Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Tafarina Aho

Ho Tafarina Aho

Haka:

  1. 1. Mangirifiry ny any am-poko lalina any.

    Jehovah ô, ketraka aho fa manirery.

    ’Zao aho lavitra anao, te hamonjy ilay akany,

    Ho sitrana indray, tsy hisy fery.

    (FIVERENANA)

    Tsy voakosoka ato an-tsaiko, tsy mba mety hadino

    ’Reo fahamarinanao ’zay sarobidy:

    Hoe raha sendra lavo aho, ianao mbola mino

    Fa ho tafarina aho.

  2. 2. ’Reo tia anao amin’ny fo

    Dia fantatro hoe tia ahy;

    Tena tsapako hoe tsara fanahy.

    Ny lalana izorako mazava izao satria

    Ny Teninao mitarika ny dia.

    (TETEZANA)

    ’Zay rehetra reko sy ’zay mba jereko, vao mainka mampiaiky:

    Ny farany efa akaiky.

    (FIVERENANA)

    Ry Jehovah be fitia, mba henoy re aho.

    ’Zaho anie mila anao ka mitalaho.

    Raha mbola lavo impito aho, matoky ianao

    Fa ho tafarina aho.

    (TETEZANA)

    Ianao Jehovah tsy hanakiana, fa hitanao hoe mila ampiana.

    Tsy ny hadisoana ataoko no jerenao fa ’zay tsara.

    Ianao eo foana hikarakara.

    (FIVERENANA)

    ’Zaho hiverina hivory indray, hamonjy ilay akany;

    Ny fitiavana any tsy mba lany.

    Raha sanatria ka lavo aho dia tsy hisalasala, hiarina avy hatrany.

    Ho tafarina aho.