Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bokin’i Isaia

Toko

Topy Maso

  • 1

    • Ray nanana zanaka nikomy (1-9)

    • Halan’i Jehovah raha fombafomba fotsiny ny fanompoana azy (10-17)

    • “Avia hifandamina isika” (18-20)

    • Haverina ho tanàna tsy mivadika i Ziona (21-31)

  • 2

    • Ho avo be ny tendrombohitr’i Jehovah (1-5)

      • Sabatra ho angadinomby (4)

    • Haetry izay mirehareha, amin’ny andron’i Jehovah (6-22)

  • 3

    • Namitaka ny vahoaka ny mpitarika tao Joda (1-15)

    • Notsaraina ireo zanakavavin’i Ziona manao maso mambabo (16-26)

  • 4

    • Vehivavy fito hitazona lehilahy iray (1)

    • Hampitsimoka zavamaniry tsara tarehy i Jehovah (2-6)

  • 5

    • Hira momba ny tanimboalobok’i Jehovah (1-7)

    • Hahita loza ny tanimboalobok’i Jehovah (8-24)

    • Tezitra amin’ny vahoakany Andriamanitra (25-30)

  • 6

    • Fahitana momba an’i Jehovah ao amin’ny tempoliny (1-4)

      • “Masina, masina, masina i Jehovah” (3)

    • Nodiovina ny molotr’i Isaia (5-7)

    • Nirahina i Isaia (8-10)

      • “Intỳ aho iraho!” (8)

    • “Mandra-pahoviana, Jehovah ô?” (11-13)

  • 7

    • Hafatra ho an’i Ahaza Mpanjaka (1-9)

      • Seara-jasoba (3)

    • Hatao famantarana i Imanoela (10-17)

    • Loza hitranga satria mivadika (18-25)

  • 8

    • Hanafika ny Asyrianina (1-8)

      • Mahera-salala-hasi-baza (1-4)

    • Aza matahotra: “Manampy antsika Andriamanitra!” (9-17)

    • Famantarana i Isaia sy ny zanany (18)

    • Jereo ny lalàna fa aza manontany demonia (19-22)

  • 9

    • Hazavana be ho an’i Galilia (1-7)

      • Teraka ilay “Andrianan’ny Fiadanana” (6, 7)

    • Hamely ny Israely ny tanan’Andriamanitra (8-21)

  • 10

    • Hamely ny Israely ny tanan’Andriamanitra (1-4)

    • Asyria, ilay tsorakazo hampiasain’i Jehovah (5-11)

    • Hosazina i Asyria (12-19)

    • Hiverina ny sisa amin’ny taranak’i Jakoba (20-27)

    • Hotsarain’i Jehovah i Asyria (28-34)

  • 11

    • Hanao ny rariny ilay rantsan’i Jese (1-10)

      • Hiaraka ny amboadia sy ny zanak’ondry (6)

      • Ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany (9)

    • Haverina ny sisa tavela amin’ny vahoaka (11-16)

  • 12

    • Hira fisaorana (1-6)

      • “I Jah Jehovah no tanjako” (2)

  • 13

    • Fanamelohana an’i Babylona (1-22)

      • Akaiky ny andron’i Jehovah! (6)

      • Hamely an’i Babylona ny Medianina (17)

      • Tsy hisy mponina intsony any Babylona (20)

  • 14

    • Hipetraka ao amin’ny taniny ny Israely (1, 2)

    • Hesoina ny mpanjakan’i Babylona (3-23)

      • Nianjera avy any an-danitra ilay mamirapiratra (12)

    • Hotorotoroin’i Jehovah ny Asyrianina (24-27)

    • Fanamelohana an’i Filistia (28-32)

  • 15

    • Fanamelohana an’i Moaba (1-9)

  • 16

    • Fanamelohana an’i Moaba: Tohiny (1-14)

  • 17

    • Fanamelohana an’i Damaskosy (1-11)

    • Hiteny mafy an’ireo firenena i Jehovah (12-14)

  • 18

    • Fanamelohana an’i Etiopia (1-7)

  • 19

    • Fanamelohana an’i Ejipta (1-15)

