Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Falifaly Foana

Falifaly Foana

Haka:

  1. 1. ’Zany hatsarana, tsy hay lazaina.

    Mamy erỳ ’zany miaina!

    Tsy haiko hotanisaina ’zay nomenao, mahafa-po,

    Nefa ny tsara indrindra: Ny fitiavanao tsy manam-paharoa.

    (FIVERENANA)

    Ny foko hihira ary hisaotra anao,

    Dia ho tia anao foana.

    Raha fifaliana tsisy hoatr’izao,

    Tsy ho lefin’ny fotoana.

    Falifaly foana, falifaly foana.

    Falifaly foana, falifaly foana!

  2. 2. Hafakely ny fitahiana,

    Mahatsiaro ho tena tiana.

    Fianakaviana iray, tsy mifanary na dia esoina.

    Na hisy hanenjika aza, fifaliana anaty tsy azo vonoina.

    (FIVERENANA)

    Ny foko hihira ary hisaotra anao,

    Dia ho tia anao foana.

    Raha fifaliana tsisy hoatr’izao,

    Tsy ho lefin’ny fotoana.

    Falifaly foana, falifaly foana.

    Falifaly foana, falifaly foana!

    (TETEZANA)

    Ho vaovao indray ny tany, ny sento ho lasa tsiky.

    Kristy mantsy efa nijaly, dia voavonjy isika.

    (FIVERENANA)

    Ny foko hihira ary hisaotra anao,

    Dia ho tia anao foana.

    Raha fifaliana tsisy hoatr’izao,

    Tsy ho lefin’ny fotoana.

    Falifaly foana, falifaly foana!

    Falifaly foana, falifaly foana!

    Falifaly foana, falifaly foana!

    Falifaly foana, falifaly foana!

    Falifaly foana, falifaly foana!

    Falifaly foana, falifaly foana!

    Falifaly foana!