Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ataoko An-tsaina Foana ny Fampahatsiahivanao

Ataoko An-tsaina Foana ny Fampahatsiahivanao

Haka:

  1. 1. Ahoana re? ’Zaho mba te handeha!

    Tsy voatery ho ratsy any na voatery hialana.

    ’Zaho ange raha mba mankany tsy hoe fahotana.

    Mba lazao ahy fa tsy haiko ange ’zay zava-dehibe!

    Ho diso aho ve raha hoe te handeha?

    Raha misotro ny olona any, mety tsy hahafehy tena.

    Raha mandeha mankany, hita fa tsy fahendrena.

    Ô! Aiza ny lalan-kaleha? Jehovah, miangavy anao re!

    (FIVERENANA)

    Ianao mampahatsiahy ahy, dia mamiko izany.

    Rehefa hisafidy aho, tsaroako avy hatrany

    ’Reo fampianaranao, ireo torohevitrao, ’zay no ataoko an-tsaina.

  2. 2. Izay tokony hatao efa ao an-tsaiko ao.

    Ny ahy tsy tiako aloha ny hampahatezitra azy ireo,

    Fa ’zaho ’ndray tsy ho any sao mahita olana eo.

    Izay no efa hitako hoe mety: Tsy handeha am’ilay fety.

    (FIVERENANA)

    Ianao mampahatsiahy ahy, dia mamiko izany.

    Rehefa hisafidy aho, tsaroako avy hatrany

    ’Reo fampianaranao, ireo torohevitrao, ’zay no ataoko an-tsaina.

    (FIVERENANA)

    Ilay bokinao no vakiko isan’andro,

    Satria mampahatsiahy ahy maraina, antoandro;

    Manampy ahy lalandava ka lasa mazava

    ’Zay tokony hatao sy ’zay sitraponao.

    ’Reo fampianaranao, ireo torohevitrao no hataoko an-tsaina.