Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahereza fa Aza Kivy!

Mahereza fa Aza Kivy!

Haka:

  1. 1. Maneno akoho,

    Dia efa mifoha.

    Mivavaka izy aloha:

    ‘Ray ô, mba tahio,

    ’Zahay rehetra ampio,

    Mba omeo ’zay sahaza anio.’

    Na mafy aza hataony ahoana?

    Tsy maintsy miezaka eny foana.

    Manamaivana izay fanahiany

    ’Lay hira tena tiany:

    (FIVERENANA)

    ‘Mitrakà, aza kivy!

    Fa ’zaho tsy hanadino!

    ’Zaho no hanampy anao,

    Tanako fihino.’

    Io hira io no kaloiny,

    Io hira io no vetsoiny,

    Hoe: “Izy no hiahy

    Sy hampahery anao.”

    (TETEZANA)

    Ny asa mandreraka aina,

    F’izy tsy malaina.

    Miady mafy eny izy irery.

    Fa ny fahantrana

    Efa tsy azony ialana.

    Soa fa misy mampahery!

  2. 2. Miangavy indray,

    Manganohano,

    Hoe: ‘Ray ô, mba tohano,

    Mba ho toy irony

    Voromahery ambony.

    Fa kivy indray ka ampionòny.’

    Reraka izy, mba marary,

    Mbola manao ’zay vitany ihany.

    Na mavesatra ny eo am-pofoany,

    ‘Lay hira no tsaroany.

    (FIVERENANA)

    ‘Mitrakà, aza kivy!

    Fa ’zaho tsy hanadino!

    ’Zaho no hanampy anao,

    Tanako fihino.’

    Io hira io no kaloiny,

    Io hira io no vetsoiny,

    Hoe: “Izy no hiahy

    Sy hampahery anao.”

    Dia “Izy no hiahy

    Sy hampahery anao.”