Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpitoriteny

Toko

1 2 3 4 5 6 7 8 9 10 11 12

Topy Maso

  • 1

    • Tsisy dikany ny zava-drehetra (1-11)

      • Maharitra mandrakizay ny tany (4)

      • Tsingerina eo amin’ny natiora (5-7)

      • Tsy misy zava-baovao etỳ ambanin’ny masoandro (9)

    • Voafetra ihany ny fahendren’olombelona (12-18)

      • Misambo-drivotra fotsiny (14)

  • 2

    • Nodinihin’i Solomona ny zava-bitany (1-11)

    • Voafetra ny tombony azo avy amin’ny fahendren’olombelona (12-16)

    • Tsisy dikany ny asa mafy (17-23)

    • Mihinàna sy misotroa, dia ankafizo ny asanao (24-26)

  • 3

    • Misy fotoanany avy ny zava-drehetra (1-8)

    • Ankafizo ny fiainana nomen’Andriamanitra (9-15)

      • Efa ao am-po ny faniriana hiaina mandrakizay (11)

    • Hotsarain’Andriamanitra ara-drariny ny olona rehetra (16, 17)

    • Samy ho faty ny olona sy ny biby (18-22)

      • Hiverina ho vovoka daholo ny rehetra (20)

  • 4

    • Ratsy noho ny fahafatesana ny fampijaliana (1-3)

    • Mila mahay mandanjalanja amin’ny asa (4-6)

    • Tena ilaina ny namana (7-12)

      • Tsara ny roa noho ny iray (9)

    • Mety tsy hisy dikany ny fiainan’ny mpanjaka (13-16)

  • 5

    • Matahora an’Andriamanitra (1-7)

    • Dinihin’izay ambony kokoa noho izy ny manam-pahefana (8, 9)

    • Tsisy dikany ny harena (10-20)

      • Tsy ho afa-po mihitsy izay tia vola (10)

      • Mamy ny torimason’ny mpanompo (12)

  • 6

    • Misy tsy mba mankafy an’izay ananany (1-6)

    • Mifalia amin’izay anananao (7-12)

  • 7

    • Laza tsara sy andro ahafatesana (1-4)

    • Anatra mafy omen’ny olon-kendry (5-7)

    • Aleo ny fiafaran’ny raharaha toy izay ny fiandohany (8-10)

    • Misy tombony ny fahendrena (11, 12)

    • Fotoana mahafaly sy fotoan-tsarotra (13-15)

    • Aza marina loatra na ratsy toetra loatra (16-22)

    • Fandinihana nataon’ilay mpamory vahoaka (23-29)

  • 8

    • Fitondran’ny olombelona tsy lavorary (1-17)

      • Ankatoavy ny didin’ny mpanjaka (2-4)

      • Mampijaly ny fitondran’olombelona (9)

      • Rehefa tsy tonga dia sazina ny olona nanao ratsy (11)

      • Mihinana sy misotro dia mifalifaly (15)

  • 9

    • Mitovy daholo ny hiafaran’ny olon-drehetra (1-3)

    • Ankafizo ny fiainana na dia ho faty aza (4-12)

      • Tsy mahalala na inona na inona ny maty (5)

      • Tsy misy afaka miasa any amin’ny Fasana (10)

      • Sampona amin’ny fotoana tsy ampoizina (11)

    • Tsy raharahian’ny olona sasany ny fahendrena (13-18)

  • 10

    • Hadalana kely dia manimba ny laza tsaran’ny hendry (1)

    • Hahita loza izay tsy mahay ny asany (2-11)

    • Midi-kizo ny adala (12-15)

    • Rehefa adala ny mpanjaka (16-20)

      • Na ny vorona aza mety hitatitra an’izay nolazainao (20)

  • 11

    • Mahaiza manararaotra (1-8)

      • Atsipazo eny ambony rano ny mofonao (1)

      • Mamafaza mandra-paharivan’ny andro (6)

    • Mifalia dieny mbola tanora (9, 10)

  • 12

    • Tsarovy ny Mpamorona dieny mbola tsy antitra (1-8)

    • Famaranan-tenin’ilay mpamory vahoaka (9-14)

      • Hoatran’ny hazo fanindronana omby ny tenin’ny hendry (11)

      • Matahora an’ilay tena Andriamanitra (13)