Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hira Iray Hisaorana An’ilay Mpamorona

Hira Iray Hisaorana An’ilay Mpamorona

Haka

  1. 1. Rivotra mitsoka mora avy any ho any;

    Iny ilay masoandro, hizara ny hafanany.

    Manopy manja izay loko iantefany.

    Na tsotra aza tsara! Kanto anie izany!

     

    Nahoana aho moa

    No omenao izao?

    Tsy mendrika aloha,

    Fa te hisaotra anao.

    (FIVERENANA)

    Jehovah ô, misaotra

    Fa izay nataonao

    Tsara loatra.

    Dia fitiavana izao.

    Tiako holazaina,

    Tiako hiraina fa mamy ny miaina, noho ianao

    Sy ’reo zava-kanto avy aminao.

    Misaotra anao aho.

    Misaotra anao aho.

  2. 2. Io ranomasina io mbola fahagagana,

    Feno loko, feno aina, sy feno hatsarana.

    ’Lay somambisamby nataonao hoso-doko.

    Ny kintana aza mahababo ny foko.

     

    Inona moa

    No havaliko izao?

    Ity hiran’ny fo

    No atolotro ho anao.

    (FIVERENANA)

    Jehovah ô, misaotra

    Fa izay nataonao

    Tsara loatra.

    Dia fitiavana izao.

    Tiako holazaina,

    Tiako hiraina fa mamy ny miaina, noho ianao

    Sy ’reo zava-kanto avy aminao.

    Misaotra anao aho.

    (TETEZANA)

    Ny fahendrenao sy herinao,

    Asehon’izao rehetra izao.

    Tia anay ianao!

    Misaotra anao aho.

    Misaotra anao aho.

    (FIVERENANA)

    Jehovah ô, misaotra

    Fa izay nataonao

    Tsara loatra.

    Dia fitiavana izao.

    Tiako holazaina,

    Tiako hiraina fa mamy ny miaina, noho ianao

    Sy ’reo zava-kanto avy aminao.

    Misaotra anao aho.

    Misaotra anao aho.

    Hisaotra anao foana aho.