Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bokin’i Jeremia

Toko

Topy Maso

  • 1

    • Voatendry ho mpaminany i Jeremia (1-10)

    • Fahitana: Hazo amandie (11, 12)

    • Fahitana: Vilany (13-16)

    • Nampaherezina i Jeremia mba hahavita ny fanendrena azy (17-19)

  • 2

    • Niala tamin’i Jehovah ny Israely, dia nanompo andriamani-kafa (1-37)

      • Toy ny voalobokadia ny Israely (21)

      • Tasin’ny ra ny akanjony (34)

  • 3

    • Nivadi-pinoana ny Israely (1-5)

    • Meloka ho nanitsakitsa-bady ny Israely sy Joda(6-11)

    • Nasaina nibebaka (12-25)

  • 4

    • Tahina izay mibebaka (1-4)

    • Loza avy any avaratra (5-18)

    • Nijaly i Jeremia noho ilay loza hitranga (19-31)

  • 5

    • Tsy nety nandray ny anatr’i Jehovah ny vahoakany (1-13)

    • Rava nefa tsy ringana tanteraka (14-19)

    • Hataon’i Jehovah ampamoaka ny vahoaka (20-31)

  • 6

    • Kely sisa dia hatao fahirano i Jerosalema (1-9)

    • Tezitra be amin’i Jerosalema i Jehovah (10-21)

      • Milaza hoe: “Fiadanana!”, nefa tsy misy fiadanana akory (14)

    • Fanafihana avy any avaratra (22-26)

    • Ho mpisedra metaly i Jeremia (27-30)

  • 7

    • Tsy tokony ho natoky ny tempolin’i Jehovah ny vahoaka (1-11)

    • Ho lasa toa an’i Silo ny tempoly (12-15)

    • Nomelohina ny fivavahan-diso (16-34)

      • Nivavaka tamin’ny “Mpanjakavavin’ny Lanitra” (18)

      • Sorona ankizy tany Hinoma (31)

  • 8

    • Naleon’ny vahoaka ny fanaon’ny besinimaro (1-7)

    • Inona intsony no fahendrena rehefa tsy raharahiana ny tenin’i Jehovah? (8-17)

    • Nitaraina i Jeremia noho ny ratran’ny Joda (18-22)

      • “Tsy misy balsama angaha any Gileada?” (22)

  • 9

    • Nalahelo be i Jeremia (1-3a)

    • Ataon’i Jehovah ampamoaka ny Joda (3b-16)

    • Fitarainana noho ny amin’ny Joda (17-22)

    • Mirehareha hoe mahalala an’i Jehovah (23-26)

  • 10

    • Ny tsy itovizan’ny andriamanitr’ireo firenena sy ilay Andriamanitra velona (1-16)

    • Efa ho ringana sy hatao sesitany (17, 18)

    • Nalahelo be i Jeremia (19-22)

    • Vavak’ilay mpaminany (23-25)

      • Tsy afaka mitondra samirery ny fiainany ny olona (23)

  • 11

    • Nivadika tamin’ny fifanekena nataony tamin’i Jehovah ny Joda (1-17)

      • Maro toy ny tanàna ny andriamanitra (13)

    • Toy ny zanak’ondry nentina hovonoina i Jeremia (18-20)

    • Notoherin’ny olona tao amin’ny tanànany i Jeremia (21-23)

  • 12

    • Nitaraina i Jeremia (1-4)

    • Valin-tenin’i Jehovah (5-17)

  • 13

    • Simba ilay fehikibo vita tamin’ny lamba rongony (1-11)

    • Hopotehina ireo siny misy divay (12-14)

    • Hatao sesitany ny Joda mafy loha (15-27)

      • “Mahavita manova ny volon-kodiny ve ny Kosita?” (23)

  • 14

    • Hain-tany, mosary, sabatra (1-12)

    • Nomelohina ny mpaminany sandoka (13-18)

    • Niaiky ny fahotan’ny vahoaka i Jeremia (19-22)

  • 15

    • Tsy hovan’i Jehovah ny didim-pitsarany (1-9)

    • Nitaraina i Jeremia (10)

    • Valin-tenin’i Jehovah (11-14)

    • Vavak’i Jeremia (15-18)

