Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andao fa Aza Tara!

Andao fa Aza Tara!

Haka:

  1. 1. Toa miova be ny androntsika,

    Ny lasa nivalona any.

    Mba ampio re aho fa sao tsy

    Maharaka an’izany.

    Raha lasa tsy mahomby

    ’Lay fomba nety indrindra,

    Dia fomba fiasa vaovao no araho.

    Ovao ’ndray ny famindra!

    (FIVERENANA)

    ’Ndao f’aza tara!

    Miova ny tantara.

    Andao hihatsara.

    Miezaha ka mba mianara.

    Andao handroso hatrany isika

    Mba tsy ho tara,

    Tsy ho tara.

  2. 2. Mba vonona maraina aho.

    Tsara erỳ ny fikasana!

    Fa misy foana sakana avy eo,

    Toa tsisy azo ialana.

    Aza kivy anefa,

    Na dia mety hoe manahy.

    Izay nomena antsika ampiasao,

    Fa ny olana hivaha!

    (FIVERENANA)

    ’Ndao f’aza tara!

    Miova ny tantara.

    Andao hihatsara.

    Miezaha ka mba mianara.

    Andao handroso hatrany isika

    Mba tsy ho tara,

    Tsy ho tara.

    (TETEZANA)

    Araho izay fanovana,

    Dia jereo ny fitahiana.

    Tsarovy fa ’lay Rainao

    Mijery anao am-pitsikiana.

    Tsy ho ela intsony,

    Kely sisa

    Dia ho hitanao

    ’Lay tany soa, Paradisa.

    Soa fa nanao izay azo atao

    (FIVERENANA)

    Mba tsy ho tara.

    Miova ny tantara.

    Andao hihatsara.

    Miezaha ka mba mianara.

    Andao handroso hatrany isika

    Mba tsy ho tara,

    Tsy ho tara.

    ’Ndao f’aza tara!

    Miova ny tantara.

    Andao hihatsara.

    Miezaha ka mba mianara.

    Andao handroso hatrany isika

    Mba tsy ho tara,

    Tsy ho tara.

    ’Ndao f’aza tara!