Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hihemotra Aho

Tsy Hihemotra Aho

Haka

  1. 1. Nandre vaovao tsara ’ndray andro izay,

    Dia lasa akaiky an’i Jehovah Ray,

    Ny fitiavako azy tsy nihena, tsy lefy.

    Na iza hanaratsy, izaho tsy hanaiky ho resy.

     

    Handroso ihany aho fa…

    Tsisy hampitanondrika ahy.

    (FIVERENANA)

    Ny finoana no ampinga hiaro ahy tsy ho lavo;

    Hahatonga ahy tsy hatahotra akory.

    Ny Teniny indray no jiro hanazava.

    Ny vavaka hanampy ahy hijoro.

    Na hisy hanenjika aza, tsy hihemotra aho.

  2. 2. Hanorina ve? Aiza no mafy?

    Ny fasika ho rava. Aleo vatolampy.

    Satana hitaona ahy ho diso safidy.

    Ny ho vokany anefa ho ratsy ary hangidy.

     

    Tsy ho voafitaka aho.

    Aleoko àry nanda.

    (FIVERENANA)

    Ny finoana no ampinga hiaro ahy tsy ho lavo;

    Hahatonga ahy tsy hatahotra akory.

    Ny Teniny indray no jiro hanazava.

    Ny vavaka hanampy ahy hijoro.

    Na hisy hanenjika aza, tsy hihemotra aho.

    (FIVERENANA)

    Ny finoana no ampinga hiaro ahy tsy ho lavo;

    Hahatonga ahy tsy hatahotra akory.

    Ny Teniny indray no jiro hanazava.

    Ny vavaka hanampy ahy hijoro.

    Na hisy hanenjika aza, tsy hihemotra aho.

    Tsy hihemotra aho.

    Tsy hihemotra aho.