Iza no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra?
Nisy mpanoratra Baiboly maromaro nasain’Andriamanitra nanoratra tsipiriany momba an’ilay ho Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoatran’ny ahoana io Mpitondra io?
-
Nofidin’Andriamanitra. “Izaho efa nametraka ny mpanjakako. ... Ireo firenena ... homeko ho lovanao, ary ny vazan-tany efatra ... homeko ho fanananao.”—Salamo 2:6, 8.
-
Mpandova ny seza fiandrianan’i Davida Mpanjaka. “Misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no homena antsika ... Tsy hanam-pahataperana izany fahefana lehibe ananany izany ary tsy hisy farany koa ny fiadanana, eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany. Ho mafy orina izy io.”—Isaia 9:6, 7.
-
Teraka tao Betlehema. “Ary ianao, ry Betlehema ... avy ao aminao no hivoahan’izay hotendreko ho mpitondra ... ho tonga hatrany amin’ny faran’ny tany ny fahefany.”—Mika 5:2, 4.
-
Nolavin’ny olona sy novonoina ho faty. “Natao tsinontsinona izy, ary nohamavoinay. Notrobarana noho ny helokay ... izy, ary notorotoroina noho ny fahadisoanay.”—Isaia 53:3, 5.
-
Natsangana tamin’ny maty ary nomem-boninahitra. “Tsy ho foinao hijanona ao amin’ny Fasana aho. Tsy havelanao hahita ny lavaka ilay mpanomponao tsy mivadika. ... Fahafinaretana no eo ankavananao, mandrakizay.”—Salamo 16:10, 11.
I Jesosy Kristy no Mpanjaka Tsara Indrindra
Olona iray ihany hatramin’izay no nahafeno an’ireo fepetra ireo. Tsy iza izany fa i Jesosy Kristy. Izao mihitsy aza no nolazain’ny anjely iray tamin’i Maria renin’i Jesosy: “Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. ... Ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.”—Lioka 1:31-33.
Tsy lasa mpitondra teto an-tany mihitsy i Jesosy. Avy any an-danitra kosa io Mpanjaka io no hitondra ny olombelona. Nahoana izy no Mpitondra tsara indrindra? Diniho ny zavatra nataony tamin’izy tetỳ an-tany.
-
Matio 9:36; Marka 10:16) Nisy boka nitalaho taminy, ohatra, indray mandeha hoe: “Raha mba sitrakao fotsiny mantsy ny hanadio ahy, dia ho vitanao izany.” Nangoraka azy i Jesosy ka nanasitrana azy.—Marka 1:40-42.
Niahy ny olona i Jesosy. Nanampy ny karazan’olona rehetra izy, na lahy na vavy, na antitra na tanora, na nanan-karena na nahantra. ( -
Natorony antsika izay tokony hatao mba hampifaliana an’Andriamanitra. Hoy izy: “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” Nampirisika koa izy hoe: ‘Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy koa.’ Nampianatra koa izy fa tsy izay ataontsika ihany no hitan’Andriamanitra, fa fantany koa ny eritreritsika sy izay any am-pontsika any. Mila fehezintsika àry izay any am-pontsika lalina any, raha te hampifaly an’Andriamanitra isika. (Matio 5:28; 6:24; 7:12) Natorony koa hoe tena ho sambatra isika raha miezaka hahafantatra an’izay tian’Andriamanitra hataontsika, ary manao an’ilay izy.—Lioka 11:28.
-
Nampianariny ho tia ny hafa isika. Tena nanohina ny fon’ny olona ny zavatra nataon’i Jesosy sy nolazainy. Milaza ny Matio 7:28, 29 hoe: “Nitolagaga ny vahoaka noho ny fomba fampianany. Nampianatra azy toy ny manana fahefana mantsy izy.” Nampianatra azy ireo koa i Jesosy hoe: “Tiavo ... ny fahavalonareo.” Nivavaka ho an’ireo tompon’andraikitra tamin’ny famonoana azy mihitsy aza izy. Nilaza izy hoe: “Ray ô, mamelà azy ireo, fa tsy fantany izay ataony.”—Matio 5:44; Lioka 23:34.
I Jesosy àry no Mpitondra tsara indrindra ho an’ny olombelona. Tia manampy olona izy sady tsara fanahy. Rahoviana anefa izy no hanomboka hitondra?