Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANONTANIANA 9

Nahoana ny Olona no Mijaly?

“Tsy hoe maharesy foana izay mahavita mihazakazaka be, na mandresy foana izay matanjaka, na manana sakafo foana izay hendry, na manan-karena foana izay marani-tsaina, na tafita foana izay manam-pahalalana. Mety ho tratran’ny sampona mantsy izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.”

Mpitoriteny 9:11

“Tahaka ny nidiran’ny ota teo amin’izao tontolo izao noho ny nataon’ny lehilahy iray, ary ny ota no nahatonga ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra...”

Romanina 5:12

“Izao àry ny antony nampisehoana ny Zanak’Andriamanitra: Ny handrava ny asan’ny Devoly.”

1 Jaona 3:8

“Izao tontolo izao manontolo ... eo ambany fahefan’ilay ratsy.”

1 Jaona 5:19