Hijery ny anatiny

ÉRYTHRÉE

Gadraina Noho ny Finoany: Érythrée

Gadraina Noho ny Finoany: Érythrée

Efa an-taonany maro ny Vavolombelon’i Jehovah any Érythrée no samborina sy gadraina noho ny asa ara-pivavahana ataony na noho ny antony tsy fantatra, nefa tsy mandalo fitsarana akory sady tsy misy fiampangana ara-dalàna. Ao ny vehivavy, ary ao ny be taona. Namoaka didim-pitondrana ny Filoha Afwerki, tamin’ny 25 Oktobra 1994, hoe esorina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zom-pirenen’izy ireo. Tsy nifidy mantsy izy ireo rehefa nisy fitsapan-kevi-bahoaka natao tamin’ny 1993 mba hitakiana ny fahaleovan-tena. Tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany koa izy ireo. Nametraka fanompoana sivily ny manam-pahefana tany Érythrée, tamin’ny mbola tsy noterena hanao miaramila ny olona. Betsaka ny Vavolombelona nandray anjara tamin’izany, tany amin’ny biraom-panjakana samihafa. Omen’ny manam-pahefana taratasy fanamarinana foana izy ireo isaky ny avy nahavita fanompoana sivily, ary matetika no noderaina satria niasa tsara. Taorian’ilay didim-pitondrana navoakan’ny filoha anefa, dia nanagadra sy nampijaly ary nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitandro filaminana, mba hanerena azy ireo hiala amin’ny finoany.

Vavolombelon’i Jehovah 39 izao no mbola any am-pigadrana (lehilahy ny 27 ary vehivavy ny 12). Vavolombelon’i Jehovah 28 (lehilahy ny 26 ary vehivavy ny 2) no nafahana tamin’ny 4 Desambra 2020, rehefa avy nogadraina noho ny finoany. Nigadra 5 taona ka hatramin’ny 26 taona izy ireo. Lehilahy iray Vavolombelona no nafahana tamin’ny 29 Janoary 2021 rehefa avy nigadra 12 taona mahery, ary Vavolombelona telo (lehilahy ny iray ary vehivavy ny roa) no nafahana tamin’ny 1 Febroary 2021. Nigadra efa-taona ka hatramin’ny sivy taona izy ireo.

Vavolombelon’i Jehovah maty tany am-pigadrana satria nijaly loatra

Vavolombelon’i Jehovah efatra izay no efa maty tany am-pigadrana, any Érythrée, ary telo ny Vavolombelon’i Jehovah be taona maty taoriana kelin’ny nanafahana azy. Nijaly loatra mantsy izy ireo tany am-pigadrana.

Vavolombelona roa no maty tamin’ny 2018 rehefa avy nafindra tao amin’ny Fonjan’i Mai Serwa. I Habtemichael Tesfamariam ny iray. Maty tamin’ny 3 Janoary izy, teo amin’ny faha-76 taonany. Maty koa avy eo i Habtemichael Mekonen tamin’ny 6 Martsa, teo amin’ny faha-77 taonany. Nogadraina tamin’ny 2008 izy roa lahy ireo, nefa tsy nisy fiampangana natao tamin’izy ireo akory.

Vavolombelona roa no maty tamin’ny 2011 sy 2012, satria nijaly loatra izy ireo tao amin’ny Fonjan’i Mitire. Maty tamin’ny Jolay 2011 i Misghina Gebretinsae, 62 taona, satria nafana loatra tao amin’ilay toerana fanasaziana “ambanin’ny tany” nisy azy. Mitovy amin’izany koa ny nitranga tamin’i Yohannes Haile, 68 taona. Maty izy tamin’ny 16 Aogositra 2012, rehefa avy nigadra efa-taona latsaka kely. Ankoatra izany, dia Vavolombelon’i Jehovah be taona telo no maty taoriana kelin’ny nanafahana azy ireo, satria nijaly loatra izy ireo tany amin’ny Fonjan’i Mitire. Ireto avy izany: Kahsai Mekonnen, Goitom Gebrekristos, ary Tsehaye Tesfariam.

