Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehovah no Tiako Hitantana ny Diako

Jehovah no Tiako Hitantana ny Diako

Haka:

  1. 1. Ny fiainako any aoriana any, hanao ahoana re no hiafarany?

    Izay sampanana halehako ve mety hahasambatra ahy ihany?

    Fa n’inona hitranga, dia tapa-kevitra aho fa

    Jehovah tsy ho foiko satria tia an’ahy.

    (FIVERENANA)

    Na dia misy olona tiako, na zavatra iriko;

    ’Zay tian’i Jehovah, izay no hofidiko.

    Raha manoro lalana ahy izy, dia izaho tsy handà.

    Hampandeferiko ny ahy, raha toa tsy ho sahaza.

    Tsy hanenina anefa, fa ho sambatra aza.

    Ny hoaviko rehetra dia izy no tiako hitantana ahy.

  2. 2. ’Ndraindray manintona aloha ’reo dokam-barotra etsy sy eroa,

    Ho diso lalana anefa raha ’zay no safidin’ny fo.

    Tsy hivadika aho fa aleo manohy ilay dia.

    ’Lay voady natao tsy ho hadino, sanatria.

    (FIVERENANA)

    Na dia misy olona tiako, na zavatra iriko;

    ’Zay tian’i Jehovah, izay no hofidiako.

    Raha manoro lalana ahy izy, dia izaho tsy handà.

    Hampandeferiko ny ahy, raha toa tsy ho sahaza.

    Tsy hanenina anefa, fa ho sambatra aza.

    Ny hoaviko rehetra dia izy no tiako hitantana ahy.

    (TETEZANA)

    Jehovah hanome ahy izay sarobidy,

    Ka ny anjarako dia ny mahay misafidy.

    Fa namako akaiky izy, hanoro ahy ny tsara,

    Satria tiany ho afa-po aho sy ho tsara fiafara.

    (FIVERENANA)

    Na dia misy olona tiako, na zavatra iriko;

    ’Zay tian’i Jehovah, izay no hofidiko.

    Raha manoro lalana ahy izy, dia izaho tsy handa.

    Hampandeferiko ny ahy, raha toa tsy ho sahaza.

    Tsy hanenina anefa, fa ho sambatra aza.

    Ny hoaviko rehetra dia izy no tiako hitantana ahy.

    Ny hoaviko rehetra dia izy no tiako hitantana ahy.