Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Omeko Anao Ilay Zanako Tsy Foiko

Omeko Anao Ilay Zanako Tsy Foiko

Haka:

  1. 1. ’Lay zanakay lahy,

    Harena nomenao anay;

    Notiavina,

    Nofanina.

    Lehibe ’zao izy,

    Nanao safidy.

    Tsy very maina ny ezakay.

    (FIVERENANA)

    ’Zao àry izy handao.

    Na malahelo aza aho,

    Dia fantatro f’ianao indray

    No Ray hitantana azy izao,

    Sy ho mandrakizay.

    Amin’ny hoavy koa,

    Ho tony foana ny ato am-poko.

    Omeko anao ’lay tsara indrindra.

    Omeko anao ilay tsy foiko.

  2. 2. ’Lay zanakay vavy,

    ’Lay valisoa avy aminao

    Dia nolalaina

    Sy notezaina.

    Tao ny hakiviana,

    Tao ny hafaliana,

    Ka reharehanay izao.

    (FIVERENANA)

    ’Zao àry izy handao.

    Na malahelo aza aho,

    Dia fantatro f’ianao indray

    No Ray hitantana azy izao,

    Sy ho mandrakizay.

    Amin’ny hoavy koa,

    Ho tony foana ny ato am-poko.

    Omeko anao ’lay tsara indrindra.

    Omeko anao ilay tsy foiko.