Alao Sary An-tsaina

Alao Sary An-tsaina

Haka:

  1. 1. Ny fiainanay anie ady mafy,

    Mahantra ka voatery mihafy.

    Ny maso fotsiny no akimpio:

    ’Lay Paradisa io ambadika io!

    (FIVERENANA)

    Alao sary an-tsaina izay andro izay:

    Ho faly ianao fa Paradisa indray!

    Alao sary an-tsaina àry hoe isan’andro ianao

    Hisaotra sy hankafy an’ilay fiainam-baovao.

  2. 2. Hatrizay tsy nisy feo mba reko,

    Manjavozavo izay jereko.

    Nefa am’izay hankafy mozika,

    Hazava indray ’zay rehetra hita.

    (FIVERENANA)

    Alao sary an-tsaina izay andro izay:

    Ho faly ianao fa ho tanora indray!

    Alao sary an-tsaina àry hoe isan’andro ianao

    Hisaotra sy hankafy an’ilay fiainam-baovao.

    (TETEZANA)

    Hiaritra aho na mafy aza izao satria

    Tsy ho ela aho dia mba hiriaria!

    (FIVERENANA)

    Alao sary an-tsaina izay andro izay:

    Ho faly ianao fa ho salama indray!

    Handihy sy hilalao, hankafy ’zao rehetra izao,

    Isan’andro hihatsara ny fiainanao.

    (FIVERENANA)

    Alao sary an-tsaina izay andro izay:

    Ho faly ianao fa Paradisa indray!

    Alao sary an-tsaina àry hoe isan’andro ianao

    Hankafy ’lay fiainam-baovao.