Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Irery Mihitsy Aho

Tsy Irery Mihitsy Aho

Haka:

  1. 1. Voafitaka aho, nafoy.

    Ny niantra ahy tsy mba nisy.

    Dia ’zao tokoa ve ny hoe resy?

    Nitady toky aho, nefa indrisy!

    Mavesatra ny fo.

    Handositra aiza moa?

    Mba iza moa no handrandraiko?

    Mangidy loatra no zakaiko.

    (FIVERENANA)

    F’izaho tsy irery,

    Izaho tsy very.

    Jehovah miahy

    Sy miaro ahy.

    Dia izy eo foana,

    Ary izy hijery

    Ka tsy hamela

    Ahy hiady irery.

    Raha miantso aho dia hohenoiny.

    Tsy irery aho, tsy hafoiny.

  2. 2. ’Zay mety ho sarobidy,

    Noho ianao, dia hafoiko.

    Na mety mbola hanary ahy

    Ny olona akaikin’ny foko.

    Ianao ny ahy no itokiako,

    Ianao no ataoko ho rova.

    Hifikitra aminao aho,

    F’ianao ’lay tia ahy, tsy mba miova.

    (FIVERENANA)

    F’izaho tsy irery,

    Izaho tsy very.

    Jehovah miahy

    Sy miaro ahy.

    Dia izy eo foana,

    Ary izy hijery

    Ka tsy hamela

    Ahy hiady irery.

    Raha miantso aho dia hohenoiny.

    Tsy irery aho, tsy hafoiny.

    Izaho tsy very.

    Jehovah miahy

    Sy miaro ahy.

    Dia izy eo foana,

    Ary izy hijery

    Ka tsy hamela

    Ahy hiady irery.

    Raha miantso aho dia hohenoiny.

    Tsy irery aho, tsy hafoiny.