Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bokin’i Joba

Toko

Topy Maso

  • 1

    • Joba, lehilahy tsy nivadika sy nanan-karena (1-5)

    • Nokianin’i Satana ny antony nanompoan’i Joba an’i Jehovah (6-12)

    • Fongana ny fananan’i Joba; maty ny zanany (13-19)

    • Tsy nanome tsiny an’Andriamanitra i Joba (20-22)

  • 2

    • Nokianin’i Satana indray ny antony nanompoan’i Joba an’i Jehovah (1-5)

    • Navela hamely ny vatan’i Joba i Satana (6-8)

    • Hoy ny vadin’i Joba: “Manozòna an’Andriamanitra, dia aleo ianao maty!” (9, 10)

    • Tonga ny naman’i Joba telo lahy (11-13)

  • 3

    • Nitaraina i Joba hoe tahaka izay izy tsy nisy (1-26)

      • Nanontany hoe nahoana izy no mijaly (20, 21)

  • 4

    • Ny teny voalohany nataon’i Elifaza (1-21)

      • Naneso hoe tsy olo-marina i Joba (7, 8)

      • Nitantara an’izay notenenin’ny fanahy iray (12-17)

      • ‘Tsy matoky ny mpanompony Andriamanitra’ (18)

  • 5

    • Tohin’ny tenin’i Elifaza (1-27)

      • ‘Fandrihan’Andriamanitra amin’ny hafetseny ny hendry’ (13)

      • ‘Tsy tokony handa ny famaizan’Andriamanitra i Joba’ (17)

  • 6

    • Valin-tenin’i Joba (1-30)

      • Rariny, hono, raha mitaraina izy (2-6)

      • Mpampionona sandoka ny namany (15-18)

      • “Tsy mba mandratra ny teny marina!” (25)

  • 7

    • Tohin’ny valin-tenin’i Joba (1-21)

      • Hoatran’ny asa an-terivozona ny fiainana (1, 2)

      • “Fa maninona no izaho no kendrenao?” (20)

  • 8

    • Ny teny voalohany nataon’i Bildada (1-22)

      • Nanota, hono, ny zanak’i Joba (4)

      • ‘Raha madio ianao, dia ho narovan’Andriamanitra’ (6)

      • Tsy matahotra an’Andriamanitra, hono, i Joba (13)

  • 9

    • Valin-tenin’i Joba (1-35)

      • Tsy afaka miady amin’Andriamanitra ny olombelona mety maty (2-4)

      • ‘Manao zavatra tsy takatry ny saina Andriamanitra’ (10)

      • Tsy misy afaka mifamaly amin’Andriamanitra (32)

  • 10

    • Tohin’ny valin-tenin’i Joba (1-22)

      • ‘Maninona Andriamanitra no miady amiko?’ (2)

      • Tsy azo ampitahaina i Joba sy Andriamanitra (4-12)

      • ‘Mba te ho maivamaivana aho’ (20)

  • 11

    • Ny teny voalohany nataon’i Zofara (1-20)

      • Niteny hoe nirediredy i Joba (2, 3)

      • Niteny tamin’i Joba mba hiala amin’ny ratsy (14)

  • 12

    • Valin-tenin’i Joba (1-25)

      • “Tsy ambany noho ianareo aho” (3)

      • ‘Lasa atao fihomehezana aho’ (4)

      • “Ao amin’Andriamanitra no misy fahendrena” (13)

      • Ambony noho ny mpitsara sy ny mpanjaka i Jehovah (17, 18)

  • 13

    • Tohin’ny valin-tenin’i Joba (1-28)

      • ‘Aleoko miresaka amin’Andriamanitra’ (3)

      • ‘Dokotera tsy misy ilana azy ianareo’ (4)

      • “Fantatro fa manana ny rariny aho” (18)

      • Nanontany hoe nahoana Andriamanitra no mihevitra azy ho fahavalo (24)

  • 14

    • Tohin’ny valin-tenin’i Joba (1-22)

      • Fohy andro iainana sady tototry ny olana ny olona (1)

      • “Mbola misy ny fanantenana, na ho an’ny hazo aza” (7)

      • ‘Raha mba manafina ahy any amin’ny Fasana mantsy ianao!’ (13)

      • “Raha maty ny olona, dia ho velona indray ve?” (14)

      • Tsy ho andrin’Andriamanitra ny hahita ny asan’ny tanany (15)

