Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko fa Lasa Zatra Mikasikasika Filahiana Aho?

Inona no Hataoko fa Lasa Zatra Mikasikasika Filahiana Aho?

Toko 25

Inona no Hataoko fa Lasa Zatra Mikasikasika Filahiana Aho?

“Valo taona aho dia efa nikasikasika ny filahiako. Fantatro tatỳ aoriana hoe tsy tian’Andriamanitra ilay izy. Nanenina be aho isaky ny tsy nahafehy tena. Nieritreritra aho hoe: ‘Izaho ve dia mbola ho tiany?’ ”—Liva.

TENA te hanao firaisana ny olona rehefa tanora, ka misy lasa zatra mikasikasika ny filahiany. * Maro no miteny hoe tsy misy vokany ratsy ilay izy, ka tsy mampaninona. Diso anefa izany. Milaza ny apostoly Paoly fa tokony ‘hovonoina’ na hofehezina ny faniriana hanao firaisana raha tafahoatra. (Kolosianina 3:5) Tsy hahafehy an’io faniriana io anefa ny olona iray raha mikasikasika filahiana, fa vao mainka aza hampitombo an’ilay izy. Diniho koa ireto:

● Lasa tia tena ny olona zatra mikasikasika filahiana. Izay hahazoany fahafinaretana fotsiny mantsy no tadiaviny.

● Lasa mieritreritra izy hoe fitaovana hahazoana fahafinaretana fotsiny ny vehivavy.

● Rehefa manao firaisana amin’ny vadiny izy any aoriana any, dia samy tsy ho afa-po na izy na ny vadiny, satria efa lasa tia tena be izy.

Aza mikasikasika ny filahianao, na dia te hanao firaisana aza ianao. Miezaha kosa hifehy tena. (1 Tesalonianina 4:4, 5) Ahoana no hahavitanao izany? Manoro hevitra antsika ny Baiboly, mba tsy hanao zavatra mampisy fakam-panahy. (Ohabolana 5:8, 9) Ahoana anefa raha efa tena zatra mikasikasika ny filahianao ianao? Mety ho efa niezaka nifehy tena ianao fa tsy nahavita. Mieritreritra ianao hoe tsy hahavita hankatò ny fitsipik’Andriamanitra intsony. Izany no tsapan’i Hery. Hoy izy: “Nanenina be aho isaky ny tsy nahafehy tena. Nieritreritra aho hoe tsy hamela ny fahadisoako intsony Andriamanitra. Lasa menatra aho hivavaka.”

Aza kivy raha izany koa no tsapanao. Be dia be ny tanora sy olon-dehibe nahavita tsy nikasikasika intsony ny filahiany. Hahavita izany koa ianao!

‘Tena diso aho’

Matetika no miteny an’izany ny olona zatra mikasikasika filahiana. Tsara raha ‘malahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra’ izy, izany hoe tena malahelo, satria handrisika azy hiova izany. (2 Korintianina 7:11) Tsy mety anefa raha malahelo be loatra izy, satria mety ho kivy be, ka tsy te hiezaka intsony.—Ohabolana 24:10.

Aza miteny hoe: ‘Tsy misy antenaina intsony ny amiko.’ Marina fa ratsy ny mikasikasika filahiana, satria anisan’ilay antsoin’ny Baiboly hoe fahalotoana izany. Mety ho lasa ratsy toe-tsaina ny olona manao azy io, ary ‘handevozin’ny fanirian-dratsy sy ny fahafinaretana maro samihafa.’ (Titosy 3:3) Tsy fahotana lehibe hoatran’ny mijangajanga anefa izy io. (Joda 7) Aza mieritreritra àry hoe tsy ho voavela intsony ny fahadisoanao. Miezaha hifehy tena, ary aza manaiky ho resy mihitsy!

Marina fa kivy be ianao rehefa tsy mahafehy tena. Tadidio anefa amin’izay ny Ohabolana 24:16 hoe: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany, fa ny ratsy fanahy kosa ho solafaka noho ny loza manjo azy.” Tsy anisan’ireo “ratsy fanahy” voaresaka eo ianao, na dia resy aza indraindray. Aza kivy àry, fa jereo hoe inona no nahatonga an’ilay izy, ary miezaha tsy hamerina intsony.

Miezaha hisaintsaina hoe tia anao Andriamanitra sady mamindra fo. Hoy i Davida mpanao salamo, izay efa nanao fahadisoana koa: “Toy ny iantran’ny ray ny zanany no iantran’i Jehovah an’izay matahotra azy. Fa fantany tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.” (Salamo 103:13, 14) Fantatr’i Jehovah fa tsy lavorary isika, ka “vonona hamela heloka” izy. (Salamo 86:5) Tiany koa anefa raha miezaka miova isika. Inona àry no azonao atao?