Tsy raharahiana ny tenin’ny fikambanana mpiaro ny zon’olombelona

Miziriziry tsy mety manaraka ny fenitra iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona i Érythrée. Melohin’ny fikambanana lehibe mpiaro ny zon’olombelona i Érythrée satria manitsakitsaka ny zo fototra ananan’ny olona, ary mbola ampirisihiny mafy io firenena io mba hanitsy an’izany.

Nanadihady ny zava-mitranga any Érythrée ny Mpanao Tatitra Manokana, ary nandefa tatitra tany amin’ny Filan-kevitra Momba ny Zon’olombelona (CDH), tamin’ny 2014. Voalaza tao fa tokony hanaja ny zon’ireo tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ny manam-pahefana any, “araka ny lalàna iraisam-pirenena.” Tokony “hataony azo antoka [koa] hoe hajaina ny maha olona an’ireo voafonja rehetra, homena ny fitsaboana ilainy izay mila an’izany ..., ary hohatsaraina ny fonja mba hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena.” Nampirisika an’i Érythrée ny CDH, tamin’ny 2015, mba hanome safidy ho an’izay tsy manao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

Nilaza ny Vaomiera Manadihady Momba ny Zon’olombelona any Érythrée, tamin’ny 2016, hoe nanao “heloka bevava amin’ny maha olona” ny manam-pahefana any Érythrée satria “manenjika [ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny olon-kafa] noho ny fivavahany sy ny fiaviany.”

Nilaza ny fanahiany ny Komitin’ny Manam-pahaizana Mpanasoa sy Mpiaro ny Zon’ny Ankizy any Afrika (ACERWC), tamin’ny 2017, hoe na eo aza ny lalàna miaro ny ankizy, dia tsy afaka mandray soa amin’izany ny “zanaka Vavolombelon’i Jehovah” fa ampijalina. Asain’ny ACERWC miaiky i Érythrée hoe manan-jo hanana ny heviny sy hanaraka ny feon’ny fieritreretany ary ny fivavahany ny ankizy tsy an-kanavaka, ary tokony hataony izay ahafahan’ny rehetra mampihatra tanteraka an’izany zony izany.

Nilaza ny Vaomiera Afrikanina Miaro ny Zon’olombelona sy ny Zon’ny Vahoaka, tamin’ny 2018, hoe tokony “handray fepetra haingana [i Érythrée] mba tsy ho voahitsakitsaka intsony ny zo fototra ananan’ny gadra rehetra, anisan’izany ... ny Vavolombelon’i Jehovah.” Asainy hadihadina koa ny momba an’ireo Vavolombelon’i Jehovah maty tany am-pigadrana. Asongadin’ilay vaomiera fa tokony hataon’i Érythrée azo antoka hoe “manana ny zom-pireneny foana” ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nilaza ny Komitin’ny Firenena Mikambana Miaro ny Zon’olombelona (CCPR), tamin’ny Mey 2019, hoe tokony hanao zavatra haingana i Érythrée mba ho azo antoka fa afaka mampihatra tsara ny fahalalahany ara-pivavahana ny olona sady afaka mino an’izay tiany hinoana. Nilaza koa io komity io fa tokony “hafahana ny olona rehetra nosamborina na nogadraina satria hoe mampihatra ny fahalalahany ara-pivavahana, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah.” Tian’ny CCPR koa raha “ekena ho ara-dalàna hoe manan-jo tsy hanao miaramila ny olona iray raha tsy eken’ny feon’ny fieritreretany izany, ary tokony hisy fanompoana sivily azony atao ho solon’izany.”

Nanao antso avo ho an’ny fitondrana any Érythrée ny Mpanao Tatitra Manokana eo Anivon’ny Firenena Mikambana, tao amin’ny tatitra nataony tamin’ny 12 Mey 2021, mba “hanafaka haingana tsy misy fepetra an’izay olona mbola migadra noho ny finoany na ny fivavahany nefa tsy voampanga na notsaraina, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah 20.” Nesorina tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny zom-pirenen’izy ireo, noho ny fivavahany, ka nasaina “hamerina handinika” an’izany fanapahan-keviny izany ny fitondrana. Ankoatra izany, dia nasaina “hanatanteraka an’ilay fangatahan’ny Vaomiera Afrikanina Miaro ny Zon’olombelona sy ny Zon’ny Vahoaka [i Érythrée] hoe atao izay hihazonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zony amin’ny maha olom-pirenena azy ireo, sy ilay fangatahana hoe hadihadina ny antony nahafaty an’ireo Vavolombelon’i Jehovah tany am-pigadrana.”

