Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izay Tena Zava-dehibe

Izay Tena Zava-dehibe

Haka:

  1. 1. Ny safidy isan’andro tsy maintsy atao.

    Inona no ampiasana ny fotoananao?

    Ny fialam-boly aloha mahafaly ary ilaina,

    Nefa tsara koa raha toa mba lanjalanjaina.

    (FIVERENANA)

    ’Zay tena zava-dehibe, ’zay no ataovy aloha.

    Tsy aleo ve mba miaro ny fo?

    Dia ampandefero izay tsy mahasoa.

    Fa mivavaha ary mianara,

    Dia ny fanompoana no tanteraho tsara.

    Ny ho naman’i Jehovah anie no tsara indrindra.

  2. 2. Mampiady saina anao ny vola lany,

    Dia voatery ianao miasa ka revo am’izany.

    Nefa ny ao an-trano aza atakalo,

    Ampio sy ahio izy ireo, ny harena anie mandalo.

    (FIVERENANA)

    ’Zay tena zava-dehibe, ’zay no ataovy aloha.

    Tsy aleo ve mba miaro ny fo?

    Dia ampandefero izay tsy mahasoa.

    Fa mivavaha ary mianara,

    Dia ny fanompoana no tanteraho tsara.

    Ny ho naman’i Jehovah anie no tsara indrindra.

    (FIVERENANA)

    ’Zay tena zava-dehibe, ’zay no ataovy aloha.

    Tsy aleo ve mba miaro ny fo?

    Dia ampandefero izay tsy mahasoa.

    Fa mivavaha ary mianara,

    Dia ny fanompoana no tanteraho tsara.

    Ny ho naman’i Jehovah anie no tsara indrindra.