Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bokin’ny Mpanjaka Voalohany

Toko

Topy Maso

  • 1

    • Davida sy Abisaga (1-4)

    • Te ho lasa mpanjaka i Adonia (5-10)

    • Ny zavatra nataon’i Natana sy Batseba (11-27)

    • Nasain’i Davida nohosorana ho mpanjaka i Solomona (28-40)

    • Nandositra nankeo amin’ny alitara i Adonia (41-53)

  • 2

    • Nanafatrafatra an’i Solomona i Davida (1-9)

    • Maty i Davida; lasa mpanjaka i Solomona (10-12)

    • Maty i Adonia noho ny tetika nataony (13-25)

    • Nasaina niverina tany amin’ny taniny i Abiatara; novonoina i Joaba (26-35)

    • Novonoina i Simey (36-46)

  • 3

    • Nalain’i Solomona ho vady ny zanakavavin’i Farao (1-3)

    • Niseho tamin’i Solomona tao amin’ny nofy i Jehovah (4-15)

      • Nangataka fahendrena i Solomona (7-9)

    • Nitsara renim-pianakaviana roa i Solomona (16-28)

  • 4

    • Ireo manam-pahefana tao amin’ny fanjakan’i Solomona (1-19)

    • Niadana ny olona nandritra ny fitondran’i Solomona (20-28)

      • Nilamina tsara ny olona teny ambany voaloboka sy aviavy (25)

    • Ny fahendren’i Solomona sy ny ohabolana nataony (29-34)

  • 5

    • Nanome fitaovana hanorenana i Hirama Mpanjaka (1-12)

    • Nampiantso olona hiasa i Solomona (13-18)

  • 6

    • Nanorina ny tempoly i Solomona (1-38)

      • Efitra anatiny indrindra (19-22)

      • Kerobima (23-28)

      • Sary sokitra, varavarana, tokotany anatiny (29-36)

      • Vita ny tempoly rehefa afaka fito taona teo ho eo (37, 38)

  • 7

    • Ny lapan’i Solomona (1-12)

    • Nalaina mba hanampy an’i Solomona i Hirama, ary tena nahay izy (13-47)

      • Andry varahina roa (15-22)

      • Fitoeran-drano varahina nantsoina hoe Ranomasina (23-26)

      • Kalesy sy kovetabe varahina folo (27-39)

    • Vita ireo fitaovana volamena (48-51)

  • 8

    • Nentina tao amin’ny tempoly ny Vata masina (1-13)

    • Nikabary tamin’ny vahoaka i Solomona (14-21)

    • Vavak’i Solomona tamin’ny fitokanana ny tempoly (22-53)

    • Nitso-drano ny vahoaka i Solomona (54-61)

    • Sorona sy fety tamin’ny fitokanana (62-66)

  • 9

    • Niseho tamin’i Solomona indray i Jehovah (1-9)

    • Fanomezana nomen’i Solomona an’i Hirama Mpanjaka (10-14)

    • Tetikasa nataon’i Solomona (15-28)

  • 10

    • Nitsidika an’i Solomona ny mpanjakavavin’i Sheba (1-13)

    • Ny harem-ben’i Solomona (14-29)

  • 11

    • Voatariky ny vadin’i Solomona ny fony (1-13)

    • Mpanohitra an’i Solomona (14-25)

    • Nampanantenaina i Jeroboama hoe hahazo foko folo (26-40)

    • Maty i Solomona; natao mpanjaka i Rehoboama (41-43)

  • 12

    • Valin-teny henjana nomen’i Rehoboama (1-15)

    • Nikomy ny foko folo (16-19)

    • Natao mpanjakan’ny Israely i Jeroboama (20)

    • Tsy navela hiady tamin’ny Israely i Rehoboama (21-24)

    • Namorona fivavahana tamin’ny zanak’omby i Jeroboama (25-33)

  • 13

    • Faminaniana momba an’izay hanjo ny alitara tao Betela (1-10)

      • Nitresaka ny alitara (5)

    • Tsy nankatò ilay lehilahin’Andriamanitra (11-34)

  • 14

    • Faminanian’i Ahia momba an’izay hanjo an’i Jeroboama (1-20)

    • Lasa mpanjakan’ny Joda i Rehoboama (21-31)

  • 15

    • Abiama, mpanjakan’ny Joda (1-8)

    • Asa, mpanjakan’ny Joda (9-24)

    • Nadaba, mpanjakan’ny Israely (25-32)

    • Basa, mpanjakan’ny Israely (33, 34)

  • 16

    • Nanameloka an’i Basa i Jehovah (1-7)

    • Elaha, mpanjakan’ny Israely (8-14)

    • Zimry, mpanjakan’ny Israely (15-20)

    • Omry, mpanjakan’ny Israely (21-28)

    • Ahaba, mpanjakan’ny Israely (29-33)

    • Nanorina indray an’i Jeriko i Hiela (34)

  • 17

    • Nilaza i Elia mpaminany fa hisy hain-tany (1)

    • Nitondra sakafo ho an’i Elia ny goaika (2-7)

    • Nankany amin’ny vehivavy mpitondratena tany Zarefata i Elia (8-16)

    • Maty ny zanakalahin’ilay mpitondratena ary natsangana (17-24)

  • 18

    • Nihaona tamin’i Obadia sy Ahaba i Elia (1-18)

    • Elia nifanandrina tamin’ny mpaminanin’i Bala tao Karmela (19-40)

      • ‘Niroaroa saina’ (21)

    • Tapitra ilay hain-tany telo taona sy tapany (41-46)

  • 19

    • Nandositra i Elia satria tezitra be taminy i Jezebela (1-8)

    • Niseho tamin’i Elia tao Horeba i Jehovah (9-14)

    • Nasaina nohosoran’i Elia i Hazaela, Jeho, Elisa (15-18)

    • Voatendry handimby an’i Elia i Elisa (19-21)

  • 20

    • Niady tamin’i Ahaba ny Syrianina (1-12)

    • Resin’i Ahaba ny Syrianina (13-34)

    • Faminaniana momba an’izay hanjo an’i Ahaba (35-43)

  • 21

    • Notsiriritin’i Ahaba ny tanimboalobok’i Nabota (1-4)

    • Nanao tetika hamonoana an’i Nabota i Jezebela (5-16)

    • Ny tenin’i Elia momba an’izay hanjo an’i Ahaba (17-26)

    • Nanetry tena i Ahaba (27-29)

  • 22

    • Nanao fifanekena tamin’i Ahaba i Josafata (1-12)

    • Naminany i Mikaia hoe ho resy ny Israely (13-28)

      • Nasaina namitaka an’i Ahaba ny anjely iray (21, 22)

    • Maty tany Ramota-gileada i Ahaba (29-40)

    • Lasa mpanjakan’ny Joda i Josafata (41-50)

    • Ahazia, mpanjakan’ny Israely (51-53)