  • 15

    • Ny teny faharoa nataon’i Elifaza (1-35)

      • Tsy matahotra an’Andriamanitra, hono, i Joba (4)

      • Mihevi-tena ho ambony, hono, i Joba (7-9)

      • ‘Ny anjeliny aza tsy atokisan’Andriamanitra’ (15)

      • ‘Ny ratsy fanahy no mijaly’ (20-24)

  • 16

    • Valin-tenin’i Joba (1-22)

      • ‘Mpampionona mandreraka ianareo!’ (2)

      • Nokendren’Andriamanitra tamin’ny zana-tsipìka, hono, izy (12)

  • 17

    • Tohin’ny valin-tenin’i Joba (1-16)

      • “Voahodidina mpaneso aho” (2)

      • ‘Navelany hesoesoin’ny olona aho’ (6)

      • “Ny Fasana no ho tranoko” (13)

  • 18

    • Ny teny faharoa nataon’i Bildada (1-21)

      • Nilaza an’izay hanjo ny mpanota (5-20)

      • Tsy mahalala an’Andriamanitra, hono, i Joba (21)

  • 19

    • Valin-tenin’i Joba (1-29)

      • Tsy nanaiky ny teny henjana nolazain’ny “namany” (1-6)

      • Nandao azy daholo, hono, ny olona (13-19)

      • “Velona ny mpanavotra ahy” (25)

  • 20

    • Ny teny faharoa nataon’i Zofara (1-29)

      • Tafintohina tamin’ny tenin’i Joba (2, 3)

      • Mpanao ratsy, hono, i Joba (5)

      • Tia manao zava-dratsy, hono, i Joba (12, 13)

  • 21

    • Valin-tenin’i Joba (1-34)

      • ‘Nahoana ny ratsy fanahy no miadana?’ (7-13)

      • Namaky bantsilana an’ireo “mpampionona” azy (27-34)

  • 22

    • Ny teny fahatelo nataon’i Elifaza (1-30)

      • ‘Mahasoa an’Andriamanitra angaha ny olona?’ (2, 3)

      • Tia vola sy tsy manao ny rariny, hono, i Joba (9)

      • ‘Miverena amin’Andriamanitra, dia hiverina amin’ny laoniny ny fiainanao’ (23)

  • 23

    • Ny valin-tenin’i Joba (1-17)

      • Te hitondra ny adiny eo anatrehan’i Jehovah (1-7)

      • Tsy mety hitany, hono, Andriamanitra (8, 9)

      • “Nandeha tamin’ny lalany aho fa tsy nivilivily” (11)

  • 24

    • Tohin’ny valin-tenin’i Joba (1-25)

      • ‘Nahoana Andriamanitra no tsy mametra fotoana?’ (1)

      • Avelan’Andriamanitra hisy, hono, ny faharatsiana (12)

      • Tia haizina ny mpanota (13-17)

  • 25

    • Ny teny fahatelo nataon’i Bildada (1-6)

      • ‘Ny olona ve dia tsy hanan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra?’ (4)

      • Very maina, hono, ny tsy fivadihan’ny olona (5, 6)

  • 26

    • Ny valin-tenin’i Joba (1-14)

      • ‘Toy izany ve no mba anampianao ny tsy manan-kery?’ (1-4)

      • ‘Ahanton’Andriamanitra eo amin’ny tsy misy ny tany’ (7)

      • ‘Vao ampahany kely amin’ny zava-bitan’Andriamanitra’ (14)

  • 27

    • Tapa-kevitra ny tsy hivadika i Joba (1-23)

      • “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho” (5)

      • Tsy manana fanantenana izay tsy matahotra an’Andriamanitra (8)

      • “Maninona ny teninareo no tsy misy horaisina mihitsy?” (12)

      • Tsy hanana na inona na inona intsony ny ratsy fanahy (13-23)

  • 28

    • Fampitahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny fahendrena (1-28)

      • Miezaka mitrandraka harena ny olona (1-11)

      • Sarobidy noho ny perla ny fahendrena (18)

      • Ny fahatahorana an’i Jehovah no tena fahendrena (28)

  • 29

    • Tsaroan’i Joba ny fahasambarany talohan’ny nitsapana azy (1-25)

      • Nohajaina teo am-bavahadin’ny tanàna izy (7-10)

      • Nanao ny rariny (11-17)

