Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Miezaha ho Tia Mandray Vahiny”

“Miezaha ho Tia Mandray Vahiny”

Haka:

  1. 1. Mofo sa dite ve no misy ao?

    Fa mety koa raha kilalao.

    Avy amin’i Jehovah ireo raha tanisaina.

    Tsy aleo ve zaraina?

    (FIVERENANA)

    Koa mba “miezaha ho tia mandray vahiny.”

    Antsoy izy hoe “Avia!”

    Na tsisy valiny aza ankehitriny,

    Dia ’zay no tena tia.

  2. 2. Ny tranontsika anie avy amin’i Jehovah Ray.

    Maninona àry moa raha zaraina indraindray?

    Satria ho faly ianao raha toa ka tia mizara,

    F’izay no tsara.

    (FIVERENANA)

    Koa mba “miezaha ho tia mandray vahiny.”

    Antsoy izy hoe “Avia!”

    Na tsisy valiny aza ankehitriny,

    Dia ’zay no tena tia.

    (TETEZANA)

    Misy mahantra noho ianao.

    Tsy fidiny ho azy anie,

    Fa sendra loza ka mba iantrao.

    Tsy hojerenao ve?

    Raiso ho namanao àry izy, ka mba ampandrosoy.

    ’Zay misy arosoy.

    (FIVERENANA)

    Koa mba “miezaha ho tia mandray vahiny.”

    Antsoy izy hoe “Avia!”

    Na tsisy valiny aza ankehitriny,

    Dia ’zay no tena tia.

    Dia ’zay no tena tia.

    Izay no tena tia!