Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANONTANIANA 15

Inona no Tena Mahasambatra?

“Aleo mihinana anana ao anatin’ny fifankatiavana, toy izay mihinana hena matavy ao anatin’ny fifankahalana.”

Ohabolana 15:17

“Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa, Ilay mitarika anao any amin’izay lalana tokony halehanao.”

Isaia 48:17

“Sambatra izay mahatsapa fa mila an’Andriamanitra, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.”

Matio 5:3

“Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”

Matio 22:39

“Izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.”

Lioka 6:31

“Izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mankatò an’izany no sambatra!”

Lioka 11:28

“Na manan-javatra be dia be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.”

Lioka 12:15

“Rehefa manana sakafo sy fitafiana isika, dia hianina amin’izany.”

1 Timoty 6:8

“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”

Asan’ny Apostoly 20:35