Hijery ny anatiny

Kisarisary

Video fohy mampiana-javatra nefa mahafinaritra.

 

Hendry Ianao Raha Madio

Raha madio sy milamina ianao, dia handray soa ianao sy ny manodidina anao. Ho salama ianao amin’izay sady tsy hiady saina be.

Manavakavaka ve Ianao?

Efa nisy foana ny fanavakavahana hatramin’izay. Ianaro ao amin’ny Baiboly hoe inona no azonao atao raha tsy te hanavakavaka ianao.

Mitandrema Amin’ny Vaovao Tsy Marina

Aza tonga dia mino an’izay vaovao henonao na novakinao. Jereo ato ny fomba hamantarana hoe marina ve ny fanazavana henonao.

Te Hahay Hitantam-bola ve Ianao?

Tena ilainao ny mianatra mitantam-bola dieny izao, amin’izay rehefa mila vola ianao any aoriana any dia efa mba efa misy any aminao.

Aza Simbana Amin’ny Setroka ny Fiainanao

Be dia be izao no mifoka sigara. Betsaka koa anefa no efa niala tamin’izany ary maro no mbola miady mafy. Nahoana? Tena ratsy ve ny mifoka sigara?

Lalao Video: Mandresy Ianao sa Resy?

Mety hahafinaritra ny lalao video, nefa misy maha ratsy azy koa. Inona àry no azonao atao mba tsy ho resin’ny lalao video ianao?

Inona no Hataoko mba Tsy Halahelo Be Intsony Aho?

Misy soso-kevitra hanampy anao ho falifaly indray ato.

Inona no Tokony ho Fantatrao Momba ny Spaoro?

Lasa mahay miara-miasa sy mifampiresaka amin’ny hafa ianao, rehefa manao spaoro. Izy io ve anefa no tokony ho zava-dehibe indrindra aminao?

Mba Mailomailo Amin’ny Resaka Toaka!

Be dia be no lasa manaonao foana rehefa misotro, na mety hiteny zavatra mety hanenenany any aoriana. Inona no tokony hataonao raha tsy tianao ny hahita loza amin’ny fisotroana be loatra?

Ahoana no Hahaizako Miresaka Amin’i Dada sy Neny?

Inona no azonao atao, raha tsy te hiresaka amin’ny ray aman-dreninao ianao?

Andevozin’ny Fitaovana Elektronika ve Ianao?

Na be mpampiasa aza ny fitaovana elektronika, dia tsy voatery handevoziny ianao. Ahoana no ahalalana hoe efa andevozin’ilay izy ianao? Ary inona no azonao atao?

Inona no Hataoko fa Voafehifehy Be Aho?

Mieritreritra ianao hoe tokony hoentina hoatran’ny olon-dehibe amin’izay, nefa tsy manaiky an’izany ny ray aman-dreninao. Inona no azonao atao mba hatoky anao izy ireo?

Ahoana no Ataoko Raha Misy Mifosafosa?

Mila manao zavatra haingana ianao, raha vao mitady hivadika ho fosafosa ny resaka!

Tena Tia sa Taratara Fotsiny?

Fantaro ny atao hoe taratara fotsiny amin’ny olona iray sy ny hoe tena tia azy.

Eh! Aza Maditra Hoatr’ireny!

Misy zavatra efatra azonao atao ato, raha sendra misy ankizy mitarika anao haditra.

Mbà Fetsifetsy Amin’ny Internet!

Mahafinaritra ny mifanerasera amin’ny namana ao amin’ny Internet, nefa na izany aza tandremo sao midi-kizo!

Inona no Atao hoe Tena Namana?

Betsaka ny namana sandoka, nefa ahoana no ahitana tena namana?

Tsy Mila Miady Nefa Mandresy!

Fantaro hoe nahoana no misy olona tia mampijaly kely ary ahoana no hiatrehana an’izany.