Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Eksodosy

Toko

Topy Maso

  • 1

    • Nitombo ny isan’ny Israelita tany Ejipta (1-7)

    • Nampijalin’i Farao ny Israelita (8-14)

    • Natahotra an’Andriamanitra ireo mpampiteraka ka tsy namono an’ireo zazalahikely (15-22)

  • 2

    • Teraka i Mosesy (1-4)

    • Natsangan’ny zanakavavin’i Farao ho zanany i Mosesy (5-10)

    • Nandositra nankany Midianina i Mosesy, ary nanambady an’i Zipora (11-22)

    • Henon’Andriamanitra ny fitarainan’ny Israelita (23-25)

  • 3

    • Mosesy sy ilay voarointsilo nirehitra (1-12)

    • Nanazava ny dikan’ny anarany i Jehovah (13-15)

    • Nanome toromarika an’i Mosesy i Jehovah (16-22)

  • 4

    • Famantarana telo nasaina nataon’i Mosesy (1-9)

    • Nieritreritra i Mosesy hoe tsy mahay (10-17)

    • Niverina tany Ejipta i Mosesy (18-26)

    • Nihaona tamin’i Arona indray i Mosesy (27-31)

  • 5

    • Mosesy sy Arona teo anatrehan’i Farao (1-5)

    • Vao mainka nitombo ny fijaliana (6-18)

    • Nanome tsiny an’i Mosesy sy Arona ny Israely (19-23)

  • 6

    • Nampanantenaina indray hoe hafahana (1-13)

      • Mbola tsy tena fantatra ny anarana hoe Jehovah (2, 3)

    • Tetirazan’i Mosesy sy Arona (14-27)

    • Nasaina nankeo anatrehan’i Farao indray i Mosesy (28-30)

  • 7

    • Nampahery an’i Mosesy i Jehovah (1-7)

    • Lasa bibilava ngezabe ny tehin’i Arona (8-13)

    • Loza 1: Rano lasa ra (14-25)

  • 8

    • Loza 2: Sahona (1-15)

    • Loza 3: Moka (16-19)

    • Loza 4: Fihitra (20-32)

      • Tsy hisy any Gosena (22, 23)

  • 9

    • Loza 5: Maty ny biby fiompy (1-7)

    • Loza 6: Nisy vay ny olona sy ny biby (8-12)

    • Loza 7: Havandra (13-35)

      • Ho hitan’i Farao ny herin’Andriamanitra (16)

      • Hambara ny anaran’i Jehovah (16)

  • 10

    • Loza 8: Valala (1-20)

    • Loza 9: Haizina (21-29)

  • 11

    • Nampahafantarina ny loza fahafolo (1-10)

      • Nasaina nangataka fanomezana ny Israelita (2)

  • 12

    • Nanomboka nankalazaina ny Paska (1-28)

      • Nasaina nafafy teo amin’ny tolàm-baravarana ny ra (7)

    • Loza 10: Novonoina ho faty ny lahimatoa (29-32)

    • Niala tany Ejipta ny Israelita (33-42)

      • Tapitra ny 430 taona (40, 41)

    • Toromarika hoe iza no mahazo mihinana amin’ny Paska (43-51)

  • 13

    • An’i Jehovah ny lahy rehetra teraka voalohany (1, 2)

    • Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay (3-10)

    • Natokana ho an’Andriamanitra ny lahy rehetra teraka voalohany (11-16)

    • Nasaina nankany amin’ny Ranomasina Mena ny Israely (17-20)

    • Andry afo sy andry rahona (21, 22)

  • 14

    • Tonga teo amin’ny ranomasina ny Israely (1-4)

    • Nenjehin’i Farao ny Israely (5-14)

    • Niampita ny Ranomasina Mena ny Israely (15-25)

    • Maty tao an-dranomasina ny Ejipsianina (26-28)

    • Nino an’i Jehovah ny Israely (29-31)

  • 15

    • Hiram-pandresena nataon’i Mosesy sy ny Israely (1-19)

    • Namaly ny hiran’ireo lehilahy i Miriama (20, 21)

    • Rano mangidy lasa mamy (22-27)

  • 16

    • Nimenomenona momba ny sakafo ny vahoaka (1-3)

    • Henon’i Jehovah ilay fimenomenonana (4-12)

    • Nomena papelika sy mana (13-21)

    • Tsy nisy mana rehefa Sabata (22-30)

    • Nisy mana notehirizina ho fahatsiarovana (31-36)

  • 17

    • Nitaraina tao Horeba hoe tsy nisy rano (1-4)

    • Rano avy tamin’ny vatolampy (5-7)

    • Nanafika ny Amalekita dia resy (8-16)

  • 18

    • Tonga i Jetro sy Zipora (1-12)

    • Nanoro hevitra i Jetro hoe manendre mpitsara (13-27)

  • 19

    • Teo amin’ny Tendrombohitra Sinay (1-25)

      • Ho mpanjaka sady mpisorona ny Israely (5, 6)

      • Nohamasinina ny vahoaka fa hihaona amin’Andriamanitra (14, 15)

  • 20

    • Ny Didy Folo (1-17)