    • Hahafantatra an’i Jehovah i Ejipta (16-25)

      • Alitara ho an’i Jehovah any Ejipta (19)

  • 20

    • Famantarana momba an’izay hanjo an’i Ejipta sy Etiopia (1-6)

  • 21

    • Fanamelohana ny tany efitra any amin’ny ranomasina (1-10)

      • Miambina foana eo amin’ny tilikambo fiambenana (8)

      • “Nianjera i Babylona!” (9)

    • Fanamelohana an’i Doma sy ny lemaka karakaina (11-17)

      • “Ry mpitily ô! Aiza ho aiza amin’ny alina isika izao?” (11)

  • 22

    • Fanambarana momba ny Lohasahan’ny Fahitana (1-14)

    • Hosoloana an’i Eliakima i Sebna (15-25)

      • Ilay hoatran’ny fantsika fanantonan-javatra (23-25)

  • 23

    • Fanamelohana an’i Tyro (1-18)

  • 24

    • Hataon’i Jehovah tsy misy na inona na inona ilay tany (1-23)

      • Mpanjaka ao Ziona i Jehovah (23)

  • 25

    • Fitahiana be dia be ho azon’ny vahoakan’Andriamanitra (1-12)

      • Fanasambe misy divay tena tsara (6)

      • Tsy hisy fahafatesana intsony (8)

  • 26

    • Hira: Matokia an’i Jehovah dia ho voavonjy (1-21)

      • I Jah Jehovah no Vatolampy mandrakizay (4)

      • Hianatra momba ny fahamarinana ny mponin’ny tany (9)

      • “Ho velona ny olonao efa maty” (19)

      • Midira ao amin’ny efitrano anatiny ary miafena (20)

  • 27

    • Hovonoin’i Jehovah ny Leviatana (1)

    • Hira: Tanimboaloboka i Israely (2-13)

  • 28

    • Hahita loza ireo mamo lava ao Efraima! (1-6)

    • Nivembena ny mpisorona sy mpaminany tao Joda (7-13)

    • “Fifanekena tamin-dRafahafatesana” (14-22)

      • Vato fehizoro sarobidy ao Ziona (16)

      • Asa tsy mahazatra hataon’i Jehovah (21)

    • Ny fomba ananaran’i Jehovah (23-29)

  • 29

    • Hahita loza i Ariela! (1-16)

      • Meloka izay manompo an-tendro-molotra fotsiny (13)

    • Haheno ny marenina, hahita ny jamba (17-24)

  • 30

    • Tsy misy ilana azy ny fanampian’i Ejipta (1-7)

    • Tsy neken’ny vahoaka ilay hafatra (8-14)

    • Hatanjaka raha feno toky (15-17)

    • Miantra ny vahoakany i Jehovah (18-26)

      • Mpampianatra Be Voninahitra i Jehovah (20)

      • “Ity no lalana” (21)

    • Hampihatra didim-pitsarana amin’i Asyria i Jehovah (27-33)

  • 31

    • I Jehovah no tena afaka manampy, fa tsy ny olombelona (1-9)

      • Nofo ihany ny soavalin’ny Ejipsianina (3)

  • 32

    • Hisy mpanjaka sy andriana hampanjaka ny rariny (1-8)

    • Nampitandremana ireo vehivavy tsy miasa saina (9-14)

    • Fitahiana rehefa milatsaka ny fanahy (15-20)

  • 33

    • Didim-pitsarana sy fanantenana ho an’izay manao ny marina (1-24)

      • Jehovah: Mpitsara, Mpanao lalàna, Mpanjaka (22)

      • Tsy hisy olona hilaza hoe: “Marary aho” (24)

  • 34

    • Hamaly an’ireo firenena i Jehovah (1-4)

    • Tsy hisy mponina intsony i Edoma (5-17)

  • 35

    • Haverina indray ny Paradisa (1-7)

      • Ny jamba hahita; ny marenina haheno (5)

    • Lalan’ny Fahamasinana ho an’ireo navotana (8-10)

  • 36

    • Nanafika an’i Joda i Sankeriba (1-3)

