve kivy, mba te hitaraina?

    Eo izy hanamaivana izay adin-tsaina!

    Mangoraka sady malemy fanahy,

    Tena hanampy anao izy f’aza manahy.

  3. 3. ‘Mpirahalahy daholo ianareo’, hoy ny Tompo,

    Tsy misy hoe ambony fa samy mpanompo.

    Jehovah mitsinjo ireo olona ambany,

    ’Zay mandefitra no handova ny tany.