Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tiako Be Indrỳ ry Zanako Vavy

Tiako Be Indrỳ ry Zanako Vavy

Haka:

  1. 1. Tsaroako akia ’lay feo,

    ’Lay feo miangoty.

    Ianao fihiniko eo,

    ’Zaho mandrotsirotsy.

    Dia teny nihalehibe,

    Nianatra nandeha.

    Nahafatifaty ahy erỳ!

    (FIVERENANA)

    “Ry tiana, tsy foiko, ianao fifaliako.

    Tsy hiova na oviana, f’ianao ’nie tiako.”

  2. 2. ’Zao efa voninkazo

    ’Lay voa nafafy;

    Tsy mba nanaiky halazo,

    Nandresy ady mafy.

    Dia ’zay natoro an-drỳ,

    Tadidio akia.

    Ry zanako aza hadino izao:

    (FIVERENANA)

    “Ry tiana, tsy foiko, ianao fifaliako.

    Tsy hiova na oviana, f’ianao ’nie tiako.”

    (TETEZANA)

    Fa Jehovah anie

    Tsy hanadino anao,

    Satria manompo azy,

    Mikely aina ianao.

    Marina izy ka

    Hotsaroany fa

    Ianao tia azy.

    (FIVERENANA)

    Ry tiany, tsy foiny, ianao fifaliany.

    Ry tiany, tsy foiny, ianao tena hampiany.

    Ry tiany, tsy foiny, ianao tsy hariany.

    Ry tiany, tsy foiny, ianao tiany.