    • Nahita zavatra mahagaga ny Israely dia natahotra (18-21)

    • Toromarika momba ny fanompoana an’Andriamanitra (22-26)

  • 21

    • Lalàna ho an’ny Israely (1-36)

      • Momba ny mpanompo hebreo (2-11)

      • Momba ny herisetra atao amin’ny olona (12-27)

      • Momba ny biby (28-36)

  • 22

    • Lalàna ho an’ny Israely (1-31)

      • Momba ny halatra (1-4)

      • Rehefa misy manimba ny voly (5, 6)

      • Momba ny onitra sy ny tompon-javatra (7-15)

      • Rehefa misy lehilahy manadala tovovavy (16, 17)

      • Momba ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny fanaovana ny rariny (18-31)

  • 23

    • Lalàna ho an’ny Israely (1-19)

      • Momba ny fanaovana ny marina sy ny rariny (1-9)

      • Momba ny sabata sy ny fety (10-19)

    • Hisy anjely hitarika ny Israely (20-26)

    • Momba ny fananan-tany sy ny sisin-tany (27-33)

  • 24

    • Nanaiky hanaja fifanekena ny vahoaka (1-11)

    • Mosesy teny amin’ny Tendrombohitra Sinay (12-18)

  • 25

    • Fanomezana ho an’ny tranolay masina (1-9)

    • Vata (10-22)

    • Latabatra (23-30)

    • Fitoeran-jiro (31-40)

  • 26

    • Ny tranolay masina (1-37)

      • Lamba ho an’ny tranolay masina (1-14)

      • Rafitry ny tranolay masina sy ny faladiany (15-30)

      • Ridao sy lamba fanakonana (31-37)

  • 27

    • Alitara fanaovana fanatitra dorana (1-8)

    • Tokotany (9-19)

    • Menaka ho an’ny jiro (20, 21)

  • 28

    • Akanjon’ny mpisorona (1-5)

    • Efoda (6-14)

    • Saron-tratra (15-30)

      • Orima sy Tomima (30)

    • Akanjo tsy misy tanany (31-35)

    • Satroka lamba misy takela-bolamena (36-39)

    • Akanjo hafa hanaovan’ny mpisorona (40-43)

  • 29

    • Fanendrena mpisorona (1-37)

    • Fanatitra hatolotra isan’andro (38-46)

  • 30

    • Alitara fandoroana emboka manitra (1-10)

    • Fanisam-bahoaka sy vola fandrakofam-pahotana (11-16)

    • Kovetabe varahina fisasana (17-21)

    • Menaka fanosorana tena miavaka (22-33)

    • Fanamboarana emboka manitra masina (34-38)

  • 31

    • Mpanao asa tanana ho feno fanahin’Andriamanitra (1-11)

    • Sabata: Famantarana eo amin’Andriamanitra sy ny Israely (12-17)

    • Takela-bato roa (18)

  • 32

    • Nivavaka tamin’ny zanak’omby volamena (1-35)

      • Naheno hira hafahafa i Mosesy (17, 18)

      • Nopotipotehin’i Mosesy ireo takela-bato nisy ny Lalàna (19)

      • Tsy nivadika tamin’i Jehovah ny Levita (26-29)

  • 33

    • Anatra nomen’Andriamanitra (1-6)

    • Tranolay fihaonana teo ivelan’ny toby (7-11)

    • Nangataka ny hahita ny voninahitr’i Jehovah i Mosesy (12-23)

  • 34

    • Nanamboatra takela-bato vaovao (1-4)

    • Nahita ny voninahitr’i Jehovah i Mosesy (5-9)

    • Naverina noresahina ny tsipiriany momba ny fifanekena (10-28)

    • Nanjelanjelatra ny tarehin’i Mosesy (29-35)

  • 35

    • Toromarika momba ny Sabata (1-3)

    • Fanomezana ho an’ny tranolay masina (4-29)

    • Nofenoin’Andriamanitra ny fanahiny i Bezalila sy Oholiaba (30-35)

  • 36

    • Nihoatra be ny fanomezana (1-7)

    • Fanamboarana ny tranolay masina (8-38)

  • 37

    • Fanamboarana ny Vata (1-9)

    • Latabatra (10-16)

    • Fitoeran-jiro (17-24)

    • Alitara fandoroana emboka manitra (25-29)

  • 38

    • Alitara fanaovana fanatitra dorana (1-7)

    • Kovetabe varahina (8)

    • Tokotany (9-20)

    • Lisitry ny zavatra momba ny tranolay masina (21-31)

  • 39

    • Namboarina ny akanjon’ny mpisorona (1)

    • Efoda (2-7)

    • Saron-tratra (8-21)

    • Akanjo tsy misy tanany (22-26)

    • Akanjo hafa anaovan’ny mpisorona (27-29)

    • Takela-bolamena (30, 31)

    • Nojeren’i Mosesy ny asa rehetra momba ny tranolay masina (32-43)

  • 40

    • Natsangana ny tranolay masina (1-33)

    • Feno ny voninahitr’i Jehovah ny tranolay masina (34-38)