    • Nihantsy an’i Jehovah ilay Rabsake (4-22)

  • 37

    • Nasain’i Hezekia nangataka ny fanampian’i Jehovah i Isaia (1-7)

    • Norahonan’i Sankeriba i Jerosalema (8-13)

    • Vavak’i Hezekia (14-20)

    • Nampitain’i Isaia ny valin-tenin’i Jehovah (21-35)

    • Anjely iray namono Asyrianina 185 000 (36-38)

  • 38

    • Narary i Hezekia, ary sitrana (1-22)

      • Hira fisaorana (10-20)

  • 39

    • Olona nirahina avy any Babylona (1-8)

  • 40

    • Fampiononana ho an’ny vahoakan’i Jehovah (1-11)

      • Feo miantsoantso any an-tany efitra (3-5)

    • Tena miavaka i Jehovah (12-31)

      • Hoatran’ny rano indray mitete ireo firenena (15)

      • ‘Mipetraka any ambonin’ity tany boribory ity’ Andriamanitra (22)

      • Antsoina amin’ny anarany avy ny kintana (26)

      • Tsy mba reraka mihitsy i Jehovah (28)

      • Hahazo hery indray izay manantena an’i Jehovah (29-31)

  • 41

    • Mpandresy avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro (1-7)

    • Nofidina ho mpanompon’i Jehovah i Israely (8-20)

      • “Abrahama namako” (8)

    • Nasaina nampiseho ny heriny ireo andriamanitra (21-29)

  • 42

    • Ilay mpanompon’i Jehovah sy ny zavatra hataony (1-9)

      • ‘Jehovah no anarako’ (8)

    • Hira vaovao hiderana an’i Jehovah (10-17)

    • Sady jamba no marenina i Israely (18-25)

  • 43

    • Nangonin’i Jehovah indray ny vahoakany (1-7)

    • Notsaraina ireo andriamanitra (8-13)

      • “Ianareo no vavolombeloko” (10, 12)

    • Nafahana avy tany Babylona (14-21)

    • “Andao hoentina eny amin’ny fitsarana ny ady ifanaovantsika” (22-28)

  • 44

    • Hotahina ny vahoaka nofidin’i Jehovah (1-5)

    • Tsy misy Andriamanitra afa-tsy i Jehovah (6-8)

    • Tsisy ilana azy ny sampy (9-20)

    • I Jehovah no Mpanavotra ny Israely (21-23)

    • I Kyrosy no hanorina indray an’i Jerosalema (24-28)

  • 45

    • Notendrena handresy an’i Babylona i Kyrosy (1-8)

    • Ny tanimanga tsy tokony hiady amin’ny Mpanefy azy (9-13)

    • Hanaja ny Israely ny firenena hafa (14-17)

    • Azo itokisana i Jehovah: Ny zavaboary sy ny teniny no porofo (18-25)

      • Noforonina mba honenana ny tany (18)

  • 46

    • Tsy hoatran’ny sampin’i Babylona ny Andriamanitry ny Israely (1-13)

      • Milaza mialoha ny hoavy i Jehovah (10)

      • Vorona mpihaza avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro (11)

  • 47

    • Nianjera i Babylona (1-15)

      • Tsy mahavonjy ny mpanandro (13-15)

  • 48

    • Nanarina ny Israely, nodiovina (1-11)

    • Hamely an’i Babylona i Jehovah (12-16a)

    • Mahasoa ny fampianaran’i Jehovah (16b-19)

    • “Mivoaha avy ao Babylona!” (20-22)

  • 49

    • Ny hataon’ilay mpanompon’i Jehovah (1-12)

      • Fahazavan’ny hafa firenena (6)

    • Fampiononana ho an’ny Israely (13-26)

  • 50

    • Nanota ny Israely dia nahita olana (1-3)

    • Ilay mpanompo mankatò an’i Jehovah (4-11)

      • Nampianarina hahay hiteny sy hihaino (4)

  • 51

    • Naverina ho toy ny zaridainan’i Edena i Ziona (1-8)

    • Mampionona ilay Mpanao an’i Ziona (9-16)