Migadra mandritra ny fotoana tsy voafaritra

Tsy voafaritra ny fotoana igadran’ny ankamaroan’ny lehilahy Vavolombelon’i Jehovah any ka tsy manantena ny hafahana izy ireo raha tsy hoe maty na efa ho faty. Mitovy amin’ny hoe voaheloka mandra-pahafatiny izy ireo rehefa migadra, satria tsy misy mahomby izay dingana ara-dalàna atao mba hanampiana azy ireo.

Zava-nitranga

  1. 17 Jona 2024

    Nisy 39 ny fitambaran’ny Vavolombelon’i Jehovah nogadraina.

  2. 1 Febroary 2021

    Vavolombelona telo no nafahana.

  3. 29 Janoary 2021

    Vavolombelona iray no nafahana.

  4. 4 Desambra 2020

    Vavolombelona 28 no nafahana.

  5. 6 Martsa 2018

    Maty i Habtemichael Mekonen, 77 taona, rehefa nafindra tao amin’ny Fonjan’i Mai Serwa.

  6. 3 Janoary 2018

    Maty i Habtemichael Tesfamariam, 76 taona, rehefa nafindra tao amin’ny Fonjan’i Mai Serwa.

  7. Jolay 2017

    Nafindra tany amin’ny Fonjan’i Mai Serwa, any ivelan’i Asmara, ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra tao amin’ny Fonjan’i Mitire.

  8. 25 Jolay 2014

    Nafahana ny ankamaroan’ireo nosamborina tamin’ny 14 Aprily. Mbola any am-ponja kosa ny 20 tamin’ireo voasambotra tamin’ny 27 Aprily.

  9. 27 Aprily 2014

    Vavolombelona 31 no voasambotra nandritra ny fianarana Baiboly nataon’izy ireo.

  10. 14 Aprily 2014

    Vavolombelona 90 mahery no voasambotra nandritra ny fankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy.

  11. 16 Aogositra 2012

    Maty i Yohannes Haile, 68 taona, satria mafy be ny zavatra niainany tany am-ponja.

  12. Jolay 2011

    Maty i Misghina Gebretinsae, 62 taona, satria mafy be ny zavatra niainany tany am-ponja.

  13. 28 Jona 2009

    Nanao bemidina tany an-tranon’ny Vavolombelona iray ny manam-pahefana nandritra ny fotoam-pivavahana natao tao. Nosamborin’izy ireo daholo ireo Vavolombelona 23 tao, izay teo anelanelan’ny 2 ka hatramin’ny 80 taona.

  14. 28 Aprily 2009

    Nafindra tany amin’ny Fonjan’i Mitire ireo Vavolombelon’i Jehovah rehetra notazonina tao amin’ny paositry ny polisy. Iray ihany no tsy nafindra.

  15. 8 Jolay 2008

    Nanomboka nanao bemidina tany an-tranon’olona sy tany amin’ny toeram-piasana ny manam-pahefana, ary nisambotra Vavolombelona 24. Mamelona fianakaviana ny ankamaroan’ireo voasambotra.

  16. Mey 2002

    Nakaton’ny fanjakana ny antokom-pivavahana rehetra tsy anisan’ireo fivavahana efatra ekeny ho ara-dalàna.

  17. 25 Oktobra 1994

    Nivoaka ny didim-pitondrana hoe esorina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny zom-pirenen’izy ireo sy ny zo fototra hafa ananany.

  18. 17 Septambra 1994

    Nogadraina i Paulos Eyasu sy Isaac Mogos ary Negede Teklemariam nefa tsy notsaraina sady tsy nisy zavatra niampangana azy.

  19. 1950-1960

    Nanomboka nisy Vavolombelon’i Jehovah tany Érythrée.