Ilay Tontolo Vaovao

Ilay Tontolo Vaovao

Haka:

  1. 1. Alefaso kely ange ny sainao:

    Feno ankizy ao andrefana ao milalao,

    Tsisy tahotra intsony.

    Ny alahelo izany, tsisy tsaroany.

    Mamboly indray no asan’ny olon-drehetra.

    Olo-marina ireo sady tsara toetra.

    Dia ho fiadanana foana,

    Ny andro sy ny volana ary ny taona.

    Tena tiany ianao,

    Tiany ho hitanao dieny ’zao

    Ilay tontolo vaovao.

    (FIVERENANA)

    Ho feno fanantenana

    Miredareda ao anatinao.

    Hitsiky indray ’lay fo mitalaho,

    Ka saintsaino, andrandrao

    Ilay tontolo vaovao.

  2. 2. Iny lalan-kely amoron-drano iny,

    Ao ’lay tranonareo ao, ’lay toerana kanto.

    Iny misy vahiny,

    ’Lay tsaroanao foana tato ho ato.

    Ny fidoboky ny fony,

    Maika ny hofihininao indray,

    Dia tsy hisaraka intsony.

    Ho ranomasom-pifaliana anie izay.

    Na ny fasana aza

    Ho foana ary ho lao,

    Satria tontolo vaovao.

    (FIVERENANA)

    Ho feno fanantenana

    Miredareda ao anatinao.

    Hitsiky indray ’lay fo mitalaho,

    Ka saintsaino, andrandrao

    Ilay tontolo vaovao.

    (TETEZANA)

    Jehovah efa niteny,

    Ireny rehetra ireny mbola homeny.

    Hotanterahiny koa

    ’Zay nofinofy mba nirin’ny fo.

    (FIVERENANA)

    Ho feno fanantenana

    Miredareda ao anatinao.

    Hitsiky indray ’lay fo mitalaho,

    Ka saintsaino, andrandrao

    Ilay tontolo vaovao,

    Ilay tontolo vaovao,

    Ilay tontolo vaovao,

    Ilay tontolo vaovao.