Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matoky Anao Aho

Matoky Anao Aho

Haka:

  1. 1. Latsa-paka ao anaty foko;

    Manampy ahy tsy hitoloko;

    Ny Teninao no mampitraka raha sendra mba misento.

    Tsy hamoy fo aho, tsy hiady saina.

    Efa ianao no antenaina.

    Toa reko ianao ’lay mampahatsiahy, dia miteny ahy hoe:

     

    ‘Eto aho hanampy anao.

    Matokia. Dia tohizo ilay dia.’

    (FIVERENANA)

    Na maloka aza izay hita,

    N’inona hitranga, ’zaho hahavita

    Hiaritra hatrany, tsy ho resy, fa matoky anao.

  2. 2. Manirery aho, mitsiriritra,

    Malahelo, mipitrapitra.

    Soa ihany aho manana anao, tsy hanary an’ahy.

    Nefa ampio tsy hisalasala

    Mba tsy hivadika, tsy hiala;

    Ka hisaintsaina hatrany izay lazainao. Hoe:

     

    ‘Eto aho, tsy handao anao.

    Matokia. Dia tohizo ilay dia.

    Tadidio, mandalo ihany izao.

    Kely sisa dia tontolo vaovao.’

    (FIVERENANA)

    Na maloka aza izay hita,

    N’inona hitranga, ’zaho hahavita

    Hiaritra hatrany, tsy ho resy, fa matoky anao.

    Anao.

     

    Eto aho, tsy handao anao.

    Matokia. Dia tohizo ilay dia.

    Tadidio, mandalo ihany izao.

    Kely sisa dia tontolo vaovao.

    (FIVERENANA)

    Na maloka aza izay hita,

    N’inona hitranga, ’zaho hahavita

    Hiaritra hatrany, tsy ho resy, fa matoky anao.