    • Ilay kaopy misy ny fahatezeran’i Jehovah (17-23)

  • 52

    • Mifohaza, ry Ziona ô! (1-12)

      • Tsara tarehy ny tongotr’ilay mitondra vaovao tsara (7)

      • Miara-mihoby ny mpitilin’i Ziona (8)

      • Tokony hadio foana izay mitondra ny fitaovan’i Jehovah (11)

    • Homena voninahitra ilay mpanompon’i Jehovah (13-15)

      • Nosimbana ny endriny (14)

  • 53

    • Nampijalina, novonoina, ary nalevina ilay mpanompon’i Jehovah (1-12)

      • Natao tsinontsinona sy nihatakatahan’ny olona (3)

      • Nitondra ny aretina sy ny fanaintainana (4)

      • “Hoatran’ny ondry hovonoina” (7)

      • Nitondra ny fahotan’ny olona maro (12)

  • 54

    • Ho betsaka ny zanak’i Ziona, ilay vehivavy momba (1-17)

      • I Jehovah no vadin’i Ziona (5)

      • Hampianarin’i Jehovah ny zanak’i Ziona (13)

      • Tsy hisy hahomby izay fiadiana hamelezana an’i Ziona (17)

  • 55

    • Fanasana hihinana sy hisotro maimaim-poana (1-5)

    • Mitadiava an’i Jehovah sy ny teniny (6-13)

      • Avo noho ny lalan’ny olombelona ny lalan’i Jehovah (8, 9)

      • Tsy maintsy ho tanteraka ny tenin’i Jehovah (10, 11)

  • 56

    • Hotahina ny hafa firenena sy ny lehilahy novosirina (1-8)

      • Trano fivavahana ho an’ny olona rehetra (7)

    • Mpitily jamba, alika moana (9-12)

  • 57

    • Maty ny olo-marina sy ny olona tsy mivadika (1, 2)

    • Toy ny vehivavy mpivaro-tena ny Israely (3-13)

    • Fampiononana ho an’izay manetry tena (14-21)

      • Hoatran’ny ranomasina misamboaravoara ny ratsy fanahy (20)

      • Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy (21)

  • 58

    • Ny fifadian-kanina mety sy tsy mety (1-12)

    • Faly mitandrina ny Sabata (13, 14)

  • 59

    • Tafasaraka amin’Andriamanitra ny Israely satria nanota (1-8)

    • Niaiky fahotana (9-15a)

    • Manao zavatra ho an’izay mibebaka i Jehovah (15b-21)

  • 60

    • Mamirapiratra ao Ziona ny voninahitr’i Jehovah (1-22)

      • Hoatran’ny voromailala mankeny amin’ny tranony (8)

      • Volamena ho solon’ny varahina (17)

      • Ny vitsy ho lasa arivo (22)

  • 61

    • Voahosotra mba hilaza vaovao tsara (1-11)

      • “Taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana” (2)

      • “Hazoben’ny fahamarinana” (3)

      • Hanampy ny olona hafa firenena (5)

      • “Mpisoron’i Jehovah” (6)

  • 62

    • Homena anarana vaovao i Ziona (1-12)

  • 63

    • Hamaly an’ireo firenena i Jehovah (1-6)

    • Nasehon’i Jehovah hoe be fitiavana sy tsy mivadika izy (7-14)

    • Vavaka ho fibebahana (15-19)

  • 64

    • Vavaka ho fibebahana: Tohiny (1-12)

      • I Jehovah no “Mpanefy anay” (8)

  • 65

    • Melohin’i Jehovah ireo mpanompo sampy (1-16)

      • Ny andriamanitry ny Vintana sy ny andriamanitry ny Lahatra (11)

      • “Ny mpanompoko hihinana” (13)

    • Lanitra vaovao sy tany vaovao (17-25)

      • Hanao trano; hamboly voaloboka (21)

      • Tsy ho very maina fotsiny ny asa mafy ataony (23)

  • 66

    • Fivavahana marina sy diso (1-6)

    • Ziona sy ireo zanany lahy (7-17)

    • Ho avy hanompo any Jerosalema ny olona (18-24)