Jereo sao mila ovana ny fialam-bolinao. Sao dia zavatra mampieritreri-dratsy, ohatra, no jerenao ao amin’ny tele na Internet? “Aza avela hifantoka amin-javatra tsy misy ilana azy” àry ny masonao, araka ny vavaka nataon’ny mpanao salamo. *Salamo 119:37.

Miezaha hieritreritra zavatra tsara. Hoy i William: ‘Mamakia boky ara-baiboly alohan’ny hatory, amin’izay zavatra tsara no ao an-tsainao. Tena manampy izany!’—Filipianina 4:8.

Resaho amin’ny olona atokisanao ilay izy. Mahamenatra izany nefa tena hanampy anao. Hoy i Dina: ‘Niresaka tamin’ny dadanay aho. Tsy hadinoko mihitsy ny teniny. Fantany hoe natahotra aho, dia nitsiky izy sady niteny hoe: “Tsara mihitsy hoe niresaka ialahy! Tena mety izany!” Izay mihitsy no nilaiko! Vao mainka aho te hiezaka taorian’izay!

‘Nisy andinin-teny maromaro koa novakiny tamiko, mba hahitako hoe tsy ankizy ratsy saina aho, nefa koa tsy hoe zavatra tsara ilay nataoko. Niteny tamiko izy avy eo hoe: “Aleo ho any izay efa vita any, fa miezaha mafy ato ho ato, dia avy eo isika miresaka indray. Raha sendra resy, dia aza kivy fa miezaha hifehy tena elaela kokoa amin’ny manaraka.” Soa ihany fa nisy olona nahafantatra an’ilay nahazo ahy sy nanoro hevitra ahy. Tena nilaiko izany!’ *

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Mety ve ny manao firaisana, nefa tsy mieritreritra ny hiaraka akory?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Natao ho an’ny vehivavy zatra mikasikasika ny fivaviany koa ity toko ity. Fantaro koa fa tsy fanahy inian’ny tanora indraindray ilay te hanao firaisana. Mitranga amin’ny ankizilahy, ohatra, izany ka misy tsirinaina mivoaka eo amin’ny filahiany amin’ny alina, na koa tafafoha tampoka izy rehefa matory. Misy koa ankizivavy te hanao firaisana, indrindra alohan’ny fadimbolany na aorian’izay. Tsy diso izy ireo, satria tsy fanahy iniany izany. Izay mikasikasika filahiana na fivaviana kosa tena manao fanahy iniana.

^ feh. 15 Jereo ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, Toko 33.

^ feh. 18 Jereo ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, pejy 239-241.

ANDININ-TENY MAHASOA

“Andosiro ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora, fa miezaha kosa hikatsaka ny fahamarinana, ny finoana, ny fitiavana, ny fihavanana, miaraka amin’ireo miantso ny Tompo amin’ny fo madio.”—2 Timoty 2:22.

SOSO-KEVITRA

Amin’ilay ianao mbola tsy miady mafy iny, dia efa mivavaha. Iangavio i Jehovah Andriamanitra hanome anao “hery fanampiny.”—2 Korintianina 4:7.

FANTATRAO VE... ?

Raha tena tapa-kevitra ny hifehy tena ianao, dia ho vitanao ny tsy hikasikasika ny filahianao na hanao firaisana, na dia tsy misy mahita aza. Mety tsy hahafehy tena kosa ianao, raha mbola tsy tena tapa-kevitra.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko mba tsy hieritreri-dratsy aho: ․․․․․

Izao no hataoko rehefa mitady hikasikasika ny filahiako aho: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana ianao no tena mila mitadidy hoe “vonona hamela heloka” i Jehovah?—Salamo 86:5.

● Inona no fantany fa ho vitanao matoa izy mampirisika anao hifehy tena, na dia nataony haniry hanao firaisana aza isika olombelona?

[Teny notsongaina, pejy 182]

‘‘Tsy mikasikasika ny fivaviako intsony aho izao, dia efa milamina ny saiko. Fantatro hoe tsy tezitra amiko intsony i Jehovah. Tsisy atakaloko an’izany mihitsy!’’—Sarah

[Sary, pejy 180]

Aza mieritreritra hoe tsy misy dikany ny ezaka efa nataonao, raha sendra tsy mahafehy tena ianao. Toy ny hoe nihazakazaka ianao ary nianjera. Tsy very maina ny ezaka efa vitanao fa tohizo