Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izao no Fotoana

Izao no Fotoana

Haka:

  1. 1. Izao andro izao ve hitanao

    F’efa miharatsy foana?

    Tena mila mailo isika izao,

    Kely sisa ny fotoana.

    Hararaoty izao mba hitoriana,

    Izay mihaino ampianaro.

    Fa ny anaran’i Jehovah

    Mila fantatry ny maro.

    (FIVERENANA)

    ’Zao no fotoana

    Tsy maintsy hitoriana.

    Isika tsy ho kivy ary tsy hangina.

    Izao no fotoana,

    Fa tsy any aoriana.

    ’Zao no andro farany iadiana.

  2. 2. ’Zao fotoana iainantsika izao

    Dia mandalo indray mandeha.

    Itorio ireo akaiky anao

    Sy izay mbola tsy nandre.

    Ho tsaroanao izany indray andro any,

    Ka tsy hanenenanao

    Ny nanompo an’i Jehovah

    Sy nanao izay azo atao.

    (FIVERENANA)

    ’Zao no fotoana

    Tsy maintsy hitoriana.

    Isika tsy ho kivy ary tsy hangina.

    Izao no fotoana,

    Fa tsy any aoriana.

    ’Zao no andro farany iadiana.

    (TETEZANA)

    Mahereza fa tsy irery isika.

    ’Ndao hanao izay azo atao,

    Fa sampanana iray sisa,

    Dia tontolo vaovao!

    (FIVERENANA)

    ’Zao no fotoana

    Tsy maintsy hitoriana.

    Isika tsy ho kivy ary tsy hangina.

    Izao no fotoana,

    Fa tsy any aoriana.

    ’Zao no andro farany iadiana.