      • Mahafaly ny mihinana ny tenin’i Jehovah (16)

    • Nampaherezin’i Jehovah i Jeremia (19-21)

  • 16

    • Tsy tokony hanambady i Jeremia, tsy hisaona, tsy hanatrika fanasana (1-9)

    • Hosazina, dia avy eo hampodina any amin’ny taniny (10-21)

  • 17

    • Lalim-paka ny fahotan’ny Joda (1-4)

    • Hotahina izay matoky an’i Jehovah (5-8)

    • Mamitaka ny fo (9-11)

    • Jehovah, fanantenan’ny Israely (12, 13)

    • Vavak’i Jeremia (14-18)

    • Manamasina ny Sabata (19-27)

  • 18

    • Tanimanga eny an-tanan’ny mpanefy tanimanga (1-12)

    • Hanome lamosina ny Israely i Jehovah (13-17)

    • Tetika hamelezana an’i Jeremia; ny fitarainany (18-23)

  • 19

    • Nasaina namotika jaogy kely tanimanga i Jeremia (1-15)

      • Ankizy natao sorona ho an’i Bala (5)

  • 20

    • Nokapohin’i Pasora i Jeremia (1-6)

    • Tsy vitan’i Jeremia ny tsy hitory (7-13)

      • Toy ny afo mirehitra ao am-po ny hafatr’i Jehovah (9)

      • Toy ny miaramila mampahatahotra i Jehovah (11)

    • Nitaraina i Jeremia (14-18)

  • 21

    • Tsy neken’i Jehovah ny fangatahan’i Zedekia (1-7)

    • Mila misafidy ny vahoaka hoe fiainana sa fahafatesana (8-14)

  • 22

    • Didim-pitsarana manameloka an’ireo mpanjaka ratsy fanahy (1-30)

      • Momba an’i Saloma (10-12)

      • Momba an’i Joiakima (13-23)

      • Momba an’i Konia (24-30)

  • 23

    • Mpiandry tsara sy ratsy (1-4)

    • Hilamina ny tany rehefa mitondra ilay “tsimoka marina” (5-8)

    • Nomelohina ny mpaminany sandoka (9-32)

    • “Enta-mavesatr’i” Jehovah (33-40)

  • 24

    • Aviavy tsara sy ratsy (1-10)

  • 25

    • Mifandahatra amin’ireo firenena i Jehovah (1-38)

      • Hanompo an’i Babylona 70 taona ireo firenena (11)

      • Kaopy misy ny divain’ny fahatezeran’i Jehovah (15)

      • Hisy loza hitety firenena (32)

      • Ny voavonon’i Jehovah (33)

  • 26

    • Saika novonoina ho faty i Jeremia (1-15)

    • Tsy novonoina indray i Jeremia (16-19)

      • Faminanian’i Mika (18)

    • Oria mpaminany (20-24)

  • 27

    • Ny ziogan’i Babylona (1-11)

    • Nasaina nanaiky an’i Babylona i Zedekia (12-22)

  • 28

    • Notoherin’i Jeremia i Hanania mpaminany sandoka (1-17)

  • 29

    • Taratasin’i Jeremia ho an’ireo natao sesitany tany Babylona (1-23)

      • Hody ny Israely rehefa afaka 70 taona (10)

    • Hafatra ho an’i Semaia (24-32)

  • 30

    • Nampanantenaina hoe hampodina sy ho sitrana indray (1-24)

  • 31

    • Honina ao amin’ilay tany indray ny sisa amin’ny Israely (1-30)

      • Mitomany an’ireo zanany i Rahely (15)

    • Fifanekena vaovao (31-40)

  • 32

    • Nividy saha i Jeremia (1-15)

    • Vavak’i Jeremia (16-25)

    • Valin-tenin’i Jehovah (26-44)

  • 33

    • Nampanantenaina hoe hiverina amin’ny laoniny ny fiainana (1-13)

    • Hilamina ny tany rehefa mitondra ilay “tsimoka marina” (14-16)

    • Fifanekena tamin’i Davida sy ny mpisorona (17-26)

      • Fifanekena momba ny andro sy ny alina (20)

  • 34

    • Didim-pitsarana ho an’i Zedekia (1-7)

