Ny Mahafaly Indrindra
Haka:
1. ’Reo kintanao toa vatosoa
Tsy manan-tsahala,
Dia niangalianao ihany koa
Ny havoana sy ny ala.
Feno asa tananao ny tany,
Dia zavakanto izay voakaly.
Tianao ’zahay ho faly!
(FIVERENANA)
Zavaboary mahavariana,
Ilay hafatra torina,
Sy ’lay Paradisa an-tany...
Dia samy antom-pifaliana.
Fa ny mahafaly indrindra
Dia ny akaiky anao hatrany,
Satria tsisy hoatr’izany!
2. Ny namoronanao anay
Mahagaga anay koa:
Mandre, mahita, sy mahay
Maneho fihetseham-po.
Nomenao ’zay rehetra ilaina,
Nataonao mamy koa ny miaina,
Ho mandrakizay.
(FIVERENANA)
Zavaboary mahavariana,
Ilay hafatra torina,
Sy ’lay Paradisa an-tany...
Dia samy antom-pifaliana.
Fa ny mahafaly indrindra
Dia ny akaiky anao hatrany,
Satria tsisy hoatr’izany!
(TETEZANA)
Satria foinao ’lay Zanakao
Ho faty ho anay,
Dia lasa faly ireo nijaly
Ary hiadana mandrakizay.
(FIVERENANA)
Zavaboary mahavariana,
Ilay hafatra torina,
Sy ’lay Paradisa an-tany...
Dia samy antom-pifaliana.
Fa ny mahafaly indrindra
Dia ny akaiky anao hatrany,
Satria tsisy hoatr’izany!
(FIVERENANA)
Zavaboary mahavariana,
Ilay hafatra torina,
Sy ’lay Paradisa an-tany...
Dia samy antom-pifaliana.
Fa ny mahafaly indrindra
Dia ny akaiky anao hatrany,
Satria tsisy hoatr’izany!
(Jereo koa Sal. 37:4; 1 Kor. 15:28.)