Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Teny Fampidirana ny Tenin’Andriamanitra

AHOANA NO FIJERENA ANDININ-TENY?

Mizara roa ny Baiboly: Ny Soratra Hebreo sy Aramianina (“Testamenta Taloha”), sy ny Soratra Grika (“Testamenta Vaovao”). Misy boky 66 ao amin’ny Baiboly. Mizara ho toko sy andininy ny boky tsirairay. Rehefa mahita andinin-teny ianao, dia manondro ny toko ilay tarehimarika voalohany eo aorian’ny anaran’ilay boky. Manondro ny andininy kosa ny tarehimarika manaraka. Ny Genesisy 1:1, ohatra, dia midika hoe Genesisy toko voalohany, andininy voalohany.