    • Tsy nohajaina ilay fifanekena hoe hafahana ny mpanompo (8-22)

  • 35

    • Fakan-tahaka ny fankatoavan’ny Rekabita (1-19)

  • 36

    • Notononin’i Jeremia izay hosoratana tao amin’ny horonam-boky (1-7)

    • Novakin’i Baroka mafy ilay horonam-boky (8-19)

    • Nodoran’i Joiakima ilay horonam-boky (20-26)

    • Hafatra naverina nosoratana tao amin’ny horonam-boky vaovao (27-32)

  • 37

    • Niala kely ny Kaldeanina fa tsy nanafika indray (1-10)

    • Nogadraina i Jeremia (11-16)

    • Nihaona tamin’i Jeremia i Zedekia (17-21)

      • Nomena mofo i Jeremia (21)

  • 38

    • Nalatsaka tao amin’ny lavaka fanangonan-drano i Jeremia (1-6)

    • Navotan’i Ebeda-meleka i Jeremia (7-13)

    • Nampirisihin’i Jeremia hitolo-batana i Zedekia (14-28)

  • 39

    • Rava i Jerosalema (1-10)

      • Nandositra i Zedekia dia voasambotra (4-7)

    • Tsy tokony hisy hanisy ratsy an’i Jeremia (11-14)

    • Hotsimbinina ny ain’i Ebeda-meleka (15-18)

  • 40

    • Nafahan’i Nebozaradana i Jeremia (1-6)

    • Notendrena hiandraikitra an’ilay tany i Gedalia (7-12)

    • Tetika hamonoana an’i Gedalia (13-16)

  • 41

    • Novonoin’i Ismaela i Gedalia (1-10)

    • Tafatsoaka an’i Johanana i Ismaela (11-18)

  • 42

    • Nangataka an’i Jeremia ny vahoaka mba hivavaka momba an’izay tokony hatao (1-6)

    • Hoy i Jehovah: “Aza mankany Ejipta” (7-22)

  • 43

    • Tsy nankatò ny vahoaka dia nankany Ejipta (1-7)

    • Tenin’i Jehovah tamin’i Jeremia tany Ejipta (8-13)

  • 44

    • Ny loza hanjo an’ireo Jiosy any Ejipta (1-14)

    • Tsy niraharaha ny fampitandreman’i Jehovah ny vahoaka (15-30)

      • Nivavaka tamin’ny “Mpanjakavavin’ny Lanitra” (17-19)

  • 45

    • Hafatr’i Jehovah ho an’i Baroka (1-5)

  • 46

    • Faminaniana manameloka an’i Ejipta (1-26)

      • Ho resin’i Nebokadnezara i Ejipta (13, 26)

    • Fampanantenana ho an’ny Israely (27, 28)

  • 47

    • Faminaniana manameloka ny Filistinina (1-7)

  • 48

    • Faminaniana manameloka an’i Moaba (1-47)

  • 49

    • Faminaniana manameloka an’i Amona (1-6)

    • Faminaniana manameloka an’i Edoma (7-22)

      • Tsy hisy intsony ny firenen’i Edoma (17, 18)

    • Faminaniana manameloka an’i Damaskosy (23-27)

    • Faminaniana manameloka an’i Kedara sy Hazora (28-33)

    • Faminaniana manameloka an’i Elama (34-39)

  • 50

    • Faminaniana manameloka an’i Babylona (1-46)

      • Mandosira ka mialà ao Babylona (8)

      • Haverina any amin’ny taniny ny Israely (17-19)

      • Ho ritra ny ranon’i Babylona (38)

      • Tsy hisy hipetraka intsony any Babylona (39, 40)

  • 51

    • Faminaniana manameloka an’i Babylona (1-64)

      • Horavan’ny Medianina tampoka i Babylona (8-12)

      • Boky natsipy tao Eofrata (59-64)

  • 52

    • Nikomy tamin’i Babylona i Zedekia (1-3)

    • Nanao fahirano an’i Jerosalema i Nebokadnezara (4-11)

    • Noravana ilay tanàna sy ny tempoly (12-23)

    • Olona natao sesitany tany Babylona (24-30)

    • Nafahana avy tao am-ponja i Joiakina (31-34)