Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Atrakao ny Loha

Atrakao ny Loha

Haka:

  1. 1. Ny fiainanao ve toa sambo tsy ho tafita?

    Adin-tsaina foana, ny andro iray toa tsy ho vita.

    Na dia mafy aza izay miseho,

    Ny fihetseham-ponao toneo.

    Aaa...

    Eee...

    (FIVERENANA)

    Atrakao ny loha dia Izy no antsoy,

    F’Izy tsy mba handao, tsy mba hahafoy.

    Raha kivy indraindray ny fo,

    Tsy irery ianao fa mivavaha aloha.

    Mivavaha ao am-po.

    Ooo...

    Atrakao ny loha.

  2. 2. Ny alahelo rehefa tsy ho zaka,

    Dia omeny namana hangoraka, hampitraka.

    Dia ny Teniny lavorary,

    Hampionona ny fonao marary.

    Aza kivy,

    Eo foana Izy.

    (FIVERENANA)

    Atrakao ny loha dia Izy no antsoy,

    F’Izy tsy mba handao, tsy mba hahafoy.

    Raha kivy indraindray ny fo,

    Tsy irery ianao fa mivavaha aloha.

    Mivavaha ao am-po.

    Ooo...

    (TETEZANA)

    Raha semban-drahona kely anio,

    Dia tadidio

    Hoe mandalo ihany io.

    (FIVERENANA)

    Atrakao ny loha dia Izy no antsoy,

    F’Izy tsy mba handao, tsy mba hahafoy.

    Raha kivy indraindray ny fo,

    Tsy irery ianao fa mivavaha aloha.

    Mivavaha ao am-po.

    Ooo...

    Atrakao ny loha.