Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vitao ny Hazakazakao

Vitao ny Hazakazakao

Haka:

  1. 1. ’Zay nafoy

    Aza sainina akory.

    Ny eo aloha no ifantohy,

    Ny lalanao no izory.

    Ny finoana hatanjaho,

    Ialao ’lay tontolo.

    ’Zay manavesatra anao

    Avelao daholo.

    (FIVERENANA)

    Lasa ’zao!

    Tohizo hatrany, tohizo ihany

    Ny hazakazakao,

    ’Ndao vitao hatrany amin’ny farany any!

    Dia ’lay lokanao foana no banjino,

    Aza hadino.

    Ary aza varimbariana,

    Ny lalanao hitsiana;

    Dia aza ialana,

    Sao ho hadalana.

  2. 2. ’Lay loka ange

    Fitahiana avy amin’ny Ray.

    Zava-tsoa be dia be

    Ho mandrakizay.

    (FIVERENANA)

    Lasa ’zao!

    Tohizo hatrany, tohizo ihany

    Ny hazakazakao,

    ’Ndao vitao hatrany amin’ny farany any!

    Dia ’lay lokanao foana no banjino,

    Aza hadino.

    Ary aza varimbariana,

    Ny lalanao hitsiana;

    Dia aza ialana,

    Sao ho hadalana.

    ’Ndao hanohy hatrany.

    (TETEZANA)

    ’Ndraindray te hanery ’zao tontolo izao.

    Tsarovy f’ianao tiany ho very.

    Tohizo foana ny lalanao.

    Lasa ’zao!

    Tohizo hatrany, tohizo ihany.

    Tohizo hatrany, tohizo ihany.

    (FIVERENANA)

    Lasa ’zao!

    Tohizo hatrany, tohizo ihany

    Ny hazakazakao,

    ’Ndao vitao hatrany amin’ny farany any!

    Dia ’lay lokanao foana no banjino,

    Aza hadino.

    Ary aza varimbariana,

    Ny lalanao hitsiana;

    Dia aza ialana,

    Sao ho hadalana.

    ’Ndao hanohy hatrany,

    ’Ndao fa aza miala.

    ’Lay loka efa miandry any.

    F’andao dia aza miala,

    Tohizo ihany.

    Koa ’ndao iezaho,

    Dia vitao

    Ny hazakazakao!