Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TOKANTRANO

Mety Handrava ny Tokantranonao ny Fijerena Sary Vetaveta

Mety Handrava ny Tokantranonao ny Fijerena Sary Vetaveta

 Tratran’ny vadiny ny zavatra nafenin’ilay lehilahy, dia niala tsiny be izy. Nampanantena izy hoe tsy hanao intsony, nefa vetivety dia namerina indray. Dia hoatran’izany foana no nitranga rehefa tratra nijery sary vetaveta izy.

 Izany koa ve no ataonao? Raha izany, dia tsara raha dinihinao hoe inona no vokatr’ilay fahazaran-dratsinao amin’ny vadinao. Tsara koa raha dinihinao hoe ahoana no fomba hialanao amin’ilay izy ka tsy hamerenanao intsony. a

Ho hitantsika ato hoe:

 Inona no tsara ho fantatrao?

 Mety handrava tokantrano ny fijerena sary vetaveta. Mety hitana lolompo amin’ny vadiny ilay vady tsy manan-tsiny ary tsy hatoky azy intsony. b

 Izao no mety ho tsapan’ny vehivavy anankiray raha zatra mijery sary vetaveta ny vadiny:

  •   Mahatsiaro ho voafitaka. Izao no nolazain’i Sarah: “Hoatran’ny hoe nanitsakitsaka ahy imbetsaka ny vadiko.”

  •   Tsy matoky tena. Nilaza ny vehivavy iray hoe lasa “nahatsiaro ho afa-baraka sy tsy mahate ho tia” izy satria zatra nijery sary vetaveta ny vadiny.

  •   Lasa miahiahy. Izao no nolazain’i Helen: “Lasa mampiahiahy ahy daholo izay rehetra ataon’ny vadiko.”

  •   Miady saina. Niaiky hoatr’izao i Catherine: “Nampiady saina ahy ilay fahazaran-dratsin’ny vadiko. Tsy afaka tao an-tsaiko mihitsy ilay izy.”

 Eritrereto Izao: Milaza ny Baiboly hoe tokony ho tia ny vadiny ny lehilahy manambady. (Efesianina 5:25) Tena tia ny vadiny ve izy raha noho ny ataony no mahatonga ny vadiny hahatsapa an’ireo voalaza etsy ambony ireo?

 Inona no azonao atao?

 Tsy mora ny miala amin’ilay fahazarana mijery sary vetaveta. Hoy i Stacey: “Vitan’ny vadiko ny niala tamin’ny sigara sy rongony ary toaka. Mbola miady mafy anefa izy mba tsy hijery sary vetaveta.”

 Raha izany no manjo anao, dia mety hanampy anao mba hiala tanteraka amin’io fahazarana io ireto soso-kevitra ireto.

  •   Fantaro hoe nahoana no ratsy ny mijery sary vetaveta. Mila mifankatia sy mifampatoky ary tsy mora mivadika ny mpivady raha te ho sambatra. Mifanohitra amin’izany anefa no mitranga raha misy amin’izy ireo tia mijery sary vetaveta. Mahatonga ny olona ho tia tena mantsy ny fijerena sary vetaveta, satria tsy mieritreritra afa-tsy izay hahazoany fahafinaretana izy. Tsy manaja an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona ny fanambadiana, koa ny olona hoatr’izany.

     Torolalan’ny Baiboly: “Aoka ho mendri-kaja ... ny fanambadiana.”​—Hebreo 13:4.

  •   Aza manilika ny fahadisoanao. Aza miteny hoe: ‘Tsy ho nijery sary vetaveta mihitsy aho raha mampiseho fitiavana kokoa ny vadiko.’ Tsy rariny raha ny vadinao indray no homenao tsiny. Raha mandiso fanantenana anao mantsy izy, dia ho mora aminao erỳ ny hampiasa an’izay ho fialan-tsiny raha sendra miverina amin’ilay fahazaranao indray ianao.

     Torolalan’ny Baiboly: ‘Tsapaina ... ny tsirairay rehefa voasariky ny faniriany sy manaiky ho resin’izany.’​—Jakoba 1:14.

  •   Aza manafinafina fa mifampiresaha tsara amin’ny vadinao. Izao no nolazain’i Kevin: “Resahiko amin’ny vadiko foana na nahavita tsy nijery sary vetaveta aho na tsia. Tsy misy afeniko azy mihitsy izany isan’andro, amin’izay izy mahatsapa hoe tsy misy zavatra afenimpeniko azy.”

     Torolalan’ny Baiboly: “Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.”​—Hebreo 13:18.

  •   Aoka ianao ho mailo foana. Mety mbola hiverina mantsy ilay fahazaran-dratsy, na dia efa an-taonany maro aza ianao no efa afaka tamin’ilay izy. Izao no nolazain’i Kevin, ilay voaresaka tetsy aloha: “Nahavita tsy nijery sary vetaveta mihitsy aho nandritra ny folo taona, ary resy lahatra aho tamin’izay hoe tsy manana olana amin’izany intsony. Hoatran’ny bibidia namitsaka tao anaty miafina anefa ilay fahazaran-dratsiko, dia efa vonona hanafika ahy raha vao nisy hirika.”

     Torolalan’ny Baiboly: “Izay mihevi-tena ho efa mijoro dia aoka izy hitandrina sao ho lavo.”​—1 Korintianina 10:12.

  •   Rehefa te hijery sary vetaveta ianao, dia miandrasa aloha. Marina hoe mety tsy ho vitanao ny hanakana ny fanirian-dratsy tsy hipoitra. Azonao atao anefa ny mifidy ny tsy hanatanteraka an’ilay izy. Tsy maintsy misinda koa ilay faniriana avy eo, ary mety hisinda haingana ilay izy raha miezaka mieritreritra zavatra hafa ianao.

     Torolalan’ny Baiboly: “Tokony hahay hifehy tena ianareo tsirairay, mba ho masina sy mendrika foana ny vatanareo, fa tsy hanao hoatran’ny hafa firenena tsy mahalala an’Andriamanitra. Manaram-po amin’ny filan’ny nofo tsy voafehy mantsy izy ireny, sady tsy mety afa-po mihitsy.”​—1 Tesalonianina 4:4, 5.

  •   Halaviro izay rehetra mety hahatonga anao hiverina hijery sary vetaveta. Izao no lazain’ilay boky hoe Willpower’s Not Enough: “Raha vao alaim-panahy ianao dia efa hoatran’ny hoe nandrehitra afokasoka, ka lasantsy kely fotsiny avy eo ... dia efa hampirehitra an’ilay afo.”

     Torolalan’ny Baiboly: “Enga anie tsy hisy zava-dratsy hanandevo ahy!”​—Salamo 119:133.

  •   Aza mora kivy. Mety ho elaela ianao vao hahavita hanampy ny vadinao mba hatoky anao indray, ary mety ho afaka taona maromaro mihitsy. Matokia anefa fa ho vitanao izany, satria be dia be no efa nahavita.

     Torolalan’ny Baiboly: “Ny fitiavana manam-paharetana.”​—1 Korintianina 13:4.

a Na dia navantana amin’ny lehilahy manambady zatra mijery sary vetaveta aza ity lahatsoratra ity, dia natao ho an’ny vehivavy manambady manana an’izany olana izany koa ny toro lalana voaresaka ato.

b Misy mpivady miteny hoe manatsara ny fifandraisan’izy ireo ny fiarahana mijery sary vetaveta. Mifanohitra amin’ny torolalan’ny Baiboly anefa izany fanao izany.​—Ohabolana 5:15-20; 1 Korintianina 13:4, 5; Galatianina 5:22, 23.