Fanampiana An’ireo Iharan’ny Herisetra ao An-tokantrano
Nilaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana hoe: “Maneran-tany mihitsy no misy herisetra atao amin’ny vehivavy, sady miparitaka hoatran’ny areti-mifindra ilay izy. Mila manao zavatra haingana isika mba hamahana an’io olana io.” Milaza koa io fikambanana io fa efa ho ny 30 isan-jaton’ny vehivavy no nampiharan’ny olona niaraka taminy herisetra sy/na novetavetainy. Vao tsy ela izay, tao anatin’ny herintaona, dia vehivavy 137 isan’andro no maty satria novonoin’ny vadiny na ny olon-tiany na olon-kafa anisan’ny fianakaviany, araka ny tatitra iray navoakan’ny ONU. a
Hita avy amin’ny antontan’isa momba ny herisetra ao an-tokantrano hoe olana lehibe izy io. Tsy hita amin’ireny antontan’isa ireny kosa ny hakiviana sy ny fanaintainana mahazo an’ireo olona iharan’ny herisetra.
Iharan’ny herisetra ao an-tokantrano ve ianao? Sa mahafantatra olona iharan’izany? Raha izany, dia azonao dinihina ireto hevitra avy ao amin’ny Baiboly ireto satria afaka manampy anao.
Afaka ny hahazo fanampiana ianao
Tsy ianao no diso
Izay lazain’ny Baiboly: “Samy hataon’Andriamanitra ampamoaka isika tsirairay avy.”—Romanina 14:12.
Tadidio izao: Tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataony ilay olona mahery setra aminao.
Diso izy raha milaza hoe noho ianao no mahatonga azy hahery setra. Tokony hotiavina ny vady fa tsy hampijaliana.—Kolosianina 3:19.
Ny zavatra niainany tamin’izy mbola kely indraindray no mahatonga ny olona iray hahery setra. Mety hoe mikorontana ara-tsaina koa izy na mpisotro toaka be loatra. Na izany aza, dia tompon’andraikitra amin’izay fomba hitondrany anao izy, eo anatrehan’Andriamanitra. Izy koa no tokony hiezaka hiova.
Afaka ny hahazo fanampiana ianao
Izay lazain’ny Baiboly: “Tanteraka [ny fikasana] raha maro ny mpanolo-tsaina.”—Ohabolana 15:22.
Tadidio izao: Afaka manampy anao ny hafa raha matahotra ianao na tsy hainao izay tokony hatao.
Nahoana ianao no mety hila ny fanampian’ny hafa? Satria tsy olana tsotsotra no mahazo anao. Be dia be ny zavatra mila dinihinao, ka mety ho sarotra aminao ny hanapa-kevitra ny amin’izay hatao. Mety hampiasa saina anao, ohatra, ireto:
Ny ainao
Izay hahasoa ny zanakao
Ny fivelomanao
Ny fitiavanao ny vadinao na ilay olon-tianao
Ny fanirianao hanavotra ny tokantranonao na ny fiarahanareo raha miova izy
Ara-dalàna raha mahatsapa ianao hoe mafy loatra ny manjo anao sady tsy hainao izay tokony hatao. Iza anefa no azonao angatahana fanampiana?
Namana na havana azo itokisana. Mety ho afaka hanome torohevitra anao izy na hampahery anao. Na ny miresaka amin’ny olona tia anao fotsiny aza dia tena hanampy anao.
Nomerao azo antsoina ho an’ireo olona iharan’ny herisetra ao an-tokantrano. Afaka manampy anao haingana ny olona iresahanao amin’ireny nomerao ireny. Mety hanampy anao hieritreritra an’izay azonao atao izy ireo mba hiarovana ny ainao. Raha ohatra indray ka miaiky ny vadinao hoe mila ampiana ary tena te hiova, dia azon’izy ireo atoro azy izay tokony hataony.
Olon-kafa afaka manampy haingana. Afaka manampy izy ireo rehefa mila fanampiana eo no ho eo ianao. Mety ho dokotera izany, na mpitsabo mpanampy, na olon-kafa manana fahaizana manokana.
Tsy irery ianao
Izay lazain’ny Baiboly: “Akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah, b ary mamonjy an’izay ketraka.”—Salamo 34:18.
Tadidio izao: Mampanantena Andriamanitra hoe hanampy anao.
Tena tia anao i Jehovah. (1 Petera 5:7) Azony tsara ny eritreritrao sy ny fihetseham-ponao lalina indrindra. Afaka mampahery anao amin’ny alalan’ny Teniny izy, izany hoe ny Baiboly. Manasa anao koa izy mba hivavaka aminy. Rehefa mivavaka ianao, dia afaka mangataka aminy ny fahendrena sy ny hery ilaina mba hiatrehana an’ilay olana mahazo anao.—Isaia 41:10.
Tsy hisy intsony ny herisetra ao an-tokantrano
Izay lazain’ny Baiboly: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy.”—Mika 4:4.
Tadidio izao: Mampanantena ny Baiboly fa amin’ny hoavy dia tsy hisy na inona na inona hampatahotra ny olona intsony ao an-tokantrano.
Jehovah Andriamanitra ihany no afaka mamaha tanteraka ny olana rehetra mahazo antsika. Izao no ampanantenain’ny Baiboly: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.” (Apokalypsy 21:4) Na ny zavatra nampalahelo tamin’ny lasa aza tsy hotsaroanao intsony amin’izany fotoana izany, satria fahatsiarovana mahafinaritra no hameno ny sainao. (Isaia 65:17) Izany no ampanantenain’ny Baiboly anao.