      • Nohenoina ny toroheviny (21-23)

  • 30

    • Mitantara ny niovan’ny fiainany i Joba (1-31)

      • Nesoesoin’ny olona tsy misy ilana azy (1-15)

      • Tsy nisy namonjy (20, 21)

      • “Nanjary mainty ny hoditro” (30)

  • 31

    • Niaro tena i Joba hoe tsy nivadika (1-40)

      • “Fifanekena tamin’ny masoko” (1)

      • Nangataka an’Andriamanitra handanja azy (6)

      • Tsy mpanitsakitsa-bady (9-12)

      • Tsy tia vola aman-karena (24, 25)

      • Tsy mpanompo sampy (26-28)

  • 32

    • Nandray fitenenana i Eliho tanora (1-22)

      • Tezitra tamin’i Joba sy ny namany (2, 3)

      • Niandry vao niteny mba ho fanajana (6, 7)

      • Tsy izay ela niainana ihany no manam-pahendrena (9)

      • Be dia be ny zavatra tian’i Eliho holazaina (18-20)

  • 33

    • Nanarin’i Eliho i Joba satria nihevi-tena ho marina (1-33)

      • Nahita vidim-panavotana (24)

      • Hiverina indray ny herin’ny fahatanorany (25)

  • 34

    • Noporofoin’i Eliho fa manao ny rariny i Jehovah ary mety ny ataony (1-37)

      • Nilaza i Joba hoe tsy nomen’Andriamanitra rariny (5)

      • “Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy” (10)

      • Misy zavatra tsy fantatr’i Joba (35)

  • 35

    • Nasehon’i Eliho hoe diso hevitra i Joba (1-16)

      • Nilaza i Joba fa marina noho Andriamanitra izy (2)

      • Avo be Andriamanitra, tsy misy vokany aminy ny fahotana (5, 6)

      • Tokony hiandry an’Andriamanitra i Joba (14)

  • 36

    • Nilaza i Eliho hoe lehibe tsy takatry ny saina Andriamanitra (1-33)

      • Hiadana izay mankatò; tsy ankasitrahana izay tsy matahotra an’Andriamanitra (11-13)

      • ‘Iza no mpampianatra mitovy amin’Andriamanitra?’ (22)

      • Tokony hankalaza an’Andriamanitra i Joba (24)

      • ‘Lehibe tsy takatry ny saintsika Andriamanitra’ (26)

      • Mifehy ny orana sy ny tselatra Andriamanitra (27-33)

  • 37

    • Hita amin’ny herin’ny natiora fa tena miavaka Andriamanitra (1-24)

      • Azony atsahatra ny asa ataon’ny olona (7)

      • ‘Diniho ny zavatra mahatalanjona nataon’Andriamanitra’ (14)

      • Tsy takatry ny sain’ny olona ny momba an’Andriamanitra (23)

      • Tsy tokony hisy olona hihevi-tena ho hendry (24)

  • 38

    • Nasehon’i Jehovah hoe tena kely ny olombelona (1-41)

      • ‘Taiza ianao tamin’ny noforonina ny tany?’ (4-6)

      • Nihoby ny zanak’Andriamanitra (7)

      • Fanontaniana momba ny natiora (8-32)

      • “Lalàna mifehy ny lanitra” (33)

  • 39

    • Hita amin’ny namoronana ny biby hoe betsaka ny zavatra tsy hain’ny olona (1-30)

      • Osidia mpianika tendrombohitra sy serfa (1-4)

      • Ampondradia (5-8)

      • Ombidia (9-12)

      • Aotirisy (13-18)

      • Soavaly (19-25)

      • Hitsikitsika lehibe sy voromahery (26-30)

  • 40

    • Fanontaniana hafa avy amin’i Jehovah (1-24)

      • Niaiky i Joba hoe tsy manan-kavaly (3-5)

      • ‘Hisalasala ve ianao hoe manao ny rariny aho?’ (8)

      • Miresaka momba ny tanjaky ny Behemota Andriamanitra (15-24)

  • 41

    • Miresaka momba ny Leviatana Andriamanitra (1-34)

  • 42

    • Valiny nomen’i Joba an’i Jehovah (1-6)

    • Nomelohina izy telo lahy (7-9)

    • Naverin’i Jehovah tamin’i Joba izay nafoiny (10-17)

      • Zanakalahy sy zanakavavin’i